Aroerita
(Aroerìta) [An’i Aroera].
Mponina avy tany amin’iray amin’ireo tanàna nantsoina hoe Aroera. Lazain’ny 1 Tantara 11:44 fa Aroerita i Hotama rain’i Sama sy Jeiela, anisan’ny lehilahy maherin’i Davida. Mety ho tany amin’ny tanin’i Joda ny tanàna niavian’i Hotama satria afaka niaraka tamin’i Davida ireo zanany lahy ireo.—Jereo AROERA No. 3.