Arkita
(Arkìta).
1. Taranak’i Hama avy tamin’i Kanana, ary iray tamin’ireo fianakaviana 70 taorian’ny Safodrano. (Ge 10:17; 1Ta 1:15) Nanorim-ponenana tany amin’ny morontsirak’i Mediterane, any andrefan’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona, izy ireo.
2. Mety ho olona anisan’ny foko kananita tsy fantatra mazava. Azo inoana kokoa anefa hoe fianakaviana na fianakaviambe iray be mpahalala tany Atarota, any atsimoandrefan’i Betela, ny Arkita. (Js 16:2) ʽEin ʽArik no anaran’ny tanàna iray any andrefan’i Betela, ka misy milaza fa avy amin’io anarana io ny hoe Arkita, na io ihany no porofo fa tena nisy izy ireo. Arkita i Hosay, mpanolo-tsain’i Davida, izay tsy nivadika taminy.—1Ta 27:33; jereo HOSAY.