Asan’ny Apostoly
Anaran’ny boky iray ao amin’ny Baiboly efa hatramin’ny taonjato faharoa. Ny asa fitoriana nataon’ny apostoly Petera sy Paoly no tena resahin’izy io. Tantarainy koa hoe niforona ny fiangonana kristianina, ary tsy ela dia nisy Jiosy, Samaritanina, ary hafa firenena lasa Kristianina. Feno tsipiriany sy azo itokisana ilay fitantarana.
Resahina imbetsaka ao ny amin’ny Fanjakan’i Jehovah, izay loha hevitry ny Baiboly. (As 1:3; 8:12; 14:22; 19:8; 20:25; 28:31) “Nitory tamin’ny fomba feno” momba an’i Kristy sy ilay Fanjakana foana ireo apostoly, ka nanatanteraka tsara ny fanompoany. (2:40, f.a.p.; 5:42; 8:25; 10:42, f.a.p.; 20:21, 24, f.a.p.; 23:11, f.a.p.; 26:22; 28:23, f.a.p.) Voaresaka ao koa ireo zava-nitranga tamin’ny fotoana nanoratana an’ireo taratasy anisan’ny Soratra Grika Kristianina.
Mpanoratra. Ny Filazantsaran’i Lioka “ilay fitantarana voalohany” voalaza eo am-piandohan’ny Asan’ny Apostoly. Samy nosoratana ho an’i Teofilo ireo boky roa ireo. I Lioka àry no nanoratra ny Asan’ny Apostoly, na dia tsy nitonona anarana aza izy. (Lk 1:3; As 1:1) Mitovy koa ny fomba fanoratra sy teny nampiasaina ao amin’izy ireo. Resahin’ny Ampahana Kôdeksa Hitan’i Muratori natao tamin’ny faramparan’ny taonjato faharoa fa i Lioka no nanoratra ny Asan’ny Apostoly. Naka teny tao amin’io boky io koa i Irénée avy any Lyon, Clément avy any Aleksandria, ary Tertullien avy any Carthage, rehefa nanoratra ny tantaran’ny Eglizy tamin’ny taonjato faharoa, ary nilaza fa i Lioka no nanoratra azy io.
Fotoana sy toerana nanoratana azy. Naharitra 28 taona teo ho eo ny fotoana voaresaka ao, nanomboka tamin’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra tamin’ny taona 33, ka hatramin’ny faramparan’ny taona faharoa nigadran’i Paoly tany Roma tamin’ny 61 tany ho any. Nifandimby nanjaka tany Roma tamin’izany i Tiberio, Caligula, Klaodio ary Néron. Resahin’ilay boky ny zava-nitranga tamin’ny taona faharoa nigadran’i Paoly tany Roma, ka tsy maintsy ho taorian’izay izy io vao vita. Ho nitantara zavatra hafa nataon’i Paoly koa i Lioka raha nosoratany tatỳ aoriana kokoa ilay boky. Raha taorian’ny taona 64 kosa izy no nanoratra, dia ho noresahiny hoe nanenjika mafy ny Kristianina i Néron. Ary raha marina ny filazana hoe taorian’ny taona 70 ilay izy no nosoratana, dia tokony ho voatantara ao ny nandravana an’i Jerosalema.
Saika niaraka tamin’i Paoly foana i Lioka, na tamin’ilay dia nampidi-doza nankany Roma aza, matoa izy nilaza hoe “izahay” sy “anay.” (As 16:10-17; 20:5-15; 21:1-18; 27:1-37; 28:1-16) Noresahin’i Paoly tao amin’ireo taratasy nosoratany tany Roma koa fa tany i Lioka. (Kl 4:14; Flm 24) Tany Roma àry i Lioka no nahavita ny fanoratana ny Asan’ny Apostoly.
