Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Atsinanana

Atsinanana

Nadika hoe atsinanana ilay teny hebreo hoe mizrah (midika ara-bakiteny hoe “fiposahan’ny masoandro”) (De 3:27; 1Ta 4:39) sy ireo anarana avy amin’ilay matoanteny hoe kadam (midika hoe “manoloana [manatrika].” (Ezk 48:2) Fanaon’ny Hebreo ny nanatrika ny fiposahan’ny masoandro rehefa namantatra ny vazan-tany efatra, ka any anoloany ny atsinanana, any andamosiny ny andrefana, any ankaviany ny avaratra, ary any ankavanany ny atsimo.

Nampiasaina mba hilazana hoe miantsinanana ilay teny hoe kedem indraindray, toy ny ao amin’ny Genesisy 11:2. Midika hoe any atsinanan’ny zavatra iray kosa izy io indraindray, toy ilay voalazan’ny Nomery 34:11 hoe “any atsinanan’i Aina.” Ampiasaina koa izy io mba hilazana an’ilay faritra any atsinanana sy avaratratsinanan’ny Israely, ka anisan’izany ny tanin’i Moaba sy Amona, ny Tany Efitr’i Arabia, Babylonia, Persa, Asyria, ary Armenia.

Nantsoina hoe “zanaky ny Atsinanana” ny mponin’ireo tany lazaina hoe “atsinanana.” I Joba no voalaza fa nanan-karena indrindra tamin’ny “Tatsinanana” na ny “zanaky ny Atsinanana” rehetra. (Jb 1:3) Nipetraka tany amin’io faritra atsinanana io izy. Rehefa nankany Mezopotamia i Jakoba mba hitady vady, dia voalaza fa nankany amin’ny tanin’ny “Tatsinanana” na ny tanin’ny “zanaky ny Atsinanana.” (Ge 29:1) Nantsoina koa hoe “zanaky ny Atsinanana” na “Tatsinanana” ny olona nipetraka tany atsinanan’ny Israely.​—Mpts 6:3; 8:10.

Tany Palestina, dia nahamay ny rivotra avy any atsinanana. Nitsoka avy any an-tany efitra izy io ary nanimba ny zavamaniry. (Ezk 19:12) Izany no nahatonga an’ilay fitenenana hoe ‘mameno ny fo amin’ny fanirian-dratsy [a.b.t.: rivotra miantsinanana].’​—Jb 15:2.

Samy nitodika niantsinanana na ny tranolay masina, na ny tempoly naorin’i Solomona sy naorin’i Zerobabela indray, na ny tempoly faharoa, izany hoe ilay naorin’i Heroda indray. (No 3:38) Nitodika niantsinanana koa ilay tempoly tao amin’ny fahitan’i Ezekiela. (Ezk 47:1) Ampoizina àry hoe avy any atsinanana i Jehovah sy Kristy, rehefa tonga ao amin’ilay tempoly.

Lazain’ny Isaia 46:11 fa avy any “atsinanana” (Prot.) na avy any amin’ny “fiposahan’ny masoandro” (TV) i Kyrosy, mpanjaka persianina. Avy any amin’ny “fiposahan’ny masoandro” (mizrah), raha ara-bakiteny, ilay tatitra na siosion-teny lazain’ny faminaniana hoe avy any “atsinanana.” (Prot.) (Da 11:44) Milaza ny bokin’ny Apokalypsy fa ho ritra ny ranon’i Eofrata an’ohatra rehefa hampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra amin’i Babylona Lehibe ireo “mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro”, ary mampahatsiahy an’izay nataon’i Dariosy sy Kyrosy fahiny izany.​—Ap 16:12, 19.

Avy any amin’ny manodidina an’i Babylona, izany hoe avy any “atsinanana”, ireo mpanandro tonga mba hijery an’i Jesosy taorian’ny nahaterahany. (Mt 2:1) Misy Baiboly milaza hoe hitan’ireo mpanandro tany “atsinanana [gr.: anatôlei, a.b.t.: fiposahan’ny masoandro]” ny kintan’i Jesosy. Ny tian’ireo mpanandro ireo holazaina dia hoe nahita an’ilay kintana izy ireo tany Atsinanana, izany hoe tamin’izy ireo tany Atsinanana, fa tsy hoe hitany tany atsinanan’ny tanin’izy ireo ilay kintana.​—Mt 2:2.