Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aretin-koditra Mamariparitra Boribory

Aretin-koditra Mamariparitra Boribory

Areti-mifindra (heb.: yallefet) resahin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ao amin’ny Levitikosy 21:20 sy 22:22. Karazana bobongolo no mahatonga azy io ary mety ho voan’izy io na biby na olona, ka mety ho eo amin’ny faritra misy volo, indrindra fa ny lohan’ny ankizy sy ny faritra misy volombava, no asian’izy io. Mety ho eo amin’ny faritra tsy misy volo koa anefa izy io, ka matetika no tasy mavokely boribory no fahitana azy, ary misy mibontsimbontsina kely misy rano eo amin’ny sisin’ilay tasy. Rehefa mihalehibe ilay tasy, dia mihamazava loko ny eo afovoany, ka toy ny peratra ny paoziny.

Inona marina io lazain’ny Baiboly hoe aretin-koditra mamariparitra boribory io? Be dia be mantsy ny anarana aretina efa nandikana an’ilay teny hebreo hoe yallefet. Ny lovantsofina jiosy anefa milaza fa aretin-koditra samy hafa avy any Ejipta (herpesy na aretin-koditra hafa) izy io. Mahaliana fa leiken no teny grika nandikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo an’io teny hebreo io, ary mety ho ilay aretin-koditra mamariparitra boribory io leiken io. Nilaza àry i L. Koehler sy W. Baumgartner, samy manam-pahaizana momba ny teny hebreo, fa aretin-koditra mamariparitra boribory na herpesy no tsara handikana an’ilay teny hebreo.​—Lexicon in Veteris Testamenti Libros, Leyde, 1958, p. 383.

Tsy mahafeno fepetra hanolotra fanatitra ho an’i Jehovah ny lehilahy taranaka mpisorona raha misy an’io aretin-koditra io. (Le 21:20, 21) Tsy azo natolotra ho sorona ho an’Andriamanitra ny biby voan’io aretina io.​—Le 22:22.