Aretina sy Fitsaboana
Matetika no antsoin’ny Baiboly hoe aretina ny tsy fahasalamana mahazo ny vatana na ny saina, sy ny aretina ara-panahy na an’ohatra. Tsy natao hanomezana fanazavana momba ny fahasalamana na momba ny fitsaboana aretina isan-karazany ny Baiboly, kanefa mifanaraka tsara amin’ny siansa ny fanazavana omeny momba izany. Aseho ao koa ny fomba handresena aretina ara-panahy.
Ny tsy fahalavorariana nolovana avy tamin’i Adama no mahatonga ny olona harary sy ho faty. (Ge 3:17-19; Ro 5:12) I Jehovah mihitsy anefa no “nahatonga loza lehibe [aretim-be] tamin’i Farao sy ny ankohonany, noho ny amin’i Saray, vadin’i Abrama.” (Ge 12:17) I Jehovah no nampipoipoitra “vay mamoro-nana” teny amin’ny olona sy ny biby, tamin’ilay loza fahenina tany Ejipta fahiny. (Ek 9:8-11) I Jehovah koa no nahatonga an’i Miriama ho boka noho izy sahisahy ratsy. (No 12:9-15) Izy koa no nampaharary ka nahafaty an’ilay zanaka tsy ara-dalàna naterak’i Davida sy Batseba (2Sa 12:15-18), sy “nandefa areti-mandringana teo amin’ny Israely”, tamin’ny andron’i Davida. (2Sa 24:15) Nataon’i Jehovah ireny mba hanandratana ny anarany sy hanajana ny lalàny, hiarovana sy hanafahana ny vahoakany ary hanafaizana azy ireo toy ny zanaka.
I Satana kosa no nanisy ‘vay nampanaintaina be an’i Joba, hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany.’ (Jb 2:6, 7) Namela azy hanao izany i Jehovah ka afaka nanaporofo i Joba hoe azo atao tsara ny tsy mivadika. Nositranin’Andriamanitra àry i Joba, ary niampy 140 taona ny andro niainany. (Jb 42:10, 16) Misy koa aretina avy amin’ny demonia. Sady jamba no moana, ohatra, ilay lehilahy nisy demonia nositranin’i Jesosy Kristy. (Mt 12:22) Avahan’ny Baiboly tsara anefa ny aretina avy amin’ny demonia.—Mt 4:24; Mr 1:32-34; As 5:16; jereo OLONA MISY DEMONIA.
Mety harary ary mety ho faty mihitsy ireo tsy mankatò an’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny firaisana sy ny fitondran-tena. (Oh 7:21-27) Efa nilazan’i Jehovah ny Israelita fa raha tsy mankatò izy ireo, dia hasiany amin’ny aretina samihafa.—De 28:58-61.
Maro ny aretina resahin’ny Baiboly. Voan’ny tioberkilaozy, vay, hemoroida, aretin-koditra mitera-mena, ary lasa adala, ohatra, ny Israelita raha tsy nankatò. (De 28:22, 27, 28, 35) Mampahafantatra ny fomba amantarana sy itsaboana habokana ny Lalàna. (Le toko faha-13 sy 14) Tsy nahazo nanao ny asan’ny mpisorona intsony ny taranak’i Arona raha nisy namariparitra boribory ny hodiny, ary tsy azo natao sorona koa izay biby nisy an’izany aretina izany. (Le 21:17, 20; 22:22) Noho ny herin’Andriamanitra dia vitan’i Jesosy Kristy ny nanasitrana ny jamba hatrany an-kibon-dreniny (Jn 9:1-7), ny marenina (Lk 7:22), ny voan’ny aretina manirano (Lk 14:1-4), ny boka (Lk 5:12, 13), ny voan’ny androbe, ny nalemy ary ireo voan’ny aretina sy kilema hafa. (Mt 4:23, 24) Tamin’i Paoly tany Malta, dia nositraniny ny rain’i Poplio satria “nanavy sady nivalan-dra.”—As 28:1-8.