Hitan’i Lioka ny ankamaroan’ny zavatra notantarainy. Nifandray tamin’ny mpiara-mpanompo nahita na niaina ny zava-nitranga sasany notantarainy koa izy. Mety ho i Jaona Marka, ohatra, no nilaza taminy hoe nafahana tamin’ny fomba mahagaga tao am-ponja i Petera. (As 12:12) I Filipo misionera kosa no mety ho nitantara taminy ireo zava-nitranga resahin’ny toko faha-6-8. I Paoly indray afaka nitantara tsipiriany be dia be momba izay nitranga rehefa tsy tafaraka izy roa lahy.
Marina. Zavatra maromaro hitan’ireo mpikaroka no manaporofo fa marina ny fitantaran’ny Asan’ny Apostoly. Milaza, ohatra, ny Asan’ny Apostoly 13:7 fa governoram-paritr’i Sipra i Sergio Paolo. Fantatra ankehitriny fa manamboninahitra governora no nitondra an’i Sipra, taloha kelin’ny nahatongavan’i Paoly tany. Lasa nofehezin’ny governoram-paritra notendren’ny Antenimieran-doholona Romanina mivantana anefa i Sipra, araka ny soratra iray hita tany. Faritany nofehezin’ilay Antenimiera mivantana koa i Akaia tany Gresy, tamin’ny andron’i Aogosto Kaisara. Lasa teo ambany fahefan’i Tiberio anefa izy io, rehefa nitondra i Tiberio. Lasa nofehezin’ilay Antenimiera indray izy io tamin’ny andron’i Klaodio Mpanjaka, hoy i Tacite. Noresahin’ny ampahana soratra nalefan’i Klaodio ho an’ny mponin’i Delphes tany Gresy fa governoram-paritra i Galio. Marina àry ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly 18:12 hoe “governoram-paritra” i Galio, fony i Paoly tany Korinto renivohitr’i Akaia. (Jereo GALIO.) Porofoin’ny soratra eo amin’ny andohalambo iray any Tesalonika (misy ampahany any amin’ny Tranombakoka Britanika) koa, fa nisy tokoa nanana anaram-boninahitra hoe “lehiben’ny tanàna” (gr.: pôlitarkas, “governoran’ny olom-pirenena”), na dia tsy noresahin’ny mpanoratra fahiny aza izany.—As 17:8.
Mbola any Atena ny Areopago, na Havoanan’i Marsa, izay nitorian’i Paoly. (As 17:19) Mitovy amin’ny teny fampiasan’ny mpanoratra grika momba ny fitsaboana tamin’izany koa ny ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Marina koa ny hoe nandeha an-tongotra, nitaingin-tsoavaly, na nitaingina kalesy notarihin-tsoavaly (23:24, 31, 32; 8:27-38), na nandeha sambo (21:1-3; 27:1-5) ny olona tany Israely sy ny firenena manodidina azy tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nandeha lavitra. Tsy nisy familiana ny sambo tamin’izany fa fivoy lehibe roa no namiliana azy. Marina àry ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly 27:40. Marina tsara koa ny fitantarana momba ny nandehanan’i Paoly an-tsambo nankany Roma (27:1-44), anisan’izany ny faharetany, ny halaviran-dalana, ary ireo toerana nolalovana, hoy ny tantsambo ankehitriny mahay an’ilay faritra.
Neken’ireo nanao ny lisitry ny boky anisan’ny Soratra Masina (taonjato faharoa-taonjato fahefatra) hoe avy amin’ny fanahy masina ny Asan’ny Apostoly. Misy ampahany amin’izy io sy ampahany amin’ny Filazantsara efatra ao amin’ny sora-tanana Papyrus Chester Beatty No. 1 (P45) natao tamin’ny taonjato fahatelo. Misy ampahany amin’ny toko faha-18 sy 19 kosa ny sora-tanana Michigan No. 1571 (P38) natao tamin’ny taonjato fahatelo na fahefatra, ary ampahany amin’ny toko faha-4-6 ny sora-tanana Aegyptus No. 8683 (P8) natao tamin’ny taonjato fahefatra. Naka teny tao amin’ny Asan’ny Apostoly i Polycarpe avy any Smyrna (t. 115), Ignace avy any Antiokia (t. 110), ary Clément avy any Roma (angamba efa tamin’ny 95). Nohamafisin’i Athanase sy Jérôme ary Augustin tamin’ny taonjato fahefatra koa, fa tao anatin’ny lisitr’ireo boky nekena ho anisan’ny Soratra Masina ny Asan’ny Apostoly.
