Aroda
(Arôda), Arodita (Arôdìta).
Iray amin’ireo zanakalahin’i Gada, ary ny anarany no voatonona fahenina. Anisan’ireo niaraka tamin’ny fianakavian’i Jakoba tany Ejipta izy tamin’ny 1728 T.K. Izy no lohan’ny fianakavian’ny Arodita, izay voasoratra anarana tamin’ny fanisam-bahoaka tany an-tany efitra tamin’ny 1473 T.K.—Ge 46:8, 16; No 26:17.