1Mp 17:17-24; 2Mp 4:17-37) Tsy voalaza koa ny anaran’ilay ‘aretina nahafaty an’i Elisa’ (2Mp 13:14, 20), sy ny nahafaty an’i Lazarosy.—Jn 11:1-4.
Miezaka manome anarana an’ireo soritr’aretina sy aretina resahin’ny Baiboly ny mpikaroka ankehitriny, saingy matetika izy ireo no tsy mitovy hevitra. Tenin’Andriamanitra anefa ny Baiboly ka azo antoka fa marina izay anarana aretina nomen’ireo mpanoratra azy io. Tsy nomen’izy ireo kosa ny anaran’ny aretina sasany, anisan’izany ny aretina nahafaty an’ireo ankizilahikely roa natsangan’i Jehovah tamin’ny alalan’i Elia sy Elisa. (Fitsaboana fahiny. Fahita tany Israely sy ireo tany resahin’ny Baiboly ny dokotera sy ny fomba fitsaboana maro samihafa. ‘Nokarakarain’ny mpitsabo’ tany Ejipta, ohatra, “ny fatin’i Israely”, izany hoe i Jakoba. (Ge 50:1-3) Nantsoina hoe “dokotera malala” i Lioka mpianatr’i Jesosy. (Kl 4:14) Hoy i Marka momba ny vehivavy iray “nandeha ra efa nandritra ny roa ambin’ny folo taona”: “Nijaly mafy tamin’ny fitsaboana nataon’ny dokotera maro izy sady efa nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nahasoa azy izany, fa vao mainka aza niharatsy ny fahasalamany.”—Mr 5:25-29.
Azo inoana fa nampiasa zavamaniry ny mpitsabo hebreo na angamba nanoro hevitra momba ny sakafo hanina. Menaka manitra azo avy amin’ny zavamaniry tany Gileada fahiny ny ‘balsama any Gileada.’ Nahosotra tamin’ny ratra izy io indraindray, angamba mba hamonoana mikraoba, hanalefahana an’ilay ratra, sy hampihenana ny fanaintainana. (Je 46:11; 51:8) Toa nampiasaina tamin’ny fitsaboana koa ny ravinkazo (Ezk 47:12; Ap 22:1, 2), ary ny petagilasy. (2Mp 20:7; Is 38:21) Natao hanalefahana ny ratra na ny mangana ny menaka indraindray (Is 1:6), ary menaka sy divay kosa no nahosotra tamin’ny ratra sasany. (Lk 10:34) Nasaina nisotro divay kely koa indraindray ny marary, satria mampifalifaly izy io sady misy vokany tsara eo amin’ny fahasalamana.—Oh 31:6; 1Ti 5:23.
Nisy fitsaboana sy fandidiana tany Ejipta fahiny. Hoy i Hérodote (II, 84): “Nizarazara be ny fitsaboana teo amin’izy ireo, ka aretina iray ihany no hain’ny mpitsabo iray nositranina. Feno mpitsabo nanerana an’ilay tany: Nisy mpitsabo maso, mpitsabo nify, mpitsabo aretina momba ny kibo, ary mpitsabo aretina tsy fantatra mazava tsara.”
Rehefa nandidy ny Ejipsianina dia nodorany tamin’ny fitaovana nahamay izay lalan-dra vaky mba tsy ho very ra be ny marary, ary nampiakarin’izy ireo izay taolana mety hanindry ny atidoha, raha nisy vaky ny karandoha. Nampiasa hodi-kazo nofatorana tamin’ny lamba koa izy ireo mba hihazonana ny taolana tapaka tsy hihetsiketsika. Nisy an’izany ny faty sasany hita tany Ejipta. (Ampit. Ezk 30:20, 21.) Asehon’ny Fehezan-dalàn’i Hammourabi fa nanana mpandidy ny Babylonianina fahiny. Voalaza ao ny karaman’ny dokotera sasany sy ny hoe “antsy fandidiana vita amin’ny halimo.”
Nisy fitsaboana nify tany Fenisia. Hita tany, ohatra, ny kofehy volamena manify nifehy nify enina tamin’ny valanorano ambany. Nampiasa solonify koa izy ireo ka nifin’olon-kafa no nafatotra tamin’ny kofehy volamena mba hiraikitra tamin’ny nifin’ilay notsaboina.
