Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asyria

Asyria

(Asyrì).

Anarana niantsoana an’ilay faritra tany amin’ny farany avaratry ny lemak’i Mezopotamia, na ilay tapany avaratra indrindra amin’ilay tany fantatra ankehitriny hoe Irak. Anelanelana renirano roa no nisy azy io: I Tigra no teo andrefany ary Zab Kely no teo atsimony. Ny tendrombohitra tany Armenia kosa no sisin-taniny tany avaratra, ary ny Tandavan-tendrombohitra Zagros sy ny tanin’i Media no tany atsinanany. Niovaova be ihany anefa ireo sisin-taniny ireo. Nitatra hatrany atsimon’i Zab Kely mantsy ny sisin-tanin’i Asyria rehefa nihena ny herin’i Babylona. Nihakely kosa ny tanin’i Asyria rehefa i Babylona indray no natanjaka kokoa. Niovaova be koa ny sisin-taniny hafa, indrindra fa ny teo amin’ny Reniranon’i Tigra. Nitatra hatrany andrefan’io renirano io mantsy taloha ny tanin’i Asyria. Nidadasika be noho izany mihitsy aza ny Fanjakana Asyrianina, rehefa nandeha ny fotoana.​—SARINTANY, Boky 1, p. 954.

Nifandray akaiky foana i Asyria sy Babylona. Firenena roa nifanila mantsy izy ireo, ary tsy nisy renirano na tendrombohitra nanasaraka ny taniny. Faritra be havoana sy mikitoantoana anefa i Asyria, ary nangatsiaka kokoa noho i Babylonia. Navitribitrika sy nahery setra kokoa noho ny Babylonianina ny mponina tany. Aseho ho toy ny lehilahy matanjaka, zarazara hoditra, matevim-bolomaso sy be volombava ary lava orona izy ireny, eo amin’ny sary sokitra.

I Asyra, tany andrefan’i Tigra, no voalaza fa renivohitr’i Asyria, tany am-boalohany. I Ninive anefa no lasa renivohiny nalaza indrindra, na dia nisy fotoana aza nataon’ny mpitondra asyrianina sasany ho renivohitra koa i Kala sy Korsabada. Namakivaky ny faritra avaratr’i Asyria ny lalana fivezivezen’ny entam-barotra nankany amin’ny Ranomasina Mediterane sy Azia Minora. Nisy lalana hafa koa nivily nankany Armenia sy ny faritry ny Farihy Ormia. Ny hahazo na hifehy an’ireo lalana fivezivezen’ny entam-barotra ireo no tena nahatonga an’ireo Asyrianina hiady foana.

Tafika. Nanana tafika mahery i Asyria, ary hita amin’ny sarin’ireo fandreseny fa tena lozabe sy tsy nety afa-po ny Asyrianina. (SARY, Boky 1, p. 958) Nitantara ny nanasaziany an’ireo tanàna nikomy taminy ilay mpanjaka mpiady atao hoe Asoronasirpala. Hoy izy:

“Nanangana andry nanoloana ny vavahadin’ny tanànany aho. Nendahako ny hoditr’ireo lohandohany rehetra nikomy, ary namonosako an’ilay andry izany. Nisy nogadraiko tao anatin’ilay andry, fa ny sasany kosa nahantoko tamin’ny tsato-kazo teo ambonin’ilay andry ... Notapahiko koa ny rantsambatan’ireo tandapa nikomy. ... Maro tamin’ireo azoko babo no nodorako, ary betsaka koa no nataoko sambo-belona. Nisy tamin’izy ireo notapahiko ny tanany sy ny rantsantanany, ary ny hafa kosa notapahiko ny orony, ny sofiny, ary ny rantsantanany(?). Nopotsiriko koa ny voamason’ny ankamaroany. Natambatro ho lasa andry iray ireo velona, ary nataoko toy izany koa ny loha maromaro. Nofatorako tamin’ireo vatan-kazo nanodidina ny tanàna ny lohan’ny sasany. Nodorako ny tovolahy sy ny tovovavy ... Nisy lehilahy roapolo nosamboriko ary naleviko velona tao amin’ny rindrin’ny lapany. ... Ny sisa tamin’izy ireo [tamin’ireo miaramila mpiady] kosa navelako ho fatin’ny hetaheta tany amin’ny efitr’i Eofrata.”​—Tantara Fahiny Momba An’i Asyria sy Babylonia, nataon’i D. Luckenbill, 1926, Boky I, p. 145, 147, 153, 162.

