Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Arama

Arama

(Aràma).

1. Zanak’i Sema voatonona farany amin’ireo zanany dimy lahy. Avy tamin’i Arama sy ireo zanany efa-dahy, dia i Oza, Hola, Gatera ary Masy, ny fianakaviana 5 tamin’ireo 70 velona taorian’ny Safodrano. Ny Aramianina sy ny Syrianina no taranak’izy ireo.​—Ge 10:22, 23; 1Ta 1:17.

2. Zanakalahin’i Kemoela, sady zafikelin’i Nahora rahalahin’i Abrahama. Zanak’olo-mpirahalahy àry ny rainy sy Isaka. Zanak’olo-mpirahalahy koa i Arama sy Rebeka, zanakavavin’i Betoela rahalahin-drainy. Tsy niala tany Mezopotamia niaraka tamin’i Abrahama ny fianakavian’i Nahora. “Nisy nilaza tamin’i Abrahama” momba ny zanak’i Nahora sy momba an’i Arama anefa taona maro tatỳ aoriana.​—Ge 22:20-23; 11:27, 31; 24:4, 10.

3. Iray amin’ireo “zanakalahin’i Samera” (Somera) efa-dahy avy amin’ny fokon’i Asera, ary anisan’ireo “lohan’ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy. Lehilahy voafantina sy nahery fo ary natanjaka koa izy ireo, sady lohan’ny mpiadidy.” (1Ta 7:31, 32, 34, 40) Samy teraka tany Ejipta i Arama sy ny rainy, satria anisan’ireo zanak’i Jakoba “tonga tany Ejipta” ny dadabeny sy ny dadan’ny dadabeny.​—Ge 46:8, 17.

4. Ilay Arama ao amin’ny Matio 1:3, 4 sy Lioka 3:33, ao amin’ny Fandikan-teny Katolika.​—Jereo ARNY; RAMA, I No. 2.

5. Anaran’ireo faritra nonenan’ny taranak’i Arama (No. 1), rehefa mandeha irery ilay anarana na rehefa ampiarahina amin’ny teny hafa.

SARITANY: Arama

Arama: Ilazana an’i Syria io anarana io, ary adika matetika hoe Syria. (Mpts 10:6; 2Sa 8:6, 12; 15:8; Ho 12:12) Nipaka hatrany amin’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona ka hatrany Mezopotamia i Syria, ary hatrany amin’ny Tendrombohitra Taurus tany avaratra ka hatrany atsimon’i Damaskosy.​—Jereo SYRIA.

Arama-naharaima (Sl 60:t.m.): Adika matetika amin’ny teny grika hoe “Mezopotamia” (midika hoe “tany anelanelana renirano”) izy io. I Eofrata sy Tigra ireo renirano ireo. Nilaza i Stefana fa nipetraka tany Mezopotamia i Abrahama, na dia mbola tany Oran’ny Kaldeanina aza. (As 7:2) Nirahin’i Abrahama hitady vady ho an’i Isaka ny mpanompony taona maro tatỳ aoriana, ary nasainy nankany amin’ny tanànan’i Nahora tany Mezopotamia Avaratra (Arama-naharaima). (Ge 24:2-4, 10) Avy any amin’ny faritra be tendrombohitra tany amin’ny ilany avaratr’i Mezopotamia koa i Balama avy any Petora.​—De 23:4; ampit. No 23:7; jereo MEZOPOTAMIA.

Padana-arama: Iantsoana an’ilay faritra nanodidina ny tanànan’i Harana tany Mezopotamia Avaratra.​—Ge 25:20; 28:2-7, 10; jereo PADANA.

Nonina teny amin’ireny faritra rehetra ireny ny Aramianina taranak’i Arama zanak’i Sema. Natao hoe Oza (toy ny anaran’ny iray amin’ireo zanakalahin’i Arama) koa ny anaran’ilay faritra tao amin’ny Tany Efitr’i Arabia atsinanan’ny Tany Nampanantenaina ary nipaka tamin’ny sisin-tanin’i Edoma. (Jb 1:1; Ft 4:21) Nitovy be tamin’ny teny hebreo ny teny aramianina, izay lasa fiteny iraisam-pirenena nifandraisan’ireo mpivarotra sy ireo fanjakana nanerana ny faritra lonaka miendrika volan-tsinana (Croissant fertile).​—2Mp 18:26; jereo ARAMIANINA.

Antsoin’ny Deoteronomia 26:5 hoe “Syrianina” (a.b.t.: Aramianina) i Jakoba, noho izy nipetraka 20 taona tany Arama, tany amin’i Labana Aramianina rafozandahiny. Aramianina koa i Rebeka renin’i Jakoba, ary Lea sy Rahely vadiny. Mpihavana akaiky àry ny Israelita sy ny Aramianina.

Fanjakana aramianina. Tany am-piandohan’ny tantaran’ny firenen’Israely no voalohany niresahan’ny Baiboly an’ireo fanjakana aramianina. Nanompo an’i Kosana-risataima, mpanjaka avy any Arama-naharaima (Mezopotamia), nandritra ny valo taona ny Israely. Novonjen’i Otniela Mpitsara izy ireo avy eo.​—Mpts 3:8-10.

Arama-zoba: Fanjakana aramianina anisan’ny fahavalon’i Saoly Mpanjaka (1117-1078 T.K.). (1Sa 14:47) Toa tany avaratr’i Damaskosy izy io, ary hatrany Hamata tany avaratra ka hatrany Eofrata tany atsinanana ny faritra nofeheziny. Nifanandrina tamin’i Davida i Hadadezera, mpanjaka nahery tany Arama-zoba, ary resiny. (2Sa 8:3, 4; 1Ta 18:3; ampit. Sl 60:t.m.) Lasa mpanjakan’i Damaskosy i Rezona Aramianina lehiben’ny mpandroba taorian’izay. Tsy ela dia lasa tanàna aramianina nalaza indrindra (1Mp 11:23-25) sy “lohan’i Syria” i Damaskosy. (Is 7:8) Niady tamin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra foana izy io.​—Jereo DAMASKOSY.

Arama-maka: Miara-voatonona amin’i Zoba sy Rehoba ary Istoba. Ireo no fanjakana aramianina nanakaraman’ny Amonita kalesin’ady sy mpitaingin-tsoavaly mba hiadiana tamin’i Davida. Niaraka tamin’ireo tafika mpikarama an’ady ireo ny mpanjakan’i Arama-maka. Nandositra teo anoloan’ny tafik’i Davida anefa izy ireo. (1Ta 19:6-15; 2Sa 10:6-14) Tany atsinanan’i Jordana angamba ny fanjakan’i Maka, ary ny Tendrombohitra Hermona no teo avarany.​—Js 12:5; 13:11.

Gesora: Fanjakana aramianina kely teo atsinanan’i Jordana sy teo atsimo kelin’i Maka. Ny morony atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia no sisin-taniny atsimo. Tao anatin’ny faritany nomena ny fokon’i Manase izy io, toa an’i Maka ihany.​—De 3:14; Js 13:11; jereo GESORA No. 1.

Resin’i Davida ireo fanjakana aramianina, ka nitatra nianavaratra be ny fanjakany ary nipaka hatrany amin’ny Reniranon’i Eofrata tsy lavitra an’i Harana tany Padana-arama. Notanterahin’i Davida àry ilay fampanantenan’i Jehovah hoe hidadasika ny lovan’ny Israely ao amin’ny Tany Nampanantenaina.​—De 1:7; 11:24; Js 1:4.

Misy fanazavana fanampiny momba ny fifandraisan’ny Israely sy Arama, ao amin’ny SYRIA.