Herin’ny maizina sy fivavahan-diso. Hoy ny boky iray: “Ny Horonana Papyrus Ebers no lehibe indrindra amin’ireo taratasy papyrus momba ny fitsaboana, izay mbola voatahiry ankehitriny. Asehon’ireny fa tsy misy ifandraisany amin’ny siansa mihitsy ny fahalalan’ireo mpitsabo [tany Ejipta] ireo, fa avy tamin’ny fandinihana nataony sy ny finoany ny herin’ny maizina fotsiny. Afaka niana-javatra betsaka izy ireo, kanefa zara raha nahalala ny firafitry ny vatan’olombelona. Kitoatoa be ny fomba nilazany aretina, ary tena tsy mandaitra ny telo ampahefatr’ireo fanafody an-jatony nampiasain’izy ireo. Tena tsy nahay nikarakara faty koa izy ireo satria ho vitsy kely tamin’ny faty nokarakarain’izy ireo no nateza raha notehirizina tany an-tany hafa tsy mitovy toetany amin’i Ejipta.”—Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena, nataon’i J. Orr, 1960, Boky Faha-4, p. 2393.
Hoy i Georges Roux, mpitsabo sy mpikaroka frantsay: “Sady ninonino foana no nandinika tsara ny zava-misy ny mpitsabo tany Mezopotamia rehefa namantatra soritr’aretina sy nilaza izay ho fizotran’ny aretina.” (Irak Fahiny, 1964, p. 305-309) Nisy mpitsabo matihanina nino fa avy tamin’ny fanahy ratsy ny ankamaroan’ny aretina, ary avy tamin’ny areti-mifindra, na sakafo, na zavatra nosotroina kosa ny aretina hafa. Indraindray ny marary dia nalefan’izy ireo tany amin’ny mpisikidy sady mpanandro, izay nikaroka ny fahotana miafina nahatonga ilay aretina. Indraindray koa ny marary nalefany tany amin’ny mpisorona, izay niboredika sy nihirahira mba hamoahana demonia. Hoy i Roux: “Toa an’ireo mpandinika kintana ihany ny mpitsabo, tany Mezopotamia. Nifototra tamin’ny filozofia momba ny tontolo any an-koatran’ny hitan’ny maso (metafizika) mantsy ny fahalalany, ka tsy afaka nitady fanazavana azon’ny saina ekena izy ireo.”
Nino ny Babylonianina fa i Ea no lehibe indrindra amin’ireo andriamanitra mpanasitrana. Niambozona ody natao ho fiaro izy ireo mba ho voaro tamin’ny fanahy ratsy. Nino kosa ny Grika fa i Hygie no andriamanibavy niaro ny fahasalamana, ary naka tahaka an’ilay andriamanitra grika antsoina
hoe Asclépios (Aesculapius, Esculape) ny mpitsabo tany Gresy fahiny. Ny Romanina indray nino fa nisy andriamanitra afaka nanasitrana aretina sasany. Nino, ohatra, izy ireo fa i Febris no nitsabo ny fanaviana. Tsara homarihina fa famantarana an’i Asclépios ny sarina tehina misy bibilava tokana miolikolika. (SARY, Boky Faha-2, p. 530) Mitovitovy amin’io ilay famantarana ny fitsaboana (sarina tehina misy elatra, ahitana bibilava roa miolikolika), izay nalaina tahaka avy tamin’ny tehin’i Merkory, andriamanitra romanina.Hoy ny boky iray: “Noheverin’ny olona taloha be hoe nisy namosavy na nanota fady ny olona iray matoa marary. Raha tsy mora sitrana ilay olona, dia noheverina fa nisy asan’ny maizina na filalaovana ody na famosaviana tao, ka tsy maintsy mpimasy na mpanasitrana no nitsabo azy. Anjaran’ilay mpimasy ny namantatra ny fanahy ratsy nahatonga ilay aretina, sy ny niezaka nandroaka an’ilay fanahy ratsy tamin’ny alalan’ny ozona famosaviana, sy ody, na fanafody, ary teny miboredika sy hirahira fanaovana mazia.”—Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky 1, p. 847.
