Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Arkanjely

Arkanjely

Avy amin’ny teny grika hoe ark (filoha na lehibe indrindra) sy hoe aggelôs (anjely). Midika hoe filohan’ny anjely na anjely lehibe indrindra àry ny hoe arkanjely, ka iray ihany izy io. Tsy amin’ny endriny milaza maro mihitsy ny hoe “arkanjely” ao amin’ny Baiboly. Manana toerana ambony sy fahefana lehibe ilay arkanjely, izay tsy iza fa i Jesosy Kristy Tompo tafatsangana tamin’ny maty. Hoy mantsy ny Baiboly: “Ny Tompo mihitsy amin’izay no hidina avy any an-danitra ka hanome baiko mafy amin’ny feon’arkanjely sady hihazona ny trompetran’Andriamanitra. Koa izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana voalohany.” (1Te 4:16) Tsy mahagaga àry raha Mikaela no hany anarana iantsoana an’ilay “arkanjely.”​—Jd 9; jereo MIKAELA No. 1.