Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asdoda

Asdoda

(Asdòda).

Iray tamin’ireo tanàn-dehibe dimy nofehezin’ny ‘andriana mpiray dinan’ny’ Filistinina. Tao no foiben’ny fivavahana tamin’i Dagona, andriamanitry ny Filistinina. I Gata, Gaza, Askelona ary Ekrona ireo tanàn-dehibe hafa. (Js 13:3) Maro no mihevitra fa i Esdoda (Tel Asdoda) no Asdoda fahiny, 6 km eo ho eo atsimo atsimoatsinanan’i Asdoda ankehitriny izay eo amoron-tsiraka.

Ny Josoa 11:22 no miresaka voalohany an’i Asdoda. Voalaza ao fa tao Asdoda sy Gaza ary Gata no nonenan’ireo sisa tavela tamin’ny Anakita goavam-be. Tsara toerana ho an’ny toby miaramila i Asdoda, satria somary avo toerana sady nandalovan’ny lalana falehan’ny tafika avy tany Ejipta izay nanaraka ny morontsiraka ary namakivaky an’i Palestina. Nomena ny fokon’i Joda izy io sy ireo tanàna kely nanodidina azy, rehefa azon’ny Israelita ny Tany Nampanantenaina. (Js 15:46, 47) Anisan’ireo “mponina teny amin’ny lemaka iva” tsy voaroakan’ny fokon’i Joda anefa ny mponina tao Asdoda, “satria nanana kalesin’ady nisy lelan’antsy.”​—Mpts 1:19.

Toa tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka ireo tanàna filistinina no tena natanjaka. Efa resin’ny Filistinina tao Ebenezera ny Israelita, talohan’ny nanjakan’i Saoly. Azon’izy ireo babo koa ny Vata misy ny fifanekena, ka nentiny tany Asdoda. Napetrany tao amin’ny tempolin’i Dagona ilay izy, teo akaikin’ny sarivongan’ilay andriamaniny. Nalam-baraka indroa tamin’ny fomba mahagaga anefa ny sarin’i Dagona. Voan’ny hemoroida koa ny Asdodita ka nisahotaka. Novorina àry ireo andriana mpiray dinan’ny Filistinina, ka tapaka ny hevitra fa hafindra any Gata ilay Vata. Lasa voan’ny hemoroida koa anefa ny mponina tao. Naverina tany Israely àry ilay Vata rehefa afaka fito volana, ary nampiarahina tamin’ny fanatitra vita amin’ny volamena.​—1Sa 5:1–6:18; jereo FILISTIA, FILISTININA.

Resin’i Davida Mpanjaka imbetsaka ny Filistinina. Mbola nahaleo tena foana anefa ireo tanàn-dehibe filistinina hatramin’ny andron’i Ozia Mpanjaka (829-778 T.K.). Nampanamboatra “fitaovam-piadiana” (2Ta 26:15) i Ozia. Hoy ny 2 Tantara 26:6: “Nivoaka niady tamin’ny Filistinina izy, ka nogorobahany ny mandan’i Gata sy ny mandan’i Jabne ary ny mandan’i Asdoda. Avy eo dia nanorina tanàna tany amin’ny faritr’i Asdoda sy tany amin’ny Filistinina izy.”

Tsy teo ambany fifehezan’ny Jodianina foana anefa i Asdoda. Milaza mantsy ny soratra tatỳ aoriana fa nesorin’i Sargona II mpanjaka asyrianina tsy ho mpanjaka tao i Azori ka nosoloany an’i Ahimiti. Nikomy anefa i Filistia, ka notafihin’i Sargona. Azony àry i Gata, “Asdodo” (Asdoda) ary “Asdodimo” (Asdoda Amoron-dranomasina, izay toerana teny amoron-tsiraka). Izay angamba ilay fanafihana resahin’ny Isaia 20:1 sy ilay fahatanterahan’ny Amosa 1:8. Nilaza koa i Hérodote (II, 157) tamin’ny taonjato fahadimy T.K. fa nataon’i Farao Psamtika (Psametika) fahirano nandritra ny 29 taona i Asdoda (Azotos).

Nampanao iraizotongotra vato i Sankeriba mpanjakan’i Asyria. Voalazan’izy io fa nitondra fanomezana sarobidy ho azy i “Mitinti avy any Asdoda” sady nanoroka ny tongony. Hoy koa izy momba an’i Hezekia mpanjakan’ny Joda (745-717 T.K.): “Ireo tanànany norobaiko dia nomeko an’i Mitinti, mpanjakan’i Asdoda.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 287, 288) Toa efa tsy dia natanjaka intsony i Asdoda tamin’ny andron’i Jeremia (taorian’ny 647 T.K.), matoa izy nilaza hoe “izay sisa ao Asdoda.” (Je 25:20) Nilaza koa i Nebokadnezara (izay nanomboka nanjaka tamin’ny 624 T.K.) fa anisan’ireo nigadra tao an-dapan’i Babylona ny mpanjakan’i Asdoda.​—Ampit. Ze 2:4.

Mbola nisy mpanohitra an’ireo Israelita foana tao Asdoda, taorian’ny sesitany. (Ne 4:7) Nisy Jiosy nanambady vehivavy asdodita, ka niteny mafy azy ireny i Nehemia. “Niteny asdodita” ny zanak’izy ireny, ary “tsy nisy nahay fiteny jiosy ny ankizy rehetra.” (Ne 13:23, 24) Notafihin’i Jodasy Makabeo i Asdoda (na Azotos na Azota, Kat.) mpanompo sampy tamin’ny 163 T.K. tany ho any, tamin’ny fotoana nitondran’ny Makabeo. Nanafika an’i Asdoda fanindroany i Jonatana rahalahin’i Jodasy tamin’ny 148 T.K. tany ho any, ary nodorany ny tempolin’i Dagona.​—1 Makabeo 5:68; 10:84.

Naminany i Zakaria hoe ho lasan’ireo hafa firenena i Asdoda. Tsy hisy mponina na mpanjaka filistinina intsony ao, matoa nilaza izy hoe: “Zazasary no hipetraka ao Asdoda.”​—Za 9:6.

Naorin’ny Romanina indray ilay tanàna tamin’ny 55 T.K. tany ho any, ary ilay anarany grika hoe Azotos no nahafantarana azy. Resahin’ny Asan’ny Apostoly 8:40 fa nandalo tany Asdoda i Filipo tamin’izy nitety tanàna mba hitory.