Asana
(Asàna) [mety hidika hoe Setroka].
Tanàna tany Sefela na faritra iva any Joda. An’i Joda izy io tamin’ny voalohany, nefa nomena an’i Simeona tatỳ aoriana satria lehibe loatra ny tanin’i Joda. (Js 15:42; 19:7, 9; 1Ta 4:32) Nomena ho an’ny Levita fianakavian’ny Kehatita indray izy io avy eo. (1Ta 6:54, 59) Lazain’ny 1 Samoela 30:30 fa rehefa resin’i Davida ny Amalekita dia anisan’ny tanàna nandefasany zavatra azo babo i “Borasana”, izay heverina ho i Asana ihany. “Aina” fa tsy Asana no resahin’ny Josoa 21:16 izay misy ny lisitr’ireo tanàna nomena ny Kehatita, toy ny ao amin’ny 1 Tantara 6:59. Mety ho Aina-asana àry ny anarana fenon’ilay tanàna, hoy Ireo Bokin’ny Baiboly Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino (Londres, 1950).
Maro no mihevitra azy io ho i Kirbet ʽAsan, tokotokony ho 2,5 km any avaratrandrefan’i Beri-sheba ankehitriny, mifanila amin’i Nahal ʽAsana. I Yohanan Aharoni kosa anefa mihevitra azy io ho i Tel Bet Mirsham, 25 km any avaratra avaratratsinanan’i Beri-sheba.