Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Araba

Araba

(Arabà).

1. [Lemaka Karakaina]. Ampahany amin’ilay lohasaha mitsefaka miavaka, izay miainga avy eo amin’ny tehezan’ny Tendrombohitra Hermona no mianatsimo. Eo amin’io ampahany io no misy ny Ranomasin’i Galilia sy ny Reniranon’i Jordana. Midina ambany kokoa noho ny haabon’ny ranomasina izy io rehefa tonga eo amin’ny deboka misy ny Ranomasina Maty ary mbola mianatsimo hatrany amin’ny Hoalan’i ʽAkaba, any amin’ny Ranomasina Mena.​—De 3:17; Js 3:16; 11:16; Je 52:7.

Mitresaka lava be avy any avaratra mianatsimo ny vohon-tany eo amin’io lohasaha lava sy tery io, ary misy tandavan-tendrombohitra eo amin’ny andaniny roa. Matetika izy io no maina, ary vitsy ny tanàna eo aminy. Mirefy 1 km latsaka ka hatramin’ny 16 km ny sakany, ary 435 km ny lavany. Miolikolika eo amin’ny tapany avaratra amin’io lohasaha mahitsy be io ny Reniranon’i Jordana ka maitso mavana izay lalovany. Maina kosa ny tany any atsimon’ny Ranomasina Maty, satria riaka avy amin’ny rotsakorana ihany no mikoriana eo amin’i Araba ka tsy ampy mba hahalonaka an’ilay faritra.

Misy milaza fa ilay ampahany any atsimon’ny Ranomasina Maty ihany no antsoina hoe Araba. Anisan’i Araba koa anefa ilay tapany avaratra, fara faharatsiny hatrany amin’ny Ranomasin’i Galilia na Kinereta. (Js 12:3; 2Sa 2:29) Antsoina hoe Ghor (“Lempona”) ankehitriny ilay lohasaha any avaratry ny Ranomasina Maty, fa “Araba” kosa ilay tapany maina kokoa atỳ atsimo.

Antsoina hoe “ranomasin’i Araba” ny Ranomasina Maty. (De 3:17; 4:49; 2Mp 14:25) Azo adika hoe “lemaka karakaina” ny teny hebreo hoe ʽaravah satria tsy misy mpanoritra eo anoloany. ʽAravôht no endriny milaza maro amin’izy io, ary matetika izy io no ilazana an’ireo lemaka karakainan’i Jeriko sy Moaba, ary koa ilay ampahany amin’ny Lohasahan’i Jordana izay eo avaratra kelin’ny Ranomasina Maty.​—No 22:1; 26:3, 63; 31:12; Js 4:13; 5:10; Je 39:5.

2. [Fiafenana mba Hanafika]. Tanàna tany amin’ireo tendrombohitr’i Joda, izay voatonona miaraka amin’i Hebrona sy Doma ary ny tanàna hafa. (Js 15:48, 52, 54) Misy milaza azy io ho i Kirbet er-Rabiyeh, izay eo anelanelan’i Doma sy Karmela, ary tokotokony ho 12 km any atsimoandrefan’i Hebrona. Toa avy any Araba i Paray Arbita.​—2Sa 23:35.