Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aso

Aso

(Asô).

Tanàna nisy seranana tany Mysia, teo amoron-tsiraka avaratra tamin’ny Hoalan’i Adramytena, izany hoe anisan’i Azia izay faritany romanina. Behramkale ankehitriny no anarany, fa Behramköy izy taloha.

Nijanona tao Troasy ny apostoly Paoly, tamin’izy niverina ho any Jerosalema, tamin’ny dia misionera fahatelo nataony. Tamin’izy tao Troasy, dia nirahiny handeha sambo ho any Aso i Lioka sy ny namany, fa izy kosa nikasa hanatratra azy ireo tany. Tsy maintsy nihodidina ny Tanjona Baba (Lectum) ilay sambo vao tonga tany Aso, izay tao ambadik’ilay tendrontany nisy an’i Troasy ihany. Fohy kokoa àry ny lalana nandehanan’i Paoly an-tongotra (32 km teo ho eo), ka tonga ara-potoana tao Aso ihany izy mba haka an’ilay sambo nandehanan-dry Lioka. Nankany Mitylena izy ireo avy eo, teo amin’ny nosy Lesbos izay teo atsimon’i Aso.​—As 20:6, 13, 14.