Atena
(Atèna) [An’i Athéna].
Renivohitr’i Gresy ankehitriny sady tanàna nalaza indrindra tany taloha. Akaikikaikin’ny tendrony atsimon’ny Lemak’i Attique izy io, 8 km eo ho eo avy eo amin’ny Ranomasina Égée. Ao amin’ny seranan-tsambon’i Pirée, izay tsy lavitra eo, no tonga ny sakafo amatsiana an’ilay tanàna. Nisy manda roa lava be nampitohy an’i Atena sy Pirée, talohan’ny andro kristianina. Tena tsara toerana i Atena. Niaro an’ilay tanàna ireo tendrombohitra manodidina azy, ary tsy natahorana hisy hanafika tampoka izy io satria somary lavitra ireo lalana anelanelana tendrombohitra. Lavitry ny ranomasina koa izy io, ka tsy natahorana ny fanafihana avy any an-dranomasina. Tsy sarotra anefa ny nankany amin’ireo seranan-tsambo telo voajanahary akaikin’i Pirée, raha avy teo Atena.
Foibe ara-kolontsaina sy ara-pivavahana. Lasa nalaza i Atena tamin’ny taonjato fahadimy T.K., noho izy renivohitry ny fanjakana kely iray natanjaka sady nanana tafika an-dranomasina nahery. Ireo sekoly ambony momba ny haisoratra sy ny zavakanto nisy tao anefa no tena nampahalaza azy. Maro be àry ny mpampianatra sy profesora ary filozofa tao, sady avy ao koa ireo filozofa malaza toa an-dry Socrate sy Platon ary Aristote. Nisy sekoly efatra tao nianarana ny filozofian’i Platon, ny an’i Aristote, ny an’ny Epikoreanina ary ny an’ny Stôika. (As 17:18) Mpianatra avy amin’ny faritra samihafa nanerana ilay fanjakana no nianatra tao amin’izy ireny, nandritra ny fitondran’ny Fanjakana Romanina.
Mpivavaka be koa ny Atenianina, ka nilaza mihitsy ny apostoly Paoly fa “matahotra kokoa an’ireo andriamanitra [izy ireo] raha oharina amin’ny olon-kafa.” (As 17:22) Nilaza i Josèphe, mpahay tantara, fa ny Atenianina no ‘tia fivavahana indrindra amin’ny Grika.’ (Diso Hevitra i Apion, II, 130 [12]) Nifehy ny fivavahana ny fitondrana, ary niantoka ny lany tamin’ireo fanatitra sy fombafomba ary filaharam-be ho fanomezam-boninahitra an’ireo andriamanitra. Nandrisika ny olona hivavaka àry izany. Nisy sampy tao amin’ireo tempoly sy teny amin’ny tany malalaka ary teny an-dalana. Nivavaka foana koa ny olona talohan’ireo adihevitra lalina nifanaovany taorian’ny fanasambe iray, sy talohan’ny fivoriana politika ary ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena. Mba tsy hampahatezitra an’ireo andriamanitra, dia nanorina alitara “Ho An’Andriamanitra Tsy Fantatra” mihitsy aza ny Atenianina, araka ny tenin’i Paoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:23. Nanamarina izany i Pausanias, mpahay jeografia tamin’ny taonjato faharoa. Nilaza izy fa nahita “alitara ho an’ireo andriamanitra nantsoina hoe Tsy Fantatra sy ho an’ireo olo-malaza”, teo amin’ilay lalana avy tany amin’ny seranan-tsambon’ny helodranomasin’i Phalère nankany Atena (io koa angamba no lalana nandehanan’i Paoly).—Ny Mombamomba An’i Gresy, Attique, I, 4.
Tantarany tany am-boalohany. Niorina nanodidina an’ilay havoana atao hoe Acropole ny tanànan’i Atena. Havoana mahitsizoro mirefy 150 m eo ho eo izy io, ary mitsatoka be ireo lafiny telo. (SARY, Boky Faha-2, p. 749) Ny Eopatrida na fianakavian’olona ambony no nitondra tao, tamin’ny taonjato fahafito T.K. Teo am-pelatanan’izy ireo irery ny fahefana izay nifandovany. Izy ireo koa no nifehy ny Areopago, na ny fitsarana ady heloka. Novan’i Solon, mpahay lalàna, anefa ny lalàm-panorenana, tany am-piandohan’ny taonjato fahenina T.K. Nihatsara àry ny fari-piainan’ny mahantra ary nanomboka ny fitondrana demokratika. Ny olona afaka ihany anefa no nahazo tombony tamin’izany, satria andevo ny ankamaroan’ny mponina tao.
Lasa renivohitry ny fanjakana kely natanjaka i Atena taorian’ny nandreseny an’ireo Persianina, tamin’ny taonjato fahadimy T.K. Saika nofeheziny
avokoa ny faritra nanamorona ny Ranomasina Égée. Nanao raharaham-barotra koa izy, hatrany Italia sy Sisila tany andrefana ka hatrany Sipra sy Syria tany atsinanana. Lasa loha laharana teo amin’ny resaka kolontsaina izy, ary tena niavaka ny haisoratra sy zavakanto novokariny. Nisy tranom-panjakana sy tempoly maro tsara tarehy naorina, toy ny Parthénon (tempolin’i Athéna) sy ny Érechthéion, izay mbola hita eny an-tampon’ny Acropole any Atena ny sisa tavela aminy. I Parthénon no noheverina fa tempoly lehibe indrindra tamin’izany, ary nisy sarivongan’i Athéna nirefy 12 m vita tamin’ny volamena sy ivoara tao.Tsy nahatonga ny Atenianina ho tsara toetra kokoa anefa ireny zavatra tsara tarehy rehetra ireny. Naloto fitondran-tena sy nanao heloka bevava toy ny olombelona ihany mantsy ireo andriamanitra sy andriamanibavy nivavahan’izy ireo, araka ny angano grika. Nokianin’i Apollonius, filozofa grika tamin’ny andron’i Paoly, àry ny Atenianina, noho izy ireo nanao dihy sy lanonana feno filibana nandritra ny Fetin’i Dionysos (Bacchus), sy noho izy ireo faly erỳ nijery an’ireo gladiatera nifamono.