Fahita tamin’ireo sary mivohitra, ny Asyrianina mitaritarika olona babo amin’ny tady nasiana farango naraikitra tamin’ny orona na molotra. Fahita koa ny olona babo nopotsirina voamaso tamin’ny lefona. Fanaon’ireo mpiady asyrianina àry ny nampijalijaly olona tamin’ny fomba nahatsiravina. Nireharehany mihitsy izany, sady noraketiny an-tsoratra tsara! Tonga dia raiki-tahotra ireo olona notafihiny raha vao nahare ny lazany, ka matetika no resy tsy niady. Nety tsara àry ny niantsoan’i Nahoma mpaminany an’i Ninive, renivohitr’i Asyria, hoe “toeran’ny liona” sy “tanàna mpandatsa-dra.”​—Na 2:11, 12; 3:1.

Inona no fivavahan’ny Asyrianina?

Maro be tamin’ny zavatra ninoan’ny Asyrianina no nolovany tamin’ny Babylonianina. Marina fa noheverin’ny Asyrianina ho ambony indrindra i Asyra andriamaniny. Mbola i Babylona ihany anefa tamin’izy ireo no tena foiben’ny fivavahany. Ny mpanjaka asyrianina no mpisoronaben’i Asyra. Manana loha telo i Asyra andriamanitra, araka ny sary eo amin’ilay tombo-kase hitan’i A. Layard tao amin’ny lapa asyrianina iray efa rava, ary voatahiry ankehitriny any amin’ny Tranombakoka Britanika. Nampiavaka ny fivavahana asyrianina ny finoana andriamanitra telo mitambatra na dimy mitambatra. Ireto telo ireto mitambatra no andriamanitra lehibe indrindra nivavahan’izy ireo: Anou, na andriamanitra lanitra; Bela, na andriamanitry ny faritra onenan’ny olona sy ny biby ary ny vorona; ary Ea, na andriamanitry ny rano etỳ ambonin’ny tany sy any ambanin’ny tany. Andriamanitra telo mitambatra koa i Sîn, andriamanitra volana; Shamash, andriamanitra masoandro; ary Ramana, andriamanitry ny oram-baratra (na matetika kokoa Ishtar, mpanjakavavin’ny kintana). (Ampit. 2Mp 23:5, 11.) Eo koa ireo andriamanitra dimy, izay tsy inona fa planeta dimy. Hoy ny Diksionera Ara-baibolin’i Unger (1965, p. 102) momba ireo andriamanitra telo mitambatra: “Toa ampifandimbiasina asandratra ho ambony ny tsirairay amin’ireo andriamanitra ireo indraindray, arakaraka izay iantsoana azy.” Nisy andriamanitra maro be tsy dia nalaza koa anefa nivavahan’ny Asyrianina, ary maro tamin’izy ireny no noheverina ho mpiaro tanàna. Voalaza, ohatra, fa nivavaka tamin’i Nisroka i Sankeriba, tamin’ny fotoana namonoana azy.​—Is 37:37, 38.

Sary sokitra avy tao amin’ilay lapa avaratra, tao Ninive. Miara-mifaly ao an-jaridaina ny mpanjaka sy ny vadiny; misy lohana mpanjaka resy mihantona eo amin’ilay hazo manoloana an’ilay mpitendry harpa

