Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Askelona

Askelona

(Askelôna) [Mety hidika hoe Toerana Fandanjana (Fandoavam-bola)].

Tanàna nisy seranan-tsambo teo amoron’ny Ranomasina Mediterane, ary anisan’ireo tanàn-dehibe dimy tany Filistia. Antsoina hoe Askelonita (Prot.) ny mponina tao. (Js 13:3) Misy mihevitra azy io ho ʽAskalan (Tel Askelona), 19 km eo ho eo avaratra avaratratsinanan’i Gaza. Teo am-pototry ny harambato miendrika kianja boribory misolampy ilay tanàna. Lonaka be ny faritra ambanivohitra any izao, ka mamokatra paoma sy aviavy ary tongolo kely.

Nomena ny fokon’i Joda i Askelona, ka notafihiny ary azony. Vetivety ihany anefa no toa nifehezany azy io. (Mpts 1:18, 19) Tanànan’ny Filistinina mantsy izy io tamin’ny andron’i Samsona sy Samoela. (Mpts 14:19; 1Sa 6:17) Notononin’i Davida ilay tanàna, tamin’izy nitomany ny nahafatesan’i Saoly sy Jonatana. (2Sa 1:20) Tsy anisan’ireo tanàna filistinina voababon’i Ozia Mpanjaka izy io.​—2Ta 26:6.

Naminany i Amosa (t. 804 T.K.) fa ho resy ny mpitondra tao Askelona. (Am 1:8) Milaza ny tantara fa nofehezin’i Tiglato-pilesera III mpanjakan’i Asyria i Askalona (Askelona), tamin’ny taonjato fahavalo T.K. Nanambara faminaniana roa momba an’i Askelona koa i Jeremia (taorian’ny 647 T.K.). Mety ho tanteraka tamin’ny fotoana nandroban’i Nebokadnezara an’ilay tanàna, tamin’izy nanomboka nanjaka (t. 624 T.K.), ny Jeremia 47:2-7. Ny Jeremia 25:17-20, 28, 29 kosa tanteraka taorian’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Nilaza koa ny faminanian’i Zefania (nosoratana talohan’ny 648 T.K.) fa ho rava i Askelona sy ny tanàna filistinina hafa, ka ny sisa amin’ny taranak’i Joda no honina “ao amin’ireo trano ao Askelona.” (Ze 2:4-7) Nanambara kosa i Zakaria tamin’ny 518 T.K. tany ho any, fa hisy loza hanjo an’i Askelona rehefa rava i Tyro (332 T.K.).​—Za 9:3-5.