Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asera

Asera

(Asèra) [Sambatra; Fahasambarana].

1. Zanakalahin’i Jakoba. Izy no faha-8 amin’ireo zanany lahy rehetra, fa faha-2 amin’ireo roa lahy naterany tamin’i Zilpa mpanompovavin’i Lea. (Ge 35:26) I Gada irery àry no rahalahin’i Asera iray tam-po aminy. Voalaza ao amin’ny 1 Tantara 7:30 fa niteraka efa-dahy sy vavy iray i Asera. Tsy voalaza kosa ny anaran’ny vadiny. Tsy dia nalaza i Asera tamin’izy 12 lahy zanak’i Jakoba. Naminany i Jakoba rainy, taloha kelin’ny nahafatesany, fa hiadana amin’ny sakafo be i Asera. (Ge 49:20) Asehon’ny tantara fa tanteraka tamin’ny taranany izany.

2. Anaran’ny foko taranak’i Asera. Nisy 41 500 ny lahy rehetra tao amin’ny fokon’i Asera rehefa nisaina izy ireo, herintaona taorian’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. (No 1:41) Lasa 53 400 izy ireo, 39 taona taorian’izay. Ny fokon’i Asera àry no foko fahadimy lehibe indrindra. (No 26:47) Rehefa nitoby ny Israely, dia teo avaratry ny tranolay masina no nisy ny fokon’i Asera, niaraka tamin’ny fokon’i Dana sy Naftaly.​—No 2:25-30.

Naminany koa i Mosesy, talohan’ny nidirana tao Kanana, fa tsy hanan-java-mahory ireo anisan’ny fokon’i Asera. Toy ny hoe “hanatsoboka ny tongony ao amin’ny menaka” izy ireo. (De 33:24, 25; ampit. Jb 29:6.) Ny anjara lovan’izy ireo dia ny lemaka amoron-tsiraka nanamorona ny Ranomasina Mediterane, nanomboka teo ambanin’ny tanànan’i Dora, teo atsimon’ny Tendrombohitra Karmela, ary niakatra hatrany Sidona tany amin’ny sisin-tanin’i Palestina tany avaratra. (Js 17:7-11; 19:24-31) Anisan’izy io ny faritra sasany lonaka indrindra nanerana an’i Israely, izay faritra nanirian’ny oliva be menaka sy voankazo maro hafa azo anaovana sakafo matsiro ho an’ny mpanjaka. (Ge 49:20; De 33:24) Ny faritanin’i Zebolona sy Naftaly no teo amin’ny sisin-tany atsinanana tamin’ny faritanin’i Asera, ary ny faritanin’i Manase sy Isakara no teo atsimo sy atsimoatsinanana.

Miresaka momba an’i Asera ny Josoa 17:7, ary voalaza fa teo amin’ny sisin-tanin’ny fokon’i Manase no nisy azy io. Miverina eo amin’ny andininy faha-10 koa ny hoe Asera, ary hita mazava tsara eo fa ny faritanin’ny fokon’i Asera no tiana holazaina.