Nino ny Asyrianina fa manana fanahy ny zavatra rehetra hita maso, ary misy fanahy mifehy ny zava-mitranga rehetra eo amin’ny natiora. Nivavaka tamin’ny natiora toy ny nataon’ireo firenena nanodidina azy koa izy ireo, saingy ny ady no fomba tena nanehoany fa mpivavaka izy ireo. (SARY, Boky 1, p. 956) Hoy i Tiglato-pilesera I momba ny ady nataony: “I ASORO Tompoko no nandrisika ahy hiady.” Nitantara toy izao koa i Asorobanipala: “Nandidy ahy hanafika an’i Miny i ASORO sy SÎN ary SHAMAS, ireo andriamanitra lehibe sy tompo mpiaro ahy, ary nandresy aho.” (Tantara Fahiny: Ireo Tsangambato Asyrianina sy Ejipsianina, Londres, Boky Faha-5, p. 18; 1877, Boky Faha-9, p. 43) Niangavy an’i Ishtar hanampy azy foana i Sargona, isaky ny handeha hiady. Nialoha an’ireo miaramila ny famantarana an’ireo andriamaniny. Nety ho vita tamin’ny hazo na vy ireo famantarana, ary napetaka teny an-tendron’ny tsato-kazo. Tena zava-dehibe tamin’ny Asyrianina ny fambara hitany tamin’ny fandinihana ny atin’ireo biby natao sorona, ny fanidin’ny vorona, na ny toeran’ireo planeta. Hoy ilay boky Tanàna Fahiny nataon’i W. Wright (1886, p. 25): “Raharaham-pirenena ny ady, ary tsy nitsahatra nampirisika hiady ny mpisorona. Ny zavatra azo babo no tena nanohanana ny asan’izy ireo. Nisy ampahany efa voafaritra tsara natokana ho azy ireo, izay vao nomena ny anjarany ny hafa. Mpivavaka be mantsy io firenena mpandroba io.”

Kolontsaina, asa soratra, ary lalàna. Nanorina lapa ngezabe ny Asyrianina, ary nopetahany sary sokitra ny rindrin’izy ireny. Izay zava-nitranga mihitsy no natao sary, toy ny ady na ny fiaimpiainana tamin’ny fotoanan’ny fandriampahalemana. Noravahana sarivongana ombilahy manan’elatra sy lohan’olona ny fidirana teo amin’ireo lapa. Vongana vatosokay milanja 36 taonina ireny sarivongana ireny. Ahitana soratra sy sary vita sokitra be tsipiriany ny tombo-kase miendrika varingarina nampiasain’ny Asyrianina. (Jereo ARKEOLOJIA.) Hita amin’ny taozavatra vitany fa efa tena nahay nampiasa sy nanamboatra vy izy ireo. Nanao lakandrano sy nampiasa fomba fanondrahana voly ireo mpanjaka. Nanana valan-javaboary nisy zavamaniry sy hazo ary biby avy any an-tany hafa koa izy ireo. Matetika no nisy kabine sy fantsona fivarinan’ny rano maloto ary fanariana fako tao an-dapany.

Kalesy asyrianina handeha hiady sady mitondra famantarana ara-pivavahana

Ampahana rindrina avy tany Nimroud ahitana miaramila asyrianina mitondra an’ireo andriamanitr’ilay tanàna resiny

Nisy efitra lehibe koa nitehirizan’ny mpanjaka asyrianina sasany tanimanga misy soratra miendri-pantsika an’aliny natao teo amin’ny takelaka sy iraizotongotra ary varingarina. Miresaka momba ny zava-nitranga niavaka teo amin’ny tantaran’i Asyria ireny soratra ireny. Resahiny koa ny momba ny fivavahana, ny lalàna ary ny raharaham-barotra. Misy lalàna sasany anefa ahitana fa tena lozabe tokoa ny firenena asyrianina. Notapahina, ohatra, ny rantsambatan’olona nahavita heloka bevava sasany. Notapahina koa ny sofin’izay andevovavy tratra nisaron-doha teny imasom-bahoaka. Tsy narovan’ny lalàna koa ny vehivavy manambady, araka ny hita amin’ity lalàna ity: “Ankoatra ireo sazy azo ampiharina amin’ny vehivavy manambady voalazan’ilay takelaka, dia azon’ny lehilahy atao koa ny mikapoka ny vadiny sy ny misintona ny volony, ary ny manataka sy mandratra ny sofiny. Tsy melohin’ny lalàna izy raha manao izany.”​—Fiainana Andavanandro Tany Babylonia sy Asyria, nataon’i H. Saggs, 1965, p. 152.

Fitantaran’ny Baiboly sy tantaran’ilay firenena. Ny Genesisy 2:14 no miresaka voalohany momba an’i Asyria ao amin’ny Baiboly. Noresahin’i Mosesy ao fa ny Reniranon’i Hidekela (Tigra) no iray tamin’ireo sampana efatr’ilay renirano “nivoaka avy tao Edena”, ary ‘nankany atsinanan’i Asyria’ izy io tamin’ny androny.​—Ge 2:10.