[Efajoro, pejy 211]
HEVITRA MISONGADINA: ASAN’NY APOSTOLY
Niforona ny fiangonana kristianina ary be zotom-po ny mpitory na dia notoherina mafy aza
Fotoana voaresaka: Taona 33-t. 61
Rehefa hiakatra any an-danitra i Jesosy no naniraka ny mpianany ho vavolombelona hanambara hoe izy no Mesia (1:1-26)
Sahy nitory tamin’ny fiteny maro ny mpianatra rehefa nahazo ny fanahy masina (2:1–5:42)
Nitoriana tamin’ny fiteniny avy ny Jiosy avy any an-tany hafa tonga tao Jerosalema; 3 000 teo ho eo no natao batisa
Nosamborina i Petera sy Jaona; teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy; sahy nilaza hoe tsy hitsahatra hitory
Feno fanahy masina ny mpianatra rehetra ka sahy nitory ny tenin’Andriamanitra; maro no lasa mpino
Nosamborina ireo apostoly; nafahan’ny anjely; nilaza teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy hoe: ‘Andriamanitra no tsy maintsy ankatoavinay’
Niely ny asa fitoriana noho ny fanenjehana (6:1–9:43)
Nosamborina i Stefana; sahy nitory; maty maritiora
Niparitaka izay rehetra nenjehina afa-tsy ny apostoly; nisy nitory tany Samaria; natao batisa ilay tandapa etiopianina
Nisehoan’i Jesosy i Saoly mpanohitra; niova izy, natao batisa, ary lasa mpitory be zotom-po
Nitoriana koa ny hafa firenena tsy mifora, noho ny fitarihan’Andriamanitra (10:1–12:25)
Nitory tamin’i Kornelio sy ny havany aman-tsakaizany i Petera; lasa mpino izy ireo, nahazo ny fanahy masina, ary natao batisa
Nazoto nitory tany amin’ny firenen-kafa ny mpianatra nahare izany
Dia misionera nataon’i Paoly (13:1–21:26)
Voalohany: Nankany Sipra, Azia Minora. Nitory ampahibemaso sy tany amin’ny synagoga i Paoly sy Barnabasy; voaroaka tao Antiokia; nirotahan’ny olona tao Ikonioma; noheverina ho andriamanitra tao Lystra; notoraham-bato i Paoly
Nalamin’ny filan-kevi-pitantanana ilay adihevitra momba ny famorana; nirahina i Paoly sy Barnabasy hampahafantatra hoe tsy ilaina intsony ny famorana, fa hofadina kosa ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy sy ny ra ary ny fijangajangana
Faharoa: Nitety an’i Azia Minora, nankany Makedonia sy Gresy. Nogadraina tao Filipy; natao batisa ilay mpiambina fonja sy ny ankohonany; nampisahotaka vahoaka ny Jiosy tao Tesalonika sy Beria; nitory tao amin’ny synagoga, teny an-tsena, ary teo amin’ny Areopago i Paoly tao Atena; nitory herintaona sy tapany tao Korinto
Fahatelo: Azia Minora, Gresy. Nahita vokatra tao Efesosy, nefa tezitra ireo mpanefy volafotsy; nananatra anti-panahy
Nosamborina i Paoly, nitory tamin’ny manam-pahefana, nentina tany Roma (21:27–28:31)
Nirotahan’ny vahoaka tao Jerosalema; teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy
Nigadra nefa sahy nitory tamin’i Feliksa, Festosy, Heroda Agripa II, ary nitory teny ambony sambo nankany Roma
Gadra tany Roma, nefa nahita fomba itoriana foana