Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asna

Asna

(Asnà).

1. Lohan’ny fianakaviambe iray anisan’ny Netinima. Niverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Zerobabela ny taranany sasany tamin’ny 537 T.K., taorian’ny sesitany tany Babylona. (Ezr 2:1, 50) Misy lisitra mitovy amin’io ao amin’ny Nehemia 7:52 saingy tsy voatonona ao ireo taranak’i Asna ireo.

2. Tanànan’i Joda tany Sefela, ary tanisaina miaraka amin’ny tanàna hafa toa an’i Estaola sy Zora. (Js 15:33) Misy milaza azy io ho ny tanàna kelin’i ʽAslin, eo anelanelan’i Estaola sy Zora, eo amin’ny sisin’ny lemak’i Joda akaikin’ny morontsiraka.

3. Tanànan’i Joda hafa iray anisan’ny tanàna sivy niaraka notanisaina, ary atsimo kokoa noho ilay Asna No. 2. (Js 15:43) Tsy tena fantatra ny toerana nisy azy io. Misy mihevitra azy io ho i Idhna, eo anelanelan’i Hebrona sy Lakisy, ary tokotokony ho 8 km any atsinanana atsimoatsinanan’i Maresa izay anisan’ireo tanàna sivy koa.