I Asyra, zanakalahin’i Sema, no niavian’ilay anaran-tany hoe Asyria. (Ge 10:22) Toa ny taranak’i Sema àry no voalohany nonina tany, taoriana kelin’ny Safodrano. Tsy ela anefa dia tonga nanorim-ponenana tany koa ry Nimroda, zafikelin’i Hama, ka nanorina an’i “Ninive sy Rehobota-ira sy Kala, ary Resena izay teo anelanelan’i Ninive sy Kala: Izany no tanàna lehibe.” (Ge 10:11, 12; ampit. Mi 5:6.) Asa raha taorian’ny nanorenana ny Tilikambon’i Babela sy ny nanasafotofotoana ny fiteny izany no nitranga (Ge 11:1-9), fa resahin’io Genesisy toko faha-10 io hoe efa nisy ‘fiteny’ samy hafa tamin’izany. (Ge 10:5, 20, 31) Voalaza anefa fa mpitondra babylonianina no nanorina an’i Ninive, renivohitr’i Asyria, ary eken’ny mpahay tantara izany. Voaresaka koa tatỳ aoriana fa tonga hatrany Asyria ireo foko avy amin’i Ismaela, zanakalahin’i Abrahama, rehefa nifindrafindra monina.​—Ge 25:18.

Nihena ny herin’i Asyria teo anelanelan’ny taona 1100 sy 900 T.K. tany ho any (taorian’ny nitondran’i Tiglato-pilesera I). Mety ho izany no nanamora ny fitaran’ny sisin-tanin’i Israely teo ambany fitondran’i Davida (1077-1038 T.K.), sy ny fitarany bebe kokoa rehefa i Solomona no nitondra (1037-998 T.K.). Noho ny fanampian’Andriamanitra anefa no tena nahatonga izany fitarana izany, fa tsy dia noho ny fihenan’ny herin’i Asyria loatra.​—2Sa 8, 10; 1Mp 4:21-24.

Asoronasirpala II sy Salmanesera III. Tamin’ny andron’i Asoronasirpala II no nanomboka nananontanona an’i Israely ireo mpanafika asyrianina. Nalaza ho tsy nisy indrafo sy lozabe io mpanjaka io rehefa niady, araka ny efa voalaza tetsy aloha. Resahin’ireo asa soratra fa niampita ny Eofrata izy, nandresy an’ilay faritra avaratr’i Syria, ary nitaky hetra tamin’ireo tanàna tany Fenisia. I Salmanesera III no nandimby azy, ary izy io no voalohany nilaza fa nifampikasoka tamin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra. Mitantara ireo asa soratra asyrianina fa tonga hatrany Karkar, teo amin’ny Reniranon’i Oronte, i Salmanesera, ka niady tamin’ny mpanjaka maromaro teo, araka ny filazany. Tsy nandresy tanteraka anefa izy. Anisan’ireo nandoa hetra taminy i Jeho (t. 904-877 T.K.), araka ny hita amin’ilay Vatolahy Maintin’i Salmanesera ao Nimroud. Misy sary sokitra mivohitra koa izy io, ahitana ny irak’i Jeho manolotra hetra ho an’ilay mpanjaka asyrianina angamba.​—Jereo SALMANESERA No. 1.

Adad-nirari III sy ireo mpandimby azy. I Adad-nirari III no lasa mpanjakan’i Asyria taorian’i Shamshi-Adad Faha-5, izay nandimby an’i Salmanesera III. Resahin’ireo asa soratra fa nanafika an’i Damaskosy i Adad-nirari III, ary nampandoa hetra an’i Joasy, mpanjakan’i Samaria. Tany antenatenan’ny taonjato fahasivy T.K. (t. 844) tany ho any angamba, i Jona mpaminany no nirahina ho any Ninive, renivohitr’i Asyria, mba hampitandrina fa horavana tsy ho ela izy io. Nibebaka àry ny iray tanàna, anisan’izany ny mpanjaka. (Jo 3:2-6) I Adad-nirari III angamba io mpanjaka io.

Ireto avy ny zanak’i Adad-nirari III nandimby azy, araka ny lazain’ny tantara: Salmanesera Faha-4, Asoro-dana III, ary Asoro-nirari Faha-5. Tsy dia nandeha niady loatra ny Asyrianina tamin’ny fotoana nitondran’izy ireo.

