Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asa, I

Asa, I

(Àsa).

1. Mpanjaka fahatelo tao Joda, rehefa nizara ho fanjakana roa ny firenen’Israely. Zanak’i Abiama (Abia) i Asa ary zafikelin’i Rehoboama. Nanjaka 41 taona (977-937 T.K.) izy.​—1Mp 15:8-10.

Nafana fo tamin’ny fivavahana madio. Nanompo sampy be mihitsy ny fokon’i Joda sy Benjamina, nandritra ireo 20 taona nanaraka ny nizaran’ny firenen’Israely ho fanjakana roa. Nafana fo tamin’ny fivavahana madio, “sahala amin’i Davida razambeny”, anefa i Asa ka sahiny ny nanafoana an’ireo lehilahy mpivaro-tenan’ny tempoly sy ireo sampy teo amin’ilay tany. Nesoriny tsy ho andriambavy (noheverina ho ny vehivavy ambony indrindra) teo amin’ilay tany i Maka renibeny, satria nanao “sampy mahatsiravina” nivavahana tamin’ny tsato-kazo masina, na Aseraha. Nodorany koa ilay sampy.​—1Mp 15:11-13.

Milaza ny 2 Tantara 14:2-5 fa ‘nesorin’i Asa ireo alitaran’ny firenen-kafa sy ireo toerana avo, nopotehiny ireo tsangambato masina, ary nokapainy ireo tsato-kazo masina.’ Milaza kosa ny 1 Mpanjaka 15:14 sy ny 2 Tantara 15:17 fa ‘tsy mba nesorin’i Asa ireo toerana avo.’ Mifanohitra ve izany? Mety ho ireo toerana avo nampiasaina tamin’ny fanompoan-tsampy tao Joda no resahin’ny 2 Tantara 14:2-5, fa ireo toerana avo nanompoan’ny olona an’i Jehovah kosa no resahin’ny 1 Mpanjaka 15:14. Na dia taorian’ny nananganana ny tranolay masina sy ny tempoly aza mantsy, dia mbola nisy fotoana nanaovana sorona ho an’i Jehovah teny amin’ny toerana avo. Neken’i Jehovah ireny sorona ireny indraindray, ohatra hoe ireo natolotr’i Samoela sy Davida ary Elia. (1Sa 9:11-19; 1Ta 21:26-30; 1Mp 18:30-39) Ilay toerana nofidin’i Jehovah ihany anefa no tokony hanaovana sorona. (No 33:52; De 12:2-14; Js 22:29) Mety ho mbola nisy ihany ny nivavaka teny amin’ny toerana avo, na dia efa nesorina aza ireo nampiasaina tamin’ny fanompoan-tsampy. Angamba tsy nesorin’i Asa daholo izy rehetra. Nahoana? Mety hoe tsy tena narisika intsony izy, tsy toy ny tamin’izy nanaisotra ny toerana nanaovana fanompoan-tsampy. Na koa mety hoe nesoriny daholo ireo toerana avo, saingy niverina indray izy ireny tatỳ aoriana, ary tsy vitany ny nanala azy talohan’ny nifaranan’ny fanjakany. I Josafata, izay nandimby azy, àry no nandrava tanteraka azy ireny.

Notahin’i Jehovah i Asa noho izy nafana fo tamin’ny fivavahana marina, ka tsy nisy niady taminy nandritra ireo folo taona voalohany nanjakany. (2Ta 14:1, 6) Notafihin’i Zera Etiopianina sy ny miaramilany iray tapitrisa anefa ny Joda, tatỳ aoriana. Na dia maro be noho ny miaramilan’i Asa aza izy ireo, dia nivoaka hiady taminy i Asa ka tonga hatrany Maresa, 38 km teo ho eo any andrefana atsimoandrefan’i Jerosalema, any amin’ny faritra iva any Joda. Nivavaka mafy izy talohan’ilay ady, ka niaiky fa mahavita mamonjy azy Andriamanitra. Nitalaho àry izy hoe: “Ianao no ianteheranay, ary amin’ny anaranao no ahatongavanay eto hiady amin’io vahoaka io. Jehovah ô, ianao no Andriamanitray! Aza avela handresy anao ny olombelona mety maty.” Fandresena miezinezina no vokatr’izany!​—2Ta 14:8-15.

Nihaona tamin’i Asa i Azaria mpaminany, taorian’izay, ary nampahatsiahy azy hoe: ‘Momba anareo foana i Jehovah, raha momba azy ianareo, fa raha mahafoy azy kosa ianareo, dia hafoiny koa.’ Nampahatsiahiviny an’i Asa koa ny ady namely an’ilay firenena tamin’izy ireo niala tamin’i Jehovah. Nampirisihiny àry izy mba ho be herim-po ka hanaraka foana ny fivavahana madio. (2Ta 15:1-7) Nanao zavatra avy hatrany i Asa ary nampirisika an’ilay firenena hanompo tsara an’i Jehovah. Inona no vokany? Olona maro be avy tamin’ilay fanjakana tany avaratra no nankany Jerosalema mba hanatrika fivoriambe iray, tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Asa (963 T.K.). Nanao fifanekena izy ireo tamin’izay fa hitady an’i Jehovah, ary hovonoina ho faty izay tsy manaja an’ilay fifanekena.​—2Ta 15:8-15.

