Aty
Taova lehibe manamboatra sy mamoaka ranoka (fihary ranoka) ilain’ny vatan’ny olombelona sy ny biby misy hazondamosina. Manampy amin’ny fandevonan-kanina ny aty, ary misy vokany eo amin’ireo zavatra simika ao amin’ny ra. Io no taova lehibe indrindra fihary ranoka ao amin’ny vatan’ny olona. Avy amin’ny fototeny midika hoe “mavesatra” ny teny hebreo (kaved) nadika hoe aty. Ny atin’ireo biby nentin’ny Israelita hatao sorona no tena resahin’ny Soratra Hebreo. (Ek 29:22; Le 3:4, 10, 15; 4:9) “Ny taviny eo amin’ny atiny” no nodorana mba hidona-tsetroka teo ambony alitara. (Ek 29:13) Milaza ny Fanazavana ny Testamenta Taloha nataon’i C. Keil sy F. Delitzsch fa tsy inona io tavy eo amin’ny aty io fa “ny fonony manify sy makarakara eo amin’ny aty, na vavony ..., izay manomboka eo amin’ny fisarahan’ny silakaty havanana sy ny silakaty havia ka mankany amin’ny vavony ny ilany, fa mankany akaikin’ny voa kosa ny ilany hafa. ... Manify sy mora rovitra io fonony kely kokoa io, ary tsy dia be tavy toy ny fonony lehibe kokoa, nefa anisan’ilay lazaina hoe tavy.” (1973, Boky I, Ny Boky Fahatelo Nosoratan’i Mosesy, p. 300) Izao no famaritan’i Rashi azy io tao amin’ny fanazavany momba ny Levitikosy 3:4: “Ilay fonony manify miaro ny aty.”—Boky Dimy Voalohany sy ny Targoman’i Onkelos, ny Mpaminany sy Fanazavana Hevi-teny Nataon’i Rashi, nadikan’i M. Rosenbaum sy A. Silbermann.
Toy izao no namaranan’i Solomona Mpanjaka ny tantaran’ny tovolahy iray mbola tanora fanahy, Oh 7:21-23) Misy vokany eo amin’ny aty tokoa ny aretina azo avy amin’ny firaisana. Hitan’ny dokotera mantsy fa rakotry ny bakteria ny atin’ny olona voan’ny tety efa mihombo be. Mitranga koa izany amin’ny aretina maro. Aretina hafa azo avy amin’ny firaisana ny angatra ary mety hanimba be ny aty koa izy io. Mety hahafaty tokoa ny aretin’aty efa mihombo be. Taova iankinan’ny aina ny aty, ary ilazana alahelo be.—Ft 2:11.
izay babon’ny vehivavy ratsy fitondran-tena: “Tampoka teo, dia lasa nanaraka azy ilay tovolahy, ... mandra-pitsatoky ny zana-tsipìka eo amin’ny atiny ... nefa tsy fantany fa haningotra ny ainy izany.” (‘Nandinika atin-kena’ i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, rehefa hanapa-kevitra momba ny fomba fiady tokony harahiny. Anisan’ny sikidy nampiasainy izany.—Ezk 21:21, jereo SIKIDY.