Tiglato-pilesera III. I Tiglato-pilesera III no mpanjaka asyrianina voatonona voalohany ao amin’ny Baiboly. (2Mp 15:29; 16:7, 10; 15:19) Antsoina koa hoe “Pola” izy ao amin’ny 2 Mpanjaka 15:29. Samy hita ao amin’ny 1 Tantara 5:26 ireo anarana roa ireo, ka nisy nieritreritra hoe mpanjaka roa samy hafa izy ireo. Olona iray ihany anefa no antsoina amin’ireo anarana roa ireo ao amin’ny Lisitra Misy ny Anaran’ireo Mpanjaka Babylonianina sy Asyrianina. Misy milaza fa Pola no anarany, fa novany hoe Tiglato-pilesera izany rehefa lasa mpanjakan’i Asyria izy.​—Jereo POLA No. 1.

Tamin’ny fotoana nitondran’i Menahema, mpanjakan’ny Israely (t. 790-781 T.K.), no nanafika an’io fanjakana tany avaratra io i Tiglato-pilesera III. Nomen’i Menahema talenta volafotsy arivo (6 606 000 dolara) izy, ka nanaiky hiala tao amin’ilay tany. (2Mp 15:19, 20) Niadian’i Peka mpanjakan’ny Israely (t. 778-759 T.K.), sy Rezina mpanjakan’i Syria anefa i Ahaza, mpanjakan’ny Joda (761-746 T.K.), tatỳ aoriana. Naminany i Isaia fa tsy tokony hanahy i Ahaza, satria tsy maintsy ho avy handrava an’i Israely sy Syria mpiray dina ny mpanjakan’i Asyria. (Is 7:1-9, 16, 17; 8:3, 4) Naleon’i Ahaza anefa nandefa tsolotra ho an’i Tiglato-pilesera, mba hanafihan’ny Asyrianina an’ireo firenena ireo, ka tsy hiadian’izy ireo amin’i Joda intsony. Nobaboin’ilay mpanjaka asyrianina àry ny tanàna maromaro tany amin’ny faritra avaratry ny fanjakan’ny Israely, niaraka tamin’i Gileada sy Galilia ary Naftaly. Nafindrany tany an-tany hafa koa ny Israelita sasany. (1Ta 5:6, 26) Izy mantsy no voalohany namindra an’izay vahoaka resiny ho any an-tany hafa, mba tsy hisian’ny fikomiana rehefa nandeha ny fotoana. Teo ambany fahefan’ny Asyrianina koa i Joda. Nankany Damaskosy (izay efa resin’ny Asyrianina) àry i Ahaza, mpanjakan’ny Joda, mba hanome voninahitra an’i Tiglato-pilesera.​—2Mp 15:29; 16:5-10, 18; 2Ta 28:16, 20, 21, ampit. Is 7:17-20.

Salmanesera Faha-5. I Salmanesera Faha-5 no nandimby an’i Tiglato-pilesera III. Nanaiky handoa hetra tamin’i Asyria i Hosea (t. 758-740 T.K.), izay nandrombaka fahefana tany Israely. Tsy te hofehezin’ny Asyrianina intsony anefa izy tatỳ aoriana, ka niray tetika tamin’i Ejipta. Nataon’i Salmanesera fahirano nandritra ny telo taona àry ny tanànan’i Samaria. Resiny ihany izy io (740 T.K.) ka nataony sesitany ny Israelita. (2Mp 17:1-6; 18:9-11; Ho 7:11; 8:7-10) Boky maro no milaza fa maty talohan’ny nahareseny tanteraka an’i Samaria i Salmanesera, ka i Sargona II indray no mpanjaka nandresy azy io.​—Jereo anefa ny hoe SALMANESERA No. 2; SARGONA.

Sargona II. Milaza ny asa soratr’i Sargona fa Israelita 27 290 no nataony sesitany tany Media sy tany amin’ny faritra lalovan’i Eofrata any avaratra. Resahin’izy io koa ny nanafihany an’i Filistia, ka nandreseny an’i Gata sy Asdoda ary Asdodimo. Tamin’izay no nanirahana an’i Isaia mpaminany hampitandrina ny Joda, fa ho very maina ny fianteheran’izy ireo amin’i Ejipta na i Etiopia mba hiaro azy ireo amin’i Asyria. (Is 20:1-6) Tamin’ny fotoana nitondran’i Sargona angamba no sambany vao nisy olona avy any Babylona sy Syria namponenina tany Samaria, ho solon’ny mponina tao. Tatỳ aoriana, dia nampodin’ny mpanjaka asyrianina tany ny mpisorona israelita iray, mba hampianatra azy ireo “ny fivavahana amin’ny Andriamanitr’ilay tany.”​—2Mp 17:24-28; jereo SAMARIA No. 2; SAMARITANINA.

