Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asa eny Am-pamoloana

Asa eny Am-pamoloana

Fivelezana salohim-bary mba hampihintsana ny voany. Tsorakazo na hazo kelikely no nikapohana ny salohy teo amin’ny tany na tao amin’ny lavaka famiazam-boaloboka, raha kely ny vokatra na madinika ireo voa (toy ny komina), na nila niafina an’ireo fahavalo ny mpively.​—Mpts 6:11; Rt 2:17; Is 28:27.

Teny am-pamoloana anefa no tena fivelezana salohy. Toerana avo marin-tampona (mety ho vato na tany mafy be) sy azon-drivotra izy io. Boribory ilay izy, ary nahatratra hatramin’ny 15 m ny savaivony. Mety ho nisy famoloana maromaro tsy nisy tompony teny akaikin’ny tanàna, ka azon’ny rehetra nampiasaina. Naparitaka teo amin’ilay toerana ny salohina vary orza na varimbazaha (miavosa eo amin’ny 30-46 sm eo ho eo ny fahita ankehitriny), izay be mpamboly any Palestina. Nohitsakitsahin’ny omby na biby hafa nihodinkodina teo ireo salohy, ka tapatapaka ny tahom-bary ary nihintsana ny voany. Tsy nasiana fehivava ireo biby niasa teny am-pamoloana.​—De 25:4; Ho 10:11; 1Ko 9:9, 10.

Vita haingana kokoa ny asa ary be kokoa ny voa nihintsana, rehefa nampiasana fitaovana fanosihosena fa tsy biby fotsiny. (Is 41:15; Am 1:3) Hazo fisaka mavesatra natambatambatra ny fitaovana nampiasaina tatỳ aoriana, ary nisy vato na vy maranitra ny fanambaniny. Ny hafa kosa rafitra hazo nisy kodiarana vy mafonja nopetahana antsy izay nikapa sy nitetika an’ireo tahom-bary. Be kokoa ny tahom-bary voatapaka rehefa nampiasaina ireo fitaovana ireo, indrindra fa rehefa niampy ny lanjan’ilay olona nitaingina teo amboniny.​—Ampit. Is 28:28.

Nokororohina ny tahom-bary rehefa avy notapatapahina teny am-pamoloana sy navadibadika imbetsaka.​—Jereo FIKOROROHANA.

Malalaka sy marin-tampona ny famoloana, ka nampiasaina tamin-javatra hafa koa. Natao teo amin’ny famoloana tao Atada akaikin’i Jordana, ohatra, ny fombafomba fisaonana an’i Jakoba. (Ge 50:10, 11) Noho ny tenin’i Jehovah, dia novidin’i Davida ny famoloan’i Araona (Ornana). Teo izy no nanorina alitara sy nanao sorona ho an’i Jehovah. (2Sa 24:16-25; 1Ta 21:15-28) Teo koa no naorina ny tempolin’i Solomona. (2Ta 3:1) Natao teo amin’ny famoloana teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’i Samaria ny seza fiandrianan’i Josafata sy Ahaba, fony izy ireo nikaon-doha hiady tamin’i Syria.​—1Mp 22:10.

Heviny an’ohatra. Homontsamontsanin’i Jehovah toy ny tahom-bary eny am-pamoloana ny fahavalony. (Is 41:15; Je 51:33; Mi 4:12, 13; Ha 3:12) Azo ilazana ny fandripahana ataon’olona koa ny fanosihosena eny am-pamoloana. (2Mp 13:7) Toy ny fanavahana ny vary amin’ny akofa no hanavahan’i Jehovah ny olo-marina amin’ny ratsy fanahy. (Mt 3:12) Ilazana fahavokarana sy fitahian’i Jehovah kosa ny hoe be ny vokatra eny am-pamoloana sy hoe maharitra ela ny asa eny.​—Le 26:5; Jl 2:24.