Asehon’ny Baiboly fa i Satana no nahatonga an’i Joba harary (Jb 2:7), ary indraindray dia narary ny olona nisy demonia. (Mt 17:14-18) Nisy nahamarina azy ihany àry ny filazan’ny mpanompo sampy fahiny hoe misy demonia ny olona sasany matoa marary. Rehefa nanasitrana kosa ny mpisorona sy ny mpitsabo hebreo izay tsy nivadika tamin’i Jehovah, dia tsy nampiasa herin’ny maizina. (De 18:9-13) Tsy niboredika sy nihirahira toy ny fanaon’ny mpanao mazia i Jesosy Kristy sy ireo tena mpanara-dia azy, rehefa namoaka demonia mba hanasitranana. Rehefa lasa Kristianina ireo nampiasa herin’ny maizina, dia niala tamin’ireny fanao ireny. Azo antoka koa fa tsy nampiasa herin’ny maizina ny dokotera kristianina sady tsy naniraka ny marary hankany amin’ireo nampiasa herin’ny maizina.—As 19:18, 19.
Marina ny voalazan’ny Baiboly. Nantsoina hoe “rain’ny fitsaboana maoderina” i Hippocrate, dokotera grika (t. 460-377 T.K.), ary voalaza fa “tsy nifandray mihitsy tamin’ireo hopitalin’ny tempoly tamin’ny androny izy satria ny mpisoron’i Asclépios, andriamanitry ny fanasitranana, no nifehy an’ireny hopitaly ireny.” (Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao, 1987, Boky Faha-9, p. 227) Tamin’ny andron’i Malakia i Hippocrate no velona, nefa efa arivo taona teo ho eo talohan’izay no nanoratan’i Mosesy ny ankamaroan’izay resahin’ny Baiboly momba ny aretina. Hoy ny Dr. H. Philips: “Hitan’ireo mpikaroka avara-pianarana indrindra momba ny fitsaboana fa tena mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly. ... Tena efa lasa lavitra be sady azo antoka kokoa noho ny fampianaran’i Hippocrate ny fampianaran’ny Baiboly momba ny zava-mitranga eo amin’ny fiainana, ny famantarana soritr’aretina, ny fomba fitsaboana, ary ny fisorohana aretina. Maro kosa ny fampianaran’i Hippocrate mbola tsy voaporofo, ary ny sasany aza tsy marina mihitsy.”—Vaovaon’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana, 10 Jolay 1967.
Dokotera i Lioka, ilay Kristianina nanoratra ny Filazantsara iray sy ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Hoy ny Dr. C. Davis: “Tena marina ireo tsipiriany nomen’i Lioka momba ny fitsaboana. Ireo teny teknika grika telo amby roapolo nampiasainy, dia hita ao amin’ny asa soratr’i Hippocrate sy Galien ary ny asa soratra hafa momba ny fitsaboana tamin’ny androny.”—Fitsaboana any Arizona, Martsa 1966, “Ny Fitsaboana sy ny Baiboly”, p. 177.
Matetika no salama izay mankatò ny Lalàna. Tsy maintsy nototofana, ohatra, ny dikin’olombelona, tany amin’ny toby miaramila (De 23:9-14), ka voaro tamin’ny fivalanan-dra sy ny tefoedra ary ny aretina hafa aparitaky ny lalitra ny olona. Voaro tamin’ny tsimokaretina ny sakafo sy ny rano satria lazain’ny Lalàna fa maloto daholo izay zavatra nilatsahan’ny fatina biby “maloto” ka tsy maintsy nisy fepetra noraisina. Nopotehina mihitsy, ohatra, izay fitoeran-javatra vita tamin’ny tanimanga nilatsahan’ilay fatim-biby.—Le 11:32-38.