Sankeriba. Notafihin’i Sankeriba, zanakalahin’i Sargona II, ny fanjakan’ny Joda tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Hezekia (732 T.K.). (2Mp 18:13; Is 36:1) Nikomy tamin’i Asyria mantsy i Hezekia (teo ambany fahefan’ny Asyrianina i Joda tamin’izay noho ny nataon’i Ahaza rainy). (2Mp 18:7) Namakivaky an’i Joda àry i Sankeriba, ka tanàna 46, hono, no resiny. (Ampit. Is 36:1, 2.) Rehefa tao an-tobiny tao Lakisy izy, dia nitaky ny hanomezan’i Hezekia azy talenta volamena 30 (11 560 000 dolara eo ho eo) sy talenta volafotsy 300 (1 982 000 dolara eo ho eo). (2Mp 18:14-16; 2Ta 32:1; ampit. Is 8:5-8.) Na dia efa naloa aza io vola io, dia mbola nirahiny ho any Jerosalema ihany ny mpitondra teniny mba handidy ny mponina rehetra tao hitolo-batana. (2Mp 18:17–19:34; 2Ta 32:2-20) Naripak’i Jehovah tao anatin’ny indray alina monja anefa ny miaramilany 185 000, ka voatery niverina tany Ninive ilay mpanjaka nieboebo. (2Mp 19:35, 36) Novonoin’ny zanany roa lahy izy tatỳ aoriana, ka i Esara-hadona, zanany hafa, no nandimby azy. (2Mp 19:37; 2Ta 32:21, 22; Is 37:36-38) Voatantara ao amin’ireo iraizotongotra nosoratan’i Sankeriba sy Esara-hadona koa izany rehetra izany, afa-tsy ny nandripahana an’ireo miaramila asyrianina.​—SARY, Boky 1, p. 957.

Esara-hadona. Navelan’i Jehovah hoentin’ny mpitari-tafika asyrianina ho babo tany Babylona (izay nofehezin’i Asyria) i Manase, mpanjakan’ny Joda. (716-662 T.K.) (2Ta 33:11) Misy mihevitra fa mety ho tamin’ny fotoana nandresen’i Esara-hadona an’i Ejipta no nitrangan’izany. Ny azo antoka dia hoe hita teo amin’ny asa soratra mitanisa an’ireo olona nandoa hetra tamin’i Esara-hadona ny anaran’i Menasi (Manase), mpanjakan’ny Joda. Nalefa nody tany Jerosalema i Manase tatỳ aoriana. (2Ta 33:10-13) Araka ny Ezra 4:2, dia toa mbola nitohy hatramin’ny andron’i Esara-hadona ny famindrana olona avy any an-tany hafa honina tany amin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, ary ny mponina tao ho any an-tany hafa. Izany angamba no nahatonga ny Isaia 7:8 hiresaka mialoha momba an’ireo “dimy amby enimpolo taona.”​—Jereo AHAZA No. 1; ESARA-HADONA.

Asorobanipala. I Asorobanipala zanany lahy no notendren’i Esara-hadona ho mpanjakan’i Asyria, talohan’ny nahafatesany, ary i Shamash-shom-o-kin, zanany lahy hafa, kosa ho mpanjakan’i Babylonia. Nikomy tamin’ny rahalahiny anefa i Shamash-shom-o-kin, tatỳ aoriana. Resin’i Asorobanipala izy, ka norobainy ny tanànan’i Babylona.

Tamin’ny andron’i Asorobanipala no nidadasika indrindra ny faritra nanjakan’i Asyria. Nikomy taminy i Ejipta nefa resiny, ka norobainy ny tanànan’i Thèbes (No-amona). Anisan’ny fanjakan’i Asyria tamin’izany i Babylonia, ny faritr’i Elama, ny ampahany amin’i Media hatrany Ararata, Kilikia any Azia Minora any andrefana, Syria sy Israely (tsy tafiditra i Jerosalema), ary Ejipta sy Arabia. Toa i Asorobanipala ilay “Asnapara lehibe sy mendri-kaja” ao amin’ny Ezra 4:10.​—Jereo ASNAPARA.

