Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Araba, Lohasaha Falehan-driakan’i

Araba, Lohasaha Falehan-driakan’i

Efa nilaza i Amosa mpaminany fa hisy fanjakana hampahory ny fanjakan’ny Joda sy Israely “hatrany amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata ka hatrany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Araba [Lemaka Karakaina].” (Am 6:14; ampit. 2Mp 14:25.) Na dia antsoina hoe “Araba” aza ilay ampahany amin’ny Lohasaha Mitsefaka manomboka eo amin’ny Ranomasin’i Galilia ka hatrany amin’ny Ranomasina Mena, dia ilay tapany atsimon’ny Ranomasina Maty hatrany amin’ny Hoalan’i ʽAkaba ihany no resahina eto. Mety hisy hihevitra àry fa ny lohasaha falehan-driakan’i Zareda izay mivarina ao amin’ny tendrony atsimo amin’ny Ranomasina Maty (“ranomasin’i Araba”, De 3:17) ilay “lohasaha falehan-driakan’i Araba.” Ny teny nampiasain’i Amosa eto anefa dia mitovy tanteraka amin’ilay anarana arabo ilazana ny faritra manomboka eo amin’ny tendrony atsimo amin’ny Ranomasina Maty hatrany amin’ny Hoalan’i ʽAkaba, izany hoe ny Lohasaha Falehan-driaka el-ʽAraba. Asehon’ny faminanian’i Amosa fa ho azon’ny fahavalo daholo ny tany rehetra nanjakan’ny Joda sy Israely taloha, hatrany avaratra ka hatrany atsimo. Tanteraka io faminaniana io zato taona tatỳ aoriana, rehefa nanafika ireo mpanjaka asyrianina, toa an-dry Tiglato-pilesera III, Salmanesera Faha-5, Sargona II, ary Sankeriba.