Aravaha
[Heb.: ʽaravim (mr.)].
Mifanitsy amin’ny hoe garab, teny arabo mbola iantsoana ny aravahan’i Eofrata, ilay teny hebreo. Aleon’ny mpanao diksionera ankehitriny àry mandika azy io hoe aravaha (Populus euphratica) toy izay hoe hazomalahelo, na dia mitovy karazana sy samy fahita any Israely sy ny firenena manodidina aza ireo hazo ireo.—Jereo ny Lexicon in Veteris Testamenti Libros nataon’i Koehler sy Baumgartner, Leyde, 1958, p. 733; Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy nataon’i Brown sy Driver ary Briggs, 1980, p. 788; ary Ny Diksionera Vaovaon’i Westminster Momba ny Baiboly, nataon’i H. Gehman, 1970, p. 998.
Be hazo aravaha teny amoron’i Eofrata (fa ny hazomalahelo kosa somary vitsy), ka teo amin’ireny no nahanton’ny Jiosy ny harpany, fony izy ireo nitomany tany an-tsesitany. (Sl 137:1, 2) Kely, henjankenjana, ary miendrika fo ny ravin’ny aravahan’i Eofrata, fa ny tahony kosa fisaka sady maniry misompirana eo amin’ny sampany. Mihetsiketsika àry ireo raviny raha vao misy rivotra kely fotsiny, ka mety hampahatsiahy olona vonton’alahelo izay mora mihetsi-po.
Misy aravahan’i Eofrata koa eny amoron’ny renirano any Syria sy Palestina, ary indrindra fa ao amin’ny lohasahan’ny Reniranon’i Jordana. Miara-maniry amin’ny hazo tamariska izy ireny matetika Le 23:40), ary nanome alokaloka ho an’ny “hipopotama” (Behemota) teny amoron-drano ilay hazo. (Jb 40:15, 22) Mora maniry amin’ny toerana azon-drano tsara koa izy io (Is 44:3, 4), ka ilazana fitomboana haingana noho ny fitahian’i Jehovah sy ny fiasan’ny fanahiny.
ka lasa kirihitrala matevina, nefa mety hahatratra 9 ka hatramin’ny 14 m ny haavony any an-toeran-kafa. Maniry eny amoron-drano na eny amin’ny “lohasaha falehan-driaka” daholo ny aravaha resahin’ny Baiboly. Anisan’ny nampiasaina tamin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo ny sampany (