Resy ilay fanjakana. Milaza ny Tantaran’i Babylona T.B. (Tranombakoka Britanika) 21 901 fa resin’i Nabopolasara, mpanjakan’i Babylona, sy Cyaxare, mpanjakan’i Media, i Ninive renivohitr’i Asyria, tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Nabopolasara (632 T.K.), rehefa avy nataon’izy ireo fahirano. Hoy izy io: ‘Nataon’izy ireo lasa korontam-bato ilay tanàna.’ (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 305) Ratsy fiafara toy izany ilay fanjakana asyrianina lozabe.​—Is 10:12, 24-26; 23:13; 30:30-33; 31:8, 9; Na 3:1-19; Ze 2:13.

Resahin’io Tantaran’i Babylona io koa fa nanao an’i Harana ho renivohiny i Asoro-obalita II, ary nitondra tao. Nanandrana nanarina ny fanjakan’i Asyria àry izy, tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Nabopolasara (632 T.K.). Izao no nolazain’io tantara io, tamin’ny taona faha-17 nanjakan’i Nabopolasara (629 T.K.): ‘Niampita an’ilay Reniranon’i Eofrata i Asoro-obalita, mpanjakan’i Asyria, sy ny tafika lehibe ejipsianina tonga nanampy azy, tamin’ny volana Doozo. Nandeha nanafika an’i Harana izy ireo.’ (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 305) Noroahina hiala tao Harana mantsy i Asoro-obalita, ka tiany ho azo indray ilay tanàna. Mifanaraka tsara amin’izay nataon’i Farao Neko resahin’ny 2 Mpanjaka 23:29 ny voalazan’io tantara io. Tamin’izay izy no namono an’i Josia, mpanjakan’ny Joda (t. 629 T.K.). Resahin’ilay andininy fa tamin’izay no “niakaran’i Farao Neko mpanjakan’i Ejipta ho any amin’ny mpanjakan’i Asyria, tany amoron’ny reniranon’i Eofrata.” Azo inoana fa hanampy an’ilay mpanjaka no antony niakaran’i Farao. Mety ho Asoro-obalita II io mpanjaka io. Tsy azon’izy ireo anefa i Harana. Nifarana hatreo ny fanjakan’i Asyria!

Ny mpanjakan’i Persa (Dariosy Hystaspe), izay nifehy an’i Asyria tamin’ny fotoana nanorenana indray ny tempolin’i Jerosalema (vita tamin’ny 515 T.K.), no nantsoina hoe “mpanjakan’i Asyria.”​—Ezr 6:22.

Faminaniana momba an’i Asyria. Noresahin’i Balama tao amin’ny faminaniany tamin’ny 1473 T.K. tany ho any i Asyria. (No 24:24) Miresaka betsaka momba an’i Asyria koa ny faminanian’i Isaia, Jeremia, Ezekiela, Mika, Nahoma, Zefania, ary Zakaria. Saika ny faminanian’i Hosea manontolo kosa no mampitandrina hoe horavan’i Asyria ny fanjakan’ny Israely tany avaratra. Matetika no nomelohina ny Israely sy Joda mpivadi-pinoana, noho izy ireo mbetika niantehitra tamin’i Ejipta, mbetika tamin’i Asyria, izay samy firenena mpanompo sampy. “Toy ny voromailala mora ambakaina sady tsy ampy saina” tokoa ny Israely sy Joda! (Je 2:18, 36; Ft 5:6; Ezk 16:26, 28; 23:5-12; Ho 7:11) Voaresaka mazava tsara ny voka-dratsin’izany nataon’izy ireo izany. (Ezk 23:22-27) Misy faminaniana kosa nilaza fa haetry ny Asyrianina, ary hampodina any amin’ny taniny ny Israelita natao sesitany. (Is 11:11-16; 14:25; Je 50:17, 18; Ezk 32:22; Za 10:10, 11) Voalaza koa fa hifandray tsara i Asyria sy Ejipta amin’ny hoavy, ary samy hankasitrahan’Andriamanitra izy ireo sy ny Israely, ka “ho fitahiana eo amin’ilay tany.”​—Is 19:23-25.