Arabia
Eo amin’ny farany atsimoandrefan’ny kontinantan’i Azia no misy ny Saikinosin’i Arabia. Ny Hoala Persika sy ny Hoalan’i Oman no eo atsinanany, ny Ranomasin’i Arabia sy ny Hoalan’i Aden no eo atsimony, ny Ranomasina Mena no eo andrefany, ary ilay faritra lonaka miendrika volan-tsinana na Croissant fertile (Mezopotamia sy Syria ary Israely mitambatra) no eo avaratra. Toy ny nosy goavana i Arabia satria saika voahodidina ranomasina. Antsoin’ny mponina any hoe “Nosin’ireo Arabo” (Jazirat al-ʽarab) àry izy io.
I Arabia no saikinosy lehibe indrindra eran-tany. Mirefy 2 600 000 km2 eo ho eo mantsy ny velarany, izany hoe avo efatra heny mahery noho ny an’i Madagasikara. Mahatratra 1900 km eo ho eo ny sakany lehibe indrindra, ary 2900 km eo ho eo ny lavan’ny morontsiraka andrefana.
Misy tandavan-tendrombohitra ny ilany andrefana, ary avy eo indray misy lembalemba be vato izay misolampy miantsinanana hatrany amin’ny Hoala Persika. Mahatratra 3600 m mahery ny haavon’ny tendrombohitra iray any amin’ny farany atsimoandrefana. Any amin’ny farany atsimo kosa no misy ilay tany efitra lehibe antsoina hoe Robʽ al-Kali. Io no faritra be fasika midadasika indrindra eran-tany, antsoina hoe Ilay Faritra Babangoana. Eo avaratry ny Nejd na lembalemba afovoany no misy an’ilay Tany Efitr’i An Nafoud. Kely kokoa izy io, ary mipaka hatrany amin’ny Tany Efitr’i Syria.
Misy renirano kely eny an-tsisin’ilay saikinosy sy eny amin’ny lembalemba afovoany (na Nejd). Tsy maro anefa izy ireny, ary ritra amin’ny fotoana sasany. Nipetraka tany amin’ilay faritra antsoina ankehitriny hoe Tany Efitr’i Syria i Joba. Niresaka momba ireny “riaka amin’ny andro ririnina” ireny izy, ary nilaza fa nisy fotoana izy ireny ritra.—Jb 6:15-20.
Maina ilay lembalemba midadasika. Ampy hiveloman’ny olona maro ihany anefa ny rotsakorana eny amin’ny tandavan-tendrombohitra andrefana sy ny lembalemba afovoany ary any atsimo. Mamboly ampemby, varimbazaha, orza, ary katsaka ireo tantsaha eny, sy any amin’ny tany lonaka lehibebe any an-tany efitra. Maniry any koa ny antrendry (Ek 15:27) sy aviavy. Kitro ifaharan’ny toe-karenan’i Arabia fahiny ny hazo akasia sy ny hazo hafa ahazoana ditin-kazo manitra, ary ireo zavamaniry manitra. Ny solitany anefa no tena fototry ny toe-karenany ankehitriny.—Ge 2:12.
Tsy dia maro ny karazana biby sy vorona any, satria tsy ampy ny rano. Misy ondry, osy, rameva, ampondradia, alikadia, hitsikitsika lehibe, ary voromahery anefa any, toy ny taloha ihany. (Ezk 27:21; 2Ta 17:11; Mpts 6:5; Jb 39:5-8, 26, 27; Is 60:7; 34:13) Ny liona sy ny ombidia ary ny aotirisy kosa efa lany tamingana. (Jb 38:39, 40; 39:9-18) Ny soavaly arabo indray malaza hoe sady tsara tarehy no matanjaka.—Ampit. Jb 39:19-25.
Foko arabo. Nanorim-ponenana tany Arabia ny fianakaviana maro taorian’ny Safodrano. Anisan’ny tanisain’ny Genesisy toko faha-10 izy ireo. Ireto, ohatra, no avy amin’i Sema: I Joktana, izay niteraka lehibem-poko arabo 13 teo ho eo; i Oza sy Gatera ary Masy zanakalahin’i Arama izay toa nanorim-ponenana tany amin’ny faritra avaratr’i Arabia sy ny Tany Efitr’i Syria (Ge 10:23, 26-29); ny Ismaelita izay nifindrafindra monina hatrany amin’ny Saikinosin’i Sinay sy ny faritra avaratr’i Arabia ka hatrany Asyria (Ge 25:13-18); ny Midianita izay tany amin’ny faritra avaratrandrefan’i Arabia eo atsinanana kelin’ny Hoalan’i ʽAkaba (Ge 25:4); ary ny taranak’i Esao izay tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Edoma teo atsimoatsinanan’ny Ranomasina Maty (Ge 36:8, 9, 40-43). Avy amin’i Hama kosa ny zanak’i Kosy maromaro, anisan’izany i Havila, Sabta, Rama (miaraka amin’i Sheba sy Dedana zanany), ary Sabteka. Toa nonina tany amin’ny faritra atsimon’ny Saikinosin’i Arabia izy ireny.—Ge 10:7.
