Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Arkelaosy

Arkelaosy

(Arkelôsy) [Mpitondra Vahoaka].

Zanakalahin’i Heroda Lehibe tamin’i Maltasy vadiny fahefatra. Lasa mpanjakan’i Jodia i Arkelaosy tamin’i Jesosy sy Josefa ary Maria tany Ejipta. Fantatr’i Josefa fa mpitondra nanao didy jadona i Arkelaosy, ka rehefa niverina avy tany Ejipta ny ankohonany, dia nentiny nonina tany Nazareta tany Galilia, tany ivelan’ny faritra niadidian’i Arkelaosy.​—Mt 2:22, 23.

Nanao didim-pananana i Heroda Lehibe, ka nomeny an’i Arkelaosy zanany ny fitondrana an’i Jodia, Samaria, ary Idomea. Tafiditra tamin’izany àry ireo tanàna lehibe toa an’i Jerosalema, Samaria, Jopa, ary Kaisaria. Avo roa heny noho ny anjaran’ireo zanany roa lahy hafa tsirairay io nomeny an’i Arkelaosy io. Niezaka mafy niaro ny fahefany i Arkelaosy, rehefa maty i Heroda, ka niseho teo anatrehan’i Aogosto tany Roma izy. Na teo aza ireo nanohitra azy, anisan’izany ny rahalahiny sy ny solontenan’ny Jiosy, dia navela hitondra ihany izy, saingy tsy nataon’i Aogosto ho mpanjaka fa governora, izany hoe andriana nandoa haba, izay ambony kokoa noho ny lehibem-paritra. Nilaza anefa i Matio hoe ‘mpanjaka’ i Arkelaosy. Niantso azy hoe mpanjaka mantsy ny tafika teo an-toerana.​—Rakitry ny Ela Jiosy, nosoratan’i F. Josèphe, XVII, 194, 195 (viii, 2).

Mpitondra nahery setra i Arkelaosy, sady halan’ny Jiosy. Namono Jiosy 3000 teo an-tokotanin’ny tempoly izy, indray mandeha, mba hitsaharan’ny rotaka. Indroa izy no nanala mpisoronabe tamin’ny toerany. Nisara-panambadiana izy ary nanambady indray, nefa nifanohitra tamin’ny lalàna jiosy izany. Nitaraina tany amin’i Aogosto ny Jiosy sy ny Samaritanina, ka nisy fanadihadiana natao. Noroahina teo amin’ilay tany àry i Arkelaosy tamin’ny taona fahasivy na fahafolo nitondrany. Governora romanina no nitondra an’i Jodia taorian’izay.​—Jereo HERODA No. 1 sy 2.