Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Arvada

Arvada

(Arvàda).

Niresaka momba an’ireo olona avy any Arvada i Ezekiela, ao amin’ilay hira fisaonana an’i Tyro. Nilaza izy fa mpivoy mahay tao amin’ny tafika an-dranomasin’i Tyro izy ireo, sady mpiady mahery fo. (Ezk 27:8, 11) Maro no mihevitra fa ilay nosy kely be harambato atao hoe Arwad no Arvada. Tokony ho 3 km avy eo amin’ny morontsiraka avaratr’i Syria no misy azy io, 186 km eo ho eo avaratra avaratratsinanan’i Tyro. Ny taranak’i Kanana no nonina tany Arvada.​—Ge 10:15, 18.