Miresaka momba ny foko samihafa tany Arabia ny soratra asyrianina sy babylonianina fahiny. Noresahin’i Salmanesera III, ohatra, ny amin’i “Gindiboʼ avy any Arabia.” Nanoratra i Tiglato-pilesera III fa mpanjakavavin’i Arabia i Zabibe sy Samsi. Noresahin’i Sargona II koa ny amin’i “Samsi, mpanjakavavin’i Arabia (sy) Itʼamar Sabaeanina.” Miresaka momba an’ireo Sabai, Nabaiti, Kidri, Idibaili, Masai, ary Temai ny soratra miendri-pantsika hafa.—Ampit. Ge 25:3, 13-15.
Fitantaran’ny Baiboly. Matetika no heverina fa misy ifandraisany amin’ilay Hazarmaveta resahin’ny Genesisy 10:26 i Hadramaout, iray tamin’ireo fanjakana efatra lehibe fahiny tany Arabia Atsimo. Ny Lohasaha Falehan-driaka Hadramaout, lohasaha lavalava manaraka ny morontsiraka atsimon’i Arabia, no foiben’io fanjakana io, ary i Shabva no renivohiny. Anaran-toerana tany Arabia resahin’ny Baiboly koa i Dedana, Tema, Doma, ary Boza.—Is 21:11-14; Je 25:23, 24.
Tsy nandalo tany Arabia i Abrahama rehefa niala tany Oran’ny Kaldeanina, mba hifindra monina tany Kanana. Voatery nidina tany Ejipta izy tatỳ aoriana, ka mety ho namakivaky ny faritra avaratry ny Saikinosin’i Sinay tany Arabia (fa tsy nanaraka ilay lalana teny amoron-tsirak’i Mediterane). Mety ho mbola io koa no lalany tamin’izy niverina. (Ge 12:10; 13:1) Nipetraka tany Oza, tany amin’ny faritra avaratr’i Arabia, i Joba. (Jb 1:1) Lehilahy “nanan-karena indrindra tamin’ny Tatsinanana rehetra” izy. Foko arabo taranak’i Joktana angamba ireo Sabeanina nanafika ny biby fiompiny. (Jb 1:3, 15; Ge 10:26-28) Toa avy any Arabia koa i Eliho sy ireo telo lahy “mpampionona” an’i Joba. (Jb 2:11; 32:2) Nipetraka 40 taona tany Arabia i Mosesy tamin’izy tao amin’i Jetro Midianita. (Ek 2:15–3:1; As 7:29, 30) Zava-nitranga niavaka tany Arabia koa ny nanomezana ny Lalàna ho an’ny firenen’Israely tafavory teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, tany amin’ny faritra atsimon’ny Saikinosin’i Sinay. (Ek 19:1, 2) Teo amin’i “Sinay, izay tendrombohitra anankiray any Arabia” no nitrangan’izany, hoy ny apostoly Paoly, 1 500 taona teo ho eo tatỳ aoriana.—Ga 4:25.
Toa sarotra inoana ny hoe velona 40 taona tany an-tany efitr’i Arabia ny Israelita telo tapitrisa teo ho eo, raha jerena ny toetoetr’ilay tany ankehitriny. (Ek 12:37, 38) Tsara hotadidina anefa fa i Jehovah no nanao fahagagana ka nanome azy ireo mofo sy rano. (De 8:2-4; No 20:7, 8) Tena mafy ny fiainana tany an-tany efitra ary tsy nisy rano firy tany. (No 20:4, 5) Azo inoana anefa fa betsaka kokoa noho ny ankehitriny ny rano tany, tokotokony ho 3 500 taona lasa izay. Lohasaha maro mantsy no nisy renirano nikoriana taloha. Midika izany fa ampy ny rotsakorana tamin’izany. Anisan’ny nahatonga ny biby sasany ho lany tamingana ny fihenan’ny rano. Tsy dia niova firy anefa i Arabia fa tany maina toy ny taloha ihany.
Avy any Arabia ireo Midianita sy Amalekita ary “Tatsinanana” nitaingina rameva tonga handravarava ny tanin’ny Israelita, tamin’ny andron’ny Mpitsara. (Mpts 6:1-6) Ny fanafihana tampoka hoatran’izany foana no fomba fiady tany Arabia. (2Ta 22:1) Toa ny olona tany Arabia no voalohany niompy rameva. Nitaterana olona sy entana izy ireny, angamba efa hatramin’ny andron’i Abrahama. (Ge 24:1-4, 10, 61, 64) Mahavita manao dia lavitra any an-tany efitra ny rameva, tsy toy ny ampondra. Nampandroso ny toe-karena tany Arabia àry ny fiompiana rameva, ka nampiroborobo an’ilay nantsoina hoe “Fanjakan’ny Zavamaniry Mani-pofona” tany Arabia Atsimo.