Rava ny Fanjakana Atenianina rehefa resin’i Sparta i Atena nandritra ny Adin’i Peloponezy, tany amin’ny faramparan’ny taonjato fahadimy T.K. Tsy noravan’ny tafik’i Sparta tanteraka anefa ilay tanàna mba tsy ho foana ny kolontsainy. Resin’i Roma koa i Atena tamin’ny 86 T.K., ka tsy navelany hanao raharaham-barotra intsony. Ireo oniversite sy sekoly fianarana filozofia tao ihany àry sisa no nampahalaza an’i Atena, tamin’ny andron’i Jesosy sy ny Kristianina voalohany.
Fanompoan’i Paoly tao Atena. Nankany Atena ny apostoly Paoly tamin’ny diany misionera faharoa, tamin’ny taona 50 tany ho any. Navelany tany Beria i Silasy sy Timoty, nefa nohafarany mba ho tonga haingana any aminy araka izay azo atao. (As 17:13-15) Raha mbola niandry azy roa lahy tao Atena izy, dia nahasorena azy ny nahita an’ireo sampy maro be. Niezaka nandresy lahatra an’ireo olona tany amin’ny synagoga jiosy sy teny an-tsena àry izy. (As 17:16, 17) Tsy ela izay dia nofongarin’ny mpianatry ny Sekoly Amerikanina Momba ny Kolontsaina Grika sy Romanina Fahiny, ny toerana nisy an’io tsena tany avaratrandrefan’ny Acropole io. Tsy hoe nanao raharaham-barotra fotsiny ny olona tao amin’ilay tsena, fa niady hevitra sy nandamina olana teo anivon’ny fiaraha-monina koa. Milaza ny Asan’ny Apostoly 17:18-21 fa tia nanadihady ny Atenianina. Manamarina izany ny tenin’i Démosthène, izay nanakiana an’ireo Atenianina noho izy ireo tia nandehandeha eran’ny tsena mba hanontany hoe: “Inona no vaovao?”
Niady hevitra tamin’i Paoly teny amin’ilay tsena ireo Epikoreanina sy filozofa stôika, izay niahiahy azy ho “mpitory momba ny andriamanitra vaovao.” (As 17:18) Maro be ny fivavahana tao amin’ny Fanjakana Romanina, kanefa voararan’ny lalàna grika sy romanina ny fampidirana andriamanitra na fombafombam-pivavahana vaovao, indrindra raha nifanohitra tamin’izay nahazatra teo an-toerana izany. Tsy nanaiky fivavahana hafa, ohatra, ny tany Filipy, tanàna nozanahin’ny Romanina, ka nahita olana i Paoly rehefa nitory tany. (As 16:19-24) Be fisalasalana sy nalala-tsaina kokoa noho ny Filipianina kosa ny Atenianina. Nanahy ihany anefa izy ireo sao hiteraka korontana ny zava-baovao nampianarin’i Paoly. Nentina teny amin’ny Areopago, izay havoana nisy ny fitsarana, àry izy. Tsy hay anefa raha tena nentina teo anatrehan’ireo mpitsara izy na tsia. Misy mantsy milaza fa tsy teny amin’ilay havoana intsony ny fitsarana tamin’ny andron’i Paoly, fa efa teny an-tsena.
Tena nahay nandanjalanja sy nahay nanavaka i Paoly, rehefa nandaha-teny teo anatrehan’ireo Atenianina avara-pianarana ireo. Nohazavainy fa tsy momba ny andriamanitra iray vaovao no notoriny, fa momba an’ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany. Niresaka ny amin’ilay “Andriamanitra Tsy Fantatra” koa izy, satria hitany teo amin’ny alitara iray io soratra io. Naka teny tao amin’ny Phaenomena, izay nosoratan’i Aratus poety avy any Kilikia, sy tao amin’ny Hira Fiderana An’i Zeosy nataon’i Cléanthe mihitsy aza izy. (As 17:22-31) Naneso azy ny ankamaroan’ny Atenianina nefa nisy ihany lasa mpino, toa an’i Dionysio, mpitsara teny amin’ny Areopago, sy ny vehivavy atao hoe Damary.—As 17:32-34.
Mety ho nankany amin’i Paoly tao Atena aloha i Timoty, vao nasaina niverina tany Tesalonika. Azo inoana kokoa anefa hoe mbola tany Beria i Timoty no naharay hafatra tamin’i Paoly mba ho any Tesalonika, ka i Paoly irery no tao Atena. Marina fa nampiasa ilay teny hoe “izahay” i Paoly ao amin’ny 1Tesalonianina 3:1, 2, kanefa toa ny tenany ihany no tiany holazaina eo. (Ampit. 1Te 2:18; 3:6.) Raha izany no izy, dia i Paoly irery no niainga avy tao Atena ary nankany Korinto. Tonga tany koa i Silasy sy Timoty avy eo. (As 18:5) Azo inoana fa nitsidika an’i Atena indray i Paoly tamin’ny diany misionera fahatelo (taona 55 na 56). Milaza mantsy ny Baiboly fa nijanona telo volana tany Gresy izy tamin’izay.—As 20:2, 3.