Argoba
(Argôba) [Bainga].
1. Anisan’ireo lehilahy novonoin’i Peka niaraka tamin’i Pekahia mpanjakan’ny Israely tamin’ny taona 778 T.K. tany ho any. Gileadita 50 no nanampy an’i Peka tamin’io fanonganam-panjakana io.—2Mp 15:23-25.
2. Faritra iray tany Basana, izay azon’ny Israely tamin’izy ireo mbola tany atsinanan’i Jordana, ary lasa anjara tanin’ny fokon’i Manase. Toa tao no nisy ny fanjakan’i Oga. Voalaza fa nisy tanàna voaro mafy 60 sy tanàna kely maro be tany ambanivohitra tao amin’io faritra io. (De 3:4, 5, 13, 14) Io no “tanin’ny Refaima”, na tanin’ny olona goavam-be.
Any atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia no misy an’i Argoba. Maro no mihevitra azy io ho i Al-Ledja, ilay faritra rakotry ny ranoka volkano, tokotokony ho 32 km any atsimon’i Damaskosy. Voalazan’ny Deoteronomia anefa fa toerana feno tanàna kely any ambanivohitra izy io. Azo inoana kokoa àry hoe ilay lemaka mahavokatra any andrefan’i Al-Ledja izy io, any akaikikaikin’i Nahr al-Rokad, sy Nahr al-ʽAlan, ary Nahal Yarmok. Tsy nisy zavatra voajanahary niaro ny tanàna teny amin’io lembalemba midadasika io ka nilaina ireo “manda avo” resahin’ny Soratra Masina. Hita manerana an’i Basana ny sisa tavela tamin’ireny tanàna lehibe ireny.
Tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka kosa i Argoba dia anisan’ireo faritra 12 niadidian’ireo lehibem-paritra mpamatsy sakafo ny mpanjaka sy ny tao an-dapa.—1Mp 4:7, 13.