Arobota
(Arobòta) [Varavarankely].
Tanàna nitantanana raharaham-panjakana. Niandraikitra azy io ny lehibem-paritra iray tamin’ireo 12 notendren’i Solomona Mpanjaka hamatsy sakafo ny mpanjaka sy ny tao an-dapany. Tany Arobota ny zanak’i Haseda no niasa ary niandraikitra an’i Soko sy Hefera. (1Mp 4:7, 10) Misy milaza an’i Arobota ho i ʽArraba ankehitriny, any akaikin’i Dotana ary tokotokony ho 14 km any avaratr’i Samaria, izany hoe tao amin’ny faritanin’i Manase.