Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Atrota-beti-joaba

Atrota-beti-joaba

(Atrôta-bèti-joàba) [Satroboninahitry ny Ankohonan’i Joaba [izany hoe vala miendrika faribolana an’ny ankohonan’i Joaba]].

Anarana tanisaina miaraka amin’ny “zanakalahin’i Salma”, ao amin’ny tetirazan’ny fokon’i Joda. (1Ta 2:54) Misy mihevitra azy io ho anarana tanàna tany Joda. Tanisaina ao amin’ireo tetirazana ireo koa mantsy, hono, ny anaran’i Kiriata-jearima, Beti-gadera, Betlehema sy ny anarana hafa. Tsy voatery hoe anaran-tanàna anefa io Atrota-beti-joaba io, satria koa misy anaran’olona mitovy amin’ny anaran-tanàna, ary maro be ny andininy ahitana izany. Ny anarana sasany ao amin’ireo tetirazana ireo anefa dia toa anaran-toerana fa tsy anaran’olona, rehefa jerena ny fomba nanoratana sy ny dikan’ireny anarana ireny. Mety ho izay nolazain’ny manam-pahaizana maro no marina: Milaza izy ireo fa mponina tao amin’ilay tanàna no voaresaka eo, fa tsy toerana. Rehefa misy andinin-teny milaza àry hoe “rain’ny” toerana iray, dia midika izany hoe “razamben’ny” mponina tao amin’io toerana io na “lehiben’ny mpiavy” tao.

Tsara homarihina fa “rain’ny” no hita ao amin’ny Genesisy 4:20, 21, tamin’ny teny hebreo tany am-boalohany, fa “razamben’ireo” (DIEM) na “nipoiran’ny” (TV) kosa no ao amin’ny Baiboly sasany. Misy diksionera manazava ny mety ho dikan’ilay teny hebreo nadika hoe “ray”: “Mpitondra, lehibe” (Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy, nataon’i Brown, Driver, ary Briggs, 1980, p. 3), “razambe, razamben’ny foko na firenena, ... mpanorina tanàna, ... mpamorona antokon’olona mitovy saranga, ... mpamorona raharaham-barotra, mpanorina, lehiben’ny tompon’andraiki-panjakana eo amin’ny toerana iray.” (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, nataon’i L. Koehler sy W. Baumgartner, Leyde, 1958, p. 1)​—Ampit. Is 22:20-22.