Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ariela

Ariela

(Arièla) [Fitoeran’afo eo Amin’ny Alitaran’Andriamanitra; na Lionan’Andriamanitra].

1. Lehilahy moabita, izay nanan-janaka roa lahy novonoin’i Benaria.​—2Sa 23:20; 1Ta 11:22.

2. Lehilahy anisan’ireo sivy lahy lohandohany nirahin’i Ezra hikaroka olona mahay mba ‘hanompo tao an-tranon’Andriamanitra.’ Tamin’ny lohataonan’ny taona 468 T.K. izany no nitranga, rehefa niomana hiala teo amin’ny reniranon’i Ahava ny lehilahy israelita 1500 notarihin’i Ezra, mba ho any Jerosalema.​—Ezr 8:15-17, 31.

3. Anarana mifono zava-miafina niantsoana an’i Jerosalema ao amin’ny Isaia 29:1, 2, 7. Tany Jerosalema ny tempolin’Andriamanitra izay nisy ny alitara fanaovana sorona. Izany no mahatonga an’ilay tanàna ho fitoeran’afo eo amin’ny alitaran’Andriamanitra. Tokony ho foiben’ny fivavahana marina tamin’i Jehovah koa io tanàna io. Nilaza loza anefa ny hafatra nampitain’ny Isaia 29:1-4, sady nilaza mialoha ny handravan’ny Babylonianina an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Amin’izay dia hiova ny fahazoana ny hoe “fitoeran’afo eo amin’ny alitara.” Hanjary hidika izy io hoe: Tanàna feno ra mandriaka sy kila forehitra, ary feno fatin’olona ringana tamin’ny afo. Lazain’ny andininy faha-9 ka hatramin’ny faha-16 ny anton’ilay loza. Araka ny Isaia 29:7, 8 anefa, dia tsy nahatratra ny tena tanjony ireo firenena tamin’izy ireo nandrava an’i Jerosalema.