Hoy ny boky iray: “Ny fisorohana aretina no tena hamafisin’io lalàna io. Rehefa ankatoavina izy io dia voasoroka aloha be ny polioencéphalite [aretina mamely ny atidoha], ny tefoedra, ny fanapoizinana avy amin’ny sakafo, ary ny katsentsitra. Antitranterina ny fanaovana izay hampisy tahirin-drano madio. Tena mandaitra izany mba tsy hisy olona ho voan’ny amiba, na tefoedra, na kôlerà, na bilariziozy, na karazana tazovony vokatry ny rano maloto. Tena ilaina amin’ny fahasalamam-bahoaka ireny fepetra fiarovana amin’ny aretina ireny, indrindra raha tsizarizary ny toe-piainana misy an’ilay vahoaka sady any amin’ny tany mafana izy ireo no mipetraka.”—Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky Faha-2, p. 544, 545.
Nilaza ny Dr. A. Short fa tsy nanana lalàna momba ny fahadiovana sy ny fanariana ny malotom-bahoaka ireo firenena nanodidina ny Israely fahiny, ary raha nisy aza izany dia tsizarizary. Hoy ihany ny Dr. Short: “Mahagaga àry hoe boky ampangaina ho tsy mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly, nefa ao indray no ahitana fitsipika momba ny fahadiovana. Vao mainka tena mahagaga ny hoe vao avy nandevozina sy notafihin’ny fahavalo matetika ary nentina ho babo imbetsaka ilay firenena,
nefa manana boky misy lalàna feno fahendrena sy voalanjalanja momba ny fahasalamana. Miaiky an’izany ireo manam-pahaizana momba ny fahasalamana, na dia ireo tena tsy liana amin’ny Baiboly aza, satria hoe bokim-pivavahana izy io.”—Ny Baiboly sy ny Fitsaboana Maoderina, Londres, 1953, p. 37.Tsy navelan’ny Lalàna nihinana kisoa sy bitrodia, ohatra, ny Israelita. (Le 11:4-8) Hoy ny Dr. Short momba izany: “Mihinana kisoa sy bitro ary bitrodia isika, nefa tena mitondra katsentsitra ireny biby ireny ary tsy azo antoka ny henany raha tsy masaka tsara. Mpihinana zavatra maloto ny kisoa ary misy kankana karazany roa ao aminy, izay mety hifindra amin’ny olombelona: Ny trichine, sy ny sakoitra. Tsy dia tena mampidi-doza ny henan’ireny biby ireny atỳ amintsika ankehitriny, fa tsy toy izany kosa ny tany Palestina fahiny ka tsara lavitra ny tsy nihinana azy ireny.”—Ny Baiboly sy ny Fitsaboana Maoderina, p. 40, 41.
Rehefa nankatò ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena sy ny firaisana ny Israelita dia nifandray tsara tamin’i Jehovah, sy nilamin-tsaina ary salama. (Ek 20:14; Le 18) Salama sy mandray soa toy izany koa ny Kristianina rehefa miezaka ny hadio fitondran-tena foana. (Mt 5:27, 28; 1Ko 6:9-11; Ap 21:8) Voaro amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ireo mankatò an’ireny fitsipika tena tsara ao amin’ny Baiboly ireny.
Nasain’i Paoly nisotro divay kely i Timoty, noho ny vavoniny sy noho ny tsy fahasalamany matetika. (1Ti 5:23) Hoy ny Dr. Salvatore Lucia, Profesora ao amin’ny Oniversite Fianarana ho Mpitsabo any Kalifornia: “Ampiasaina be ny divay mba hitsaboana an’ireo aretin’ny taovam-pandevonan-kanina. ... Misy an’ilay zavatra simika atao hoe tanin ao amin’ny divay. Mamono mikraoba koa ny divay. Ireo antony roa ireo no mahatonga ny divay ho azo itsaboana olona mangotika tsinay, voan’ny aretin-tsinay misy tsiloly, mitohana, mivalana, ary voan’ny areti-mifindra mpahazo ny lalan-kanina.” (Divay Atao Sakafo sy Fanafody, 1954, p. 58) Mazava ho azy fa “divay kely” no nasain’i Paoly nosotroin’i Timoty, fa tsy divay be, sady ny Baiboly rahateo manameloka ny fimamoana.—Oh 23:20; jereo FAHAMAMOANA.
