Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Astarta, I

Astarta, I

(Astàrta).

Andriamanibavin’ny Kananita ary angamba vadin’i Bala. Vehivavy mitanjaka manana fivaviana ngezabe ny sarin’i Astarta matetika. Nivavahan’ny firenena fahiny maro izy io, ary be mpanana ny anarana hoe Astarta na ny mitovitovy aminy. Azo inoana fa andriamanibavin’ny ady izy io tamin’ny Filistinina, matoa napetraka tao amin’ny tempoly nisy ny sariny ny fiadian’i Saoly Mpanjaka, rehefa resy izy. (1Sa 31:10) Andriamanibavin’ny fahavokarana anefa no tena nahalalana an’i Astarta. Ny fanaranam-po tamin’ny firaisana no nampiavaka ny fivavahana taminy tao amin’ny tempoly na toerana avo natokana ho an’i Bala sy nanompoan’ireo mpivaro-tena lahy sy vavy.​—Jereo KANANA, KANANITA No. 2 (Azon’ny Israelita i Kanana).

Toa efa nisy nivavaka tamin’i Astarta tany Kanana tamin’ny andron’i Abrahama, matoa nisy tanàna nantsoina hoe “Astarta-karnaima” tany. (Ge 14:5) Voaresaka ao amin’ny Baiboly koa ny tanànan’i Astarta, izay nonenan’i Oga, lehilahy goavam-be mpanjakan’i Basana. Mety ho foiben’ny fivavahana tamin’i Astarta io tanàna io.​—De 1:4; Js 9:10; 12:4.

Ao amin’ilay fitantarana momba ny fivadiham-pinoan’i Solomona Mpanjaka tamin’ireo taona faramparany nanjakany, no ahitana voalohany ny teny hoe ʽashtôret (Astarta) amin’ny endriny milaza tokana ao amin’ny Baiboly. Nanomboka nivavaka tamin’i Astarta andriamanibavin’ny Sidonianina ny Israelita tamin’izay. (1Mp 11:5, 33) Tsy ahitana an’ilay endriny milaza tokana intsony, raha tsy ao amin’ilay fitantarana momba ny nandravan’i Josia Mpanjaka an’ireo toerana avo naorin’i Solomona ho an’i Astarta sy ny andriamani-kafa. (2Mp 23:13) Mety ho ny sarin’io andriamanibavy io ilay hoe ʽashtarôht (“ireo sarin’i Astarta”, TV; “ireo Astarta”, Prot.) amin’ny endriny milaza maro.​—Mpts 2:13; 10:6; 1Sa 7:3, 4.