Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Atarota

Atarota

(Atarôta) [Satroboninahitra [izany hoe vala miendrika faribolana]].

1. Tanàna tany atsinanan’i Jordana, anisan’ireo nangatahin’ny fokon’i Gada sy ny fokon’i Robena. Mety tsara ho an’ny andiam-bibin’ireo foko ireo ilay toerana. (No 32:1-5) Naorin’ny Gadita indray io tanàna io tatỳ aoriana.​—No 32:34.

Miresaka an’i Atarota ny andalana faha-10 sy faha-11 amin’ny Vato Moabita nataon’i Mesa Mpanjaka. Misy teny toy izao ao: “Nonina tao amin’ny tanin’i Atarota foana ny olon’i Gada hatramin’izay, ary ny mpanjakan’ny Israely no nanorina an’i Atarota ho azy ireo. Notafihiko anefa ilay tanàna, ka nalaiko ary naripako ny olona rehetra tao ... Avy tany no nentiko ho babo i Arela (na Oriela) mpiadidy tao ... ka ny olona avy any Sarôna sy avy any Maharita no namponeniko tao.”​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 320.

Maro no mihevitra an’i Atarota ho i Kirbet ʽAttaros, any atsinanan’ny Ranomasina Maty, ary tokotokony ho 13 km any avaratrandrefan’i Dibona (voatonona aorian’i Atarota ao amin’ny No 32:3). Ahitana ny sisa tavela tamin’ilay tanàna eo amin’ny tehezany andrefana amin’ny tendrombohitra iray antsoina koa hoe Atarota (750 m eo ho eo ny haavony). Marina fa tao amin’ny tanin’ny fokon’i Robena no nisy an’io tanàna io, nefa toa nisy tany niombonan’ny fokon’i Gada sy ny fokon’i Robena.

2. Tanàna teo amin’ny sisin-tanin’i Efraima sy Benjamina. (Js 16:2) Toa izy ihany ilay antsoin’ny Josoa 16:5 sy 18:13 hoe Atarota-adara. Lazain’ny Josoa 18:13 fa teo amin’ny ilany avaratra amin’ny sisin-tanin’i Benjamina izy io, ary “teo amin’ilay tendrombohitra eo atsimon’i Beti-horona Ambany.”

3. Tanàna teo amin’ny ilany avaratratsinanana amin’ny sisin-tanin’i Efraima.​—Js 16:7.