Asehon’ny Soratra Masina fa misy vokany amin’ny fahasalamana ny fihetseham-po, na dia vao haingana aza ny mpikaroka no nahita izany. Hoy ny Ohabolana 17:22: “Ny fo falifaly dia sady mahasoa no manasitrana, fa ny fahakiviana kosa mahamaina taolana.” Misy voka-dratsiny tokoa ny fihetseham-po toy ny fialonana na fitsiriritana, tahotra, faniriana tsy mety afa-po, fankahalana, ary fitiavan-tena. Mahasoa kosa, ary matetika aza no manasitrana ny fananana fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, ary ny fifehezan-tena, izany hoe ny vokatry ny fanahy. (Ga 5:22, 23) Tsy milaza anefa ny Soratra Masina hoe avy amin’ny fihetseham-po ny aretina rehetra, sady tsy mandrara ny olona hankany amin’ny dokotera koa izy io. “Dokotera malala”, ohatra, no niantsoan’i Paoly an’i Lioka, ilay Kristianina tsy nivadika.—Kl 4:14.
Fanokanan-toerana. Milaza ny Lalàna fa izay olona nahiahina ho voan’ny areti-mifindra na tena voa tokoa dia tokony hatokan-toerana mandritra ny fotoana kelikely. Natokan-toerana fito andro ny olona, ny fitafiana, ary ny fitaovana hafa, na ny trano, mba hahitana raha voan’ny habokana tokoa. (Le 13:1-59; 14:38, 46) Naloto fito andro koa izay nikasika faty. (No 19:11-13) Tsy lazain’ny Soratra Masina anefa hoe noho ny antony ara-pahasalamana no nanaovana izany. Na ahoana na ahoana dia niaro ny olon-kafa izany raha sanatria ka voan’ny areti-mifindra ilay olona maty.
Marary ara-panahy. Nanota i Joda sy Jerosalema, ka azo lazaina hoe narary satria simba ny fifandraisany tamin’i Jehovah. (Is 1:1, 4-6) Niezaka nanasitrana ny olona ny mpitondra fivavahana tao Jerosalema, ary nilaza fa nisy fiadanana. (Je 6:13, 14) Sasa-poana anefa izy ireo satria tsy afaka nisakana ny nandravana an’ilay tanàna tamin’ny 607 T.K. Nampanantena i Jehovah fa hanasitrana an’i Ziona na Jerosalema (Je 30:12-17; 33:6-9), ary tanteraka izany rehefa nody an-tanindrazana ny sisa tamin’ny Jiosy tamin’ny 537 T.K.
Fantatr’i Jesosy Kristy fa narary ara-panahy ny mpanota, ka nampiany hitady an’i Jehovah izy ireo mba ho sitrana. Hoy àry izy tamin’ireo nanakiana azy hoe niara-nihinana sy nisotro tamin’ny mpamory hetra sy ny mpanota: “Tsy ny salama no mila dokotera, fa ny marary. Ary tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota mba hibebaka.”—Lk 5:29-32.