Nanao tetika sy niady tamin’i Basa. Te hanakana an’izay naniry hiverina tany Joda i Basa mpanjakan’ny Israely, ka nanamafy ny tanànan’i Rama. Teo amin’ny sisin-tany nanasaraka ny Israely sy Joda mantsy i Rama, ary tsy maintsy nandalovana raha ho any Jerosalema satria teo avaratra keliny teo. Tsy niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah i Asa tamin’ity indray mandeha ity. Angamba nanao izay saim-pantany fotsiny izy na nisy nanoro vohony. Naleony nifampiraharaha tamin’ny firenen-kafa, ary nanao tetika izy sy io firenena io mba hampihemotra ny tafik’i Basa. Nataony tsolotra ho an’i Beni-hadada I mpanjakan’i Syria ny zava-tsarobidy tao amin’ny tempoly sy tao an-dapa. Nasainy notafihin’i Beni-hadada ireo tanàna teo amin’ny ilany avaratra amin’ny sisin-tanin’ny Israely, mba tsy hifantohan’i Basa tamin’ilay fanorenana tao Rama. Nanaiky i Beni-hadada, ka najanon’i Basa ilay fanorenana ary nesoriny tao Rama ny tafiny. Nangonin’i Asa ny vatan-dehilahy rehetra tao Joda avy eo, mba haka ny fitaovam-panorenana rehetra nampiasain’i Basa, ary ireny no nanorenany an’i Geba sy Mizpa.​—1Mp 15:16-22; 2Ta 16:1-6.

Nibedy an’i Asa i Hanany mpahita, noho izy tsy niantehitra intsony tamin’ilay Andriamanitra nanampy azy handresy ny Etiopianina, izay nanana tafika lehibe. Nampahatsiahy azy koa i Hanany hoe: “Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.” Hoy izy avy eo tamin’i Asa: “Hadalana mihitsy izany nataonao izany, ka hisy hiady aminao foana manomboka izao.” Tezitra i Asa ka nogadrainy i Hanany, ary nampijaly olon-kafa koa izy.​—2Ta 16:7-11.

Milaza ny 2 Tantara 16:1 fa nanafika an’i Joda i Basa “tamin’ny taona fahenina amby telopolo nanjakan’i Asa.” Misalasala momba izany anefa ny olona sasany, satria tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Asa i Basa vao nanomboka nanjaka ary 24 taona monja ny fotoana nanjakany, izany hoe nifarana 10 taona teo ho eo talohan’ilay taona faha-36 nanjakan’i Asa. (1Mp 15:33) Misy milaza fa fahadisoan’ny mpanao dika soratra ilay izy, ka tokony hoe ny taona faha-16 na 26 nanjakan’i Asa. Azo ampifanarahina tsara anefa ireo andininy ireo, fa tsy voatery hoe nisy fahadisoana. Eken’ireo Jiosy mpivaofy teny ny voalazan’ny boky Seder Olam hoe nisaina nanomboka tamin’ny fotoana nizaran’ilay firenena, ka nampisy ny fanjakan’ny Joda (997 T.K.), ilay taona faha-36. Nifanitsy tsara tamin’ny taona faha-16 nanjakan’i Asa àry ilay taona faha-36 (I Rehoboama nanjaka 17 taona, i Abia nanjaka 3 taona, ary i Asa teo amin’ny faha-16 taona nanjakany). (Ireo Bokin’ny Baiboly Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino, Londres, 1952, f.a.p. eo amin’ny 2Ta 16:1) Nitovy hevitra tamin’izany koa ny Arseveka Ussher. Toa mifanohitra koa ny 2 Tantara 15:19, izay milaza fa “tsy nisy ady intsony hatramin’ny taona fahadimy amby telopolo [raha ny marina, dia ny taona faha-15] nanjakan’i Asa”, sy ny 1 Mpanjaka 15:16 izay milaza fa “nisy ady teo amin’i Asa sy Basa mpanjakan’ny Israely, nandritra ny androm-piainan’izy ireo.” Mety hidika anefa izany fa rehefa nanomboka niady ireo mpanjaka roa ireo, dia tsy nitsahatra intsony, araka ny efa nolazain’i Hanany.​—2Ta 16:9.

Narary ary maty. Nijaly i Asa nandritra ny telo taona farany niainany, satria narary tongotra (angamba godro). Tsy hendry izy ka ny fifandraisany tamin’i Jehovah no nataony sorona mba hahasitrana azy. Maty izy ary nalevina tao amin’ny fasana namboariny tao amin’ny Tanànan’i Davida. Mendri-kaja ny fandevenana azy.​—1Mp 15:23, 24; 2Ta 16:12-14.

Marina fa tsy hendry i Asa indraindray sady tsy nandinika tsara. Maro anefa ny toetra tsarany ary tsy nivadi-pinoana izy, ka izany no nisongadina kokoa noho ny fahadisoana nataony, ary noheverina ho anisan’ireo mpanjaka tsy nivadika tao Joda izy. (2Ta 15:17) Nandritra ireo 41 taona nanjakany, dia ireto mpanjaka valo ireto no nifandimby tao amin’ny fanjakan’ny Israely: Jeroboama, Nadaba, Basa, Elaha, Zimry, Omry, Tibny (mpanjaka nifandrafy tamin’i Omry ary nanjaka tamin’ny faritra iray teo amin’ny Israely), ary Ahaba. (1Mp 15:9, 25, 33; 16:8, 15, 16, 21, 23, 29) I Josafata zanany no lasa mpanjaka, rehefa maty i Asa.​—1Mp 15:24.

2. Zanakalahin’ny Levita iray atao hoe Elkana, ary rain’i Berekia, izay anisan’ireo nonina tany amin’ny “tanàna kelin’ny Netofatita” taorian’ny sesitany tany Babylona.​—1Ta 9:16.