Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asnapara

Asnapara

(Asnapàra).

Anarana hita ao amin’ny ampahany amin’ilay bokin’i Ezra (4:10) nosoratana tamin’ny teny aramianina. Fanafohezana ny anaran’ilay mpanjaka asyrianina hoe Asorobanipala izy io, saingy nosoloana r ilay l farany tamin’ilay anarana. Tsy nisy litera l mantsy ny teny aramianina fahiny toy ny teny persianina tamin’izany. Nafindran’i Asnapara tany Samaria ny mponin’i Sosa (renivohitr’i Elama). (Ampit. 2Mp 17:24-28.) Rehefa jerena ny tantara, dia i Asorobanipala ihany no mpanjaka asyrianina afaka nanao izany.

Zanakalahin’i Esara-hadona (Ezr 4:2) i Asorobanipala, izany hoe zafikelin’i Sankeriba. Niara-belona tamin’i Manase mpanjakan’ny Joda (716-662 T.K.) izy. Anisan’ireo mpanjaka 20 teo ho eo nandoa hetra tamin’i Asyria i Manase, araka ny hita teo amin’ilay iraizotongotra (tanimanga misy soratra) nataon’i Asorobanipala. (Ampit. 2Ta 33:10-13.) Tamin’ny fotoana nitondran’i Asorobanipala no tena nandroso i Asyria. Toa telo na efa-taona talohan’ny nahafatesan-drainy izy dia efa voatendry handimby azy. Lasa mpanjakan’i Asyria àry izy rehefa maty ny rainy, fa i Shamash-shom-o-kin rahalahiny kosa lasa mpanjakan’i Babylona.

Nampitsahatra fikomiana tany Ejipta i Asorobanipala, ka resiny sy noravany ny tanànan’i Thèbes (No-amona; ampit. Na 3:8-10). Tatỳ aoriana, dia niady nandritra ny taona maro izy sy ilay rahalahiny nanjaka tao Babylona. Resiny ihany i Babylona, ary noravany avy eo i Sosa, renivohitr’i Elama. Iny fandresena iny no mahatonga ny mpahay tantara hilaza fa i Asorobanipala ihany ilay Asnapara ao amin’ny Ezra 4:9, 10.

Liana tamin’ny asa soratra i Asorobanipala, ka izy irery ihany no toy izany tamin’ireo mpanjaka asyrianina nasiaka sy lozabe. Nahita efitra lehibe iray nitehirizany soratra sy takela-tanimanga 22 000 teo ho eo teo amin’ny toerana nisy an’i Ninive ireo mpikaroka, nanomboka tamin’ny taona 1845. Teny niverimberina sy tonom-bavaka ary hiram-pivavahana no teo amin’ireny soratra miendri-pantsika an’arivony ireny. Noresahin’izy ireny koa ny momba ny tantara, jeografia, astronomia, matematika, fitsaboana, fitsipi-pitenenana, ary momba ny fifanekena ara-barotra sy entana lafo ary vola nampindramina. Sarobidy tokoa izy ireny satria ahalalana zavatra maro momba an’i Asyria.