Niainga avy tany Arabia Atsimo, izay faritra lonaka kokoa, ireo mpivaro-mandeha nitaingina rameva, ka nihazo an’ireo lalana tany an-tany efitra nanaraka ny moron’ny Ranomasina Mena. Nitety an’ireo tany lonaka sy lavadrano izy ireo, mandra-pahatongany tany amin’ny Saikinosin’i Sinay. Nivily nankany Ejipta izy ireo avy eo, na nanohy ny diany nankany Palestina na Damaskosy. Zavamaniry mani-pofona sy ditin-kazo manitra lafo vidy, toy ny miora (Is 60:6), no nentin’izy ireo, na angamba volamena sy hazo algoma avy any Ofira (1Mp 9:28; 10:11) ary vatosoa, toy ny nentin’ny mpanjakavavin’i Sheba ho an’i Solomona Mpanjaka. (1Mp 10:1-10, 15; 2Ta 9:1-9, 14) Be masaja mpamokatra perla ny Hoala Persika. Andilan-dranomasina kely (32 km eo ho eo ny sakany) no mampisaraka ny tendrony atsimoandrefan’i Arabia amin’i Afrika. Mety ho nitondra entam-barotra avy any Etiopia (2Ta 21:16), toy ny ivoara sy ny hazomainty, koa àry ireny mpivarotra ireny.—Ezk 27:15.
Nipetraka folo taona tao amin’ny tanànan’i Taima (Tema), tany amin’ny faritra avaratry ny lembalemba afovoan’i Arabia, i Nabonida, mpanjakan’i Babylona. I Belsazara zanany no nitondra tamin’ny fotoana naharesy an’i Babylona (539 T.K.).—Jereo TEMA No. 2.
Betsaka ny Arabo tany Palestina tamin’ny taonjato fahadimy T.K. Miresaka momba an’i “Gasema Arabo”, ohatra, ny Nehemia 2:19 sy 6:1-7.
Genesisy 10:30) no renivohiny. Tany avaratra kosa ny Nabateanina (angamba taranak’ilay Nebaiota resahin’ny Genesisy 25:13), ary i Petra (tanàna naorina tao amin’ny harambaton’i Edoma) no renivohiny. Nihanahery izy ireo, nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra T.K. Nofehezin’izy ireo koa tatỳ aoriana ny faritra atsimon’i Negeba manontolo, hatrany Moaba ka hatrany amin’ny faritra atsinanan’ny Reniranon’i Jordana. Nisy fotoana nifehezan’izy ireo an’i Damaskosy tamin’ny taonjato voalohany T.K., sy tamin’ny taonjato voalohany A.K. Resahin’ny 2 Korintianina 11:32 sy Asan’ny Apostoly 9:23-25 fa nandositra niala tao Damaskosy i Paoly, tamin’ny andron’i Areta Faha-4 mpanjakan’izy ireo (t. 9 T.K.–40 A.K.). Nanambady ny zanakavavin’i Areta Faha-4 i Heroda Antipasy. Nisarahany anefa izy io ary nanambady an’i Herodiasy indray izy.—Mr 6:17; jereo ARETA.
Ilay atao hoe Fanjakana Himyarita no nifehy an’i Arabia Atsimo tamin’ny 115 T.K. tany ho any, ary i Zafar (lazain’ny sasany hoe ilay Sefara resahin’nyNilaza i Paoly fa “nankany Arabia” izy “ary niverina indray tany Damaskosy”, rehefa lasa Kristianina. (Ga 1:17) Angamba izy tany amin’ny Tany Efitr’i Syria, na tany amin’ny Saikinosin’i Arabia.
Lasa be Arabo i Palmyra tany avaratratsinanan’i Damaskosy, tamin’ny taonjato voalohany T.K. Io tanàna io indray àry, fa tsy i Petra intsony, no nandalovan’ny entam-barotra. Nibodo an’i Ejipta ny tafik’i Zenobia mpanjakavavin’i Palmyra tamin’ny taona 270, ka lasa fahavalon’i Roma. Resin’i Roma anefa izy ireo tamin’ny 272.
Fiteny. Ao anatin’ny sokajin’ny fiteny semitika atsimo ny fitenin’ny mponina tany Arabia, ary tsy dia niova firy, raha oharina amin’ny fiteny semitika hafa. Izany àry no nahafahana nahazo ny hevitry ny teny hebreo maro fahiny ao amin’ny Baiboly.