Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Araona

Araona

(Aràona).

Jebosita tompon’ilay famoloana novidin’i Davida Mpanjaka. Nasain’i Jehovah nanorenana alitara teo amin’io famoloana io, mba hifaranan’ilay loza nitranga noho i Davida nanisa ny vahoaka.​—2Sa 24:16-25; 1Ta 21:15-28.

Toa nomen’i Araona maimaim-poana ny toerana sy ny omby ary ny kitay hanaovana an’ilay sorona. Tsy nety anefa i Davida fa naloany vola ireo rehetra ireo. Mitantara ny 2 Samoela 24:24 fa novidin’i Davida sekely volafotsy 50 (110 dolara) ilay famoloana sy ny omby. Milaza anefa ny 1 Tantara 21:25 fa sekely volamena 600 (77 000 dolara eo ho eo) no nividianan’i Davida an’ilay toerana. Toa ny vidin’ilay faritra kely nanorenana alitara sy izay rehetra nampiasaina tamin’ilay sorona ihany no tian’ny 2 Samoela 24:24 holazaina. Niresaka momba an’ilay tempoly naorina teo amin’io toerana io tatỳ aoriana kosa ny 1 Tantara 21:25, ka ny vola nividianana an’ilay tany nanaovana an’ilay fanorenana no tiany holazaina. (1Ta 22:1-6; 2Ta 3:1) Tena lehibe ny tany nanorenana an’ilay tempoly, ka toa ny vidin’io toerana midadasika io ilay sekely volamena 600 fa tsy ny an’ilay faritra kely nanorenan’i Davida alitara.

Mbola ahitana vatobe iray ao ambanin’ny Dôme du Rocher. Miorina eo amin’ny ampahan’ny toerana nisy an’ilay tempoly fahiny io toeram-pivavahan’ny Silamo io. Mety ho io vato io mihitsy ilay famoloan’i Araona.

Ornana no iantsoan’ny bokin’ny Tantara an’i Araona.​—1Ta 21:18-28; 2Ta 3:1.