Resahin’ny Jakoba 5:13-20 ny fomba anasitranana ara-panahy ny olona iray eo anivon’ny fiangonana kristianina. Tsy aretina ara-bakiteny no resahiny satria ampifanoheriny ny hoe marary sy ny hoe falifaly. Hoy i Jakoba momba an’ireo dingana ilaina hatao mba ho sitrana sy momba ny vokatr’izany: “Misy marary [ara-panahy] ve aminareo? Aoka izy hiantso ny anti-panahin’ny fiangonana, ary aoka ireo hivavaka ho azy [mba handrenesany an’ilay vavaka ka hitenenany hoe “Amena” ho mariky ny fanekeny] sy hanosotra menaka azy [hampiasa ny Tenin’Andriamanitra mba hampaherezana sy hampiononana ary hamelombelomana azy, ka hahatonga azy ho tafaray indray amin’ny fiangonana (Sl 133:1, 2; 141:5)] amin’ny anaran’i Jehovah [ho mariky ny tsy fivadihana amin’i Jehovah sy mifanaraka amin’ny sitrapony]. Fa hanasitrana ilay marary [ara-panahy] ny vavaka atao amim-pinoana [ataon’ny anti-panahy ho an’ilay marary], ary i Jehovah hanarina azy [mba tsy ho kivy sy tsy hahatsapa intsony hoe nafoin’i Jehovah, satria hanatanjaka azy i Jehovah mba hizorany amin’ny lalan’ny fahamarinana sy ny fahitsiana (Fi 4:13)]. Raha nanota koa izy, dia havela ny helony [havelan’i Jehovah ny helony (Sl 32:5; 103:10-14), raha manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka sy ny anatra ary ny fanitsiana nomen’ny anti-panahy avy tao amin’ny Tenin’i Jehovah izy, ary mibebaka ka miova manaraka ny lala-mahitsy (Sl 119:9-16)].”
Rehefa marary. Mety hahavoa ny mpanankarena koa ny aretina. (Mpto 5:16, 17; ampit. Mt 16:26.) Misy olona manana hanim-pito loha nefa tsy afaka mankafy an’izany satria marary vavony na marary kibo. (Mpto 6:1, 2) Voalaza koa fa narary ara-bakiteny indraindray ny rahalahin’i Jesosy Kristy ara-panahy. (Mt 25:39, 40) Narary, ohatra, i Epafrodito, Timoty, ary Trofimo. (Fi 2:25-30; 1Ti 5:23; 2Ti 4:20) Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe nanasitrana an’ireny Kristianina ireny tamin’ny fomba mahagaga ny apostoly.
Rehefa marary ny mpanompon’i Jehovah, dia tsara raha mivavaka izy mba hananany herin-tsaina hahazakana an’ilay aretina sy hananany finoana matanjaka. Hanampy azy tsy hivadika izany mandritra ny fotoana mampahosa azy. “I Jehovah no hanohana [an’io olona io] eo amin’ny fandriana aharariany.”—Sl 41:1-3; jereo koa 1Mp 8:37-40.
Mandika ny lalàn’Andriamanitra anefa ny olona iray raha manaiky hampidiran-dra mba hitsaboana ny aretiny.—Ge 9:3, 4; As 15:28, 29; jereo RA.
Afaka manaisotra aretina i Jehovah. (Ek 15:26; 23:25; De 7:15) Nilaza i Isaia fa indray andro any dia “tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’” (Is 33:24) Nilaza koa izy fa ho sitrana ara-panahy ny jamba, ny marenina, ny malemy tongotra, ary ny moana. (Is 35:5, 6) Mampanantena ireo faminaniana ireo fa hisy koa ny fanasitranana ara-bakiteny. Nanasitrana ara-panahy sy ara-bakiteny i Jesosy Kristy tamin’izy teto an-tany. Nanatanteraka an’izao faminaniana momba ny Mesia izao àry izy: “Naka ny aretinay izy ary nitondra ny fanaintainanay.” (Mt 8:14-17; Is 53:4) Tsy ho nisy ireny fanasitranana ireny raha tsy teo ny fanaovana sorona ny ain’i Jesosy. Tsy maintsy niafara tamin’izany sorona izany ny fiainany nanomboka tamin’izy nilatsahan’ny fanahin’Andriamanitra tao amin’ny Reniranon’i Jordana tamin’ny taona 29. Manana antony marim-pototra àry ny Kristianina anantenana fa ho sitrana ny olona mankatò, ary tsy ho vetivety fotsiny fa hafahana mandrakizay amin’ny ota sy ny aretina ary ny fahafatesana nolovana avy tamin’i Adama. Manana porofo maro be koa izy ireo fa hanatanteraka izany i Jesosy Kristy natsangana tamin’ny maty sy ny Fanjakan’Andriamanitra. I Jehovah no tokony hoderaina noho izany rehetra izany. Nilaza mantsy i Davida fa Izy no “manasitrana ny aretinao rehetra.”—Sl 103:1-3; Ap 21:1-5.