Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aroera

Aroera

(Aroèra) [Hazo Zenevrie].

1. Tanàna amoron-tevana, teo amin’ny ilan-tevana avaratra izay nanamorona ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona. Tamin’ny fotoana nanafihan’ny Israely an’ilay tany (t. 1474 T.K.) dia i Aroera no tanàna farany atsimo tamin’ny fanjakan’ny Amorita. (De 2:36; 4:47, 48; Js 12:2) Lasan’ny fokon’i Robena i Aroera na dia ny fokon’i Gada aza no voalaza fa nanorina (na nanorina indray) azy io. (No 32:33, 34; De 3:12; Js 13:8, 9, 15, 16; 1Ta 5:8) Nampiavaka ny sisin-tany atsimon’i Israely tany atsinanan’i Jordana izy io, tsy misy hafa amin’i Beri-sheba, izay tanàna lehibe tany atsimo koa, saingy tany andrefan’i Jordana.

Rehefa 300 taona teo ho eo no nipetrahan’ny Israelita tao, dia nilaza ny Amonita fa azy ireo ny faritra teo anelanelan’i Arnona sy Jaboka ka notakiny. Tsy nanaiky anefa i Jefta Mpitsara ka nasehony fa avy tamin’ny Amorita no nahazoan’ny Israely an’io tany io, ary anisan’izany i Aroera.​—Mpts 11:13, 22, 26.

Toa tao Aroera no niainga ireo nasain’i Davida Mpanjaka nanao fanisam-bahoaka, dia nianavaratra tany Dana-jana, ka nivily tany Tyro sy Sidona, ary nianatsimo tany Beri-sheba any Negeba. (2Sa 24:4-8) Ilay “tanàna izay eo afovoan’ilay lohasaha falehan-driaka” dia mitovy amin’izay resahin’ny Deoteronomia 2:36 sy Josoa 13:9, 16 ihany. Misy mihevitra an’io tanàna io ho i Kirbet el-Medeiyineh, tokotokony ho 11 km any atsimoatsinanan’i Aroera.

Tamin’ny andron’i Jeho mpanjakan’ny Israely (t. 904-877 T.K.), dia lasan’i Hazaela mpanjakan’i Syria ny tanin’i Gada sy Robena, hatrany atsimo tany Aroera any Arnona. (2Mp 10:33) Tamin’izay fotoana izay angamba i Mesa mpanjaka moabita no nanamafy an’ilay tanàna sy nanao lalana tao Arnona, araka ny lazain’ny andalana faha-26 ao amin’ny Vato Moabita. Ny Moabita no nifehy an’i Aroera, tamin’i Jeremia naminany ny didim-pitsarana hanjo an’i Moaba.​—Je 48:19.

Misy milaza an’i Aroera ho i Kirbet ʽAraʽir, tokotokony ho 23 km any atsinanan’ny Ranomasina Maty, ary 6 km eo ho eo any atsimoatsinanan’i Dibona, sady akaikin’ny Lalamben’ny Mpanjaka, izay mampitohy ny any avaratra sy ny any atsimon’ny ilany atsinanan’i Jordana. Mbola hita any ny sisa tavela tamin’ny tanàna voaro mafy fahiny, izay tsara toerana eo amoron’ny tevan’ilay hadilanana lehibe, ka nahafahana nanara-maso an’izay nivezivezy tao Arnona.

2. Tanàna tao amin’ny tanin’i Gada, izay voalaza fa “tandrifin’i Raba” (Amman ankehitriny), renivohitra amonita. (Js 13:24, 25) Mety ho io ihany ilay Aroera lazain’ny Mpitsara 11:33 hoe resin’i Jefta tamin’izy niady tamin’ny Amonita. Tsy tena fantatra ny toerana nisy an’ilay tanàna satria tsy voafaritra tsara ny dikan’ny hoe “tandrifin’i”, na dia matetika aza izy io no midika hoe “any atsinanan’i.”

3. Tanàna tany amin’ny faritra atsimon’ny tanin’i Joda. Nozarain’i Davida tamin’ny anti-panahin’io tanàna io ny zavatra sasany nobaboiny rehefa resiny ireo Amalekita mpanafika. (1Sa 30:26, 28) Misy mihevitra azy io ho i Kirbet ʽArʽarah (Horvat ʽAroʽera), tokotokony ho 17 km any atsimoatsinanan’i Beri-sheba, ary misy sisa tavela amin’ny tanàna voaro mafy fahiny ao. Misy manam-pahaizana milaza fa mety ho ilay “Adada” resahin’ny Josoa 15:22 ihany io Aroera io, saingy ireo litera hebreo roa hoe dalet (ד) no samy nosoloana ho litera rehsh (ר).

Mety ho i Aroera No. 1 na No. 2 ny “tanànan’i Aroera” resahin’ny Isaia 17:2. I Damaskosy no tena resahin’ilay faminaniana, ka mety ho ny farany atsimo indrindra tamin’ny faritra azon’ny Syrianina tany atsinanan’i Jordana no tiana horesahina eo satria efa resin’izy ireo hatrany Aroera any Arnona ny Israely.​—2Mp 10:33.