Artema
(Artemà).
Mpiara-miasa tamin’i Paoly. Nikasa ny haniraka an’i Artema tany amin’i Titosy tany Kreta i Paoly (Tit 3:12), angamba mba hisolo an’i Titosy tany, ka hahafahany hankany amin’i Paoly tany Nikopolia. Nilaza i Paoly tamin’izay fa haniraka an’i Artema na i Tykiko izy. Azo inoana fa matoa izy afaka nifidy toy izany, dia satria tsara laza koa i Artema. Tsara laza mantsy i Tykiko, raha jerena ny tenin’i Paoly ao amin’ny Efesianina 6:21, 22.