Avana
Zava-miseho indraindray eny amin’ny lanitra, ary miendrika antsasa-paribolana lehibe misy loko isan-karazany. Marika hita maso manambara ny fifanekena iray nataon’i Jehovah izy io. Nampanantena izy fa “tsy ho ringan’ny safodrano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safodrano hanimba ny tany intsony.” (Ge 9:11-16) Tsy manana teny ilazana ny avana ny Hebreo, ka ny teny nadika hoe tsipìka (fitaovam-piadiana fitifirana zana-tsipìka) no ampiasaina ao amin’ny Baiboly, satria miendrika antsasa-paribolana ny tsipìka.—Ezk 1:28.
Manandrana manazava ny fomba iforonan’ny avana sy mitanisa ny zavatra maro ao anatin’izy io ny olona, saingy sarotra be ny fanazavan’izy ireo. Izao anefa no heverina fa mahatonga azy io: Mipaka amin’ny pitik’orana ny tara-pahazavana fotsy, ary miditra ao anatin’ilay pitik’orana. Mivily lalana ilay izy ka mizarazara ho taratra miloko isan-karazany, rehefa tafiditra ao. Rehefa mipaka amin’ny sisiny anatiny amin’ilay pitik’orana ny loko tsirairay amin’ilay taratra dia miverina, saingy manaraka zoro samy hafa sy voafaritra tsara, arakaraka ny loko. Antsasa-paribolana lehibe misy an’ireo loko fito ao anatin’ny hazavana àry no hitan’ny olona mitazana. Ireto avy izany, rehefa jerena avy ao anatiny mankany ivelany: Volomparasy, manga antitra somary volomparasy, manga, maitso, mavo, volondaoranjy, ary mena. Mety hitambatra anefa ny loko sasany ka efatra na dimy amin’ireo ihany no hita miavaka. Mbola mianatra momba ny avana ny mpahay siansa hatramin’izao.
Tantarain’ny Baiboly fa nanao fifanekena tamin’i Noa sy ny taranany Andriamanitra, taorian’ny nivoahan’izy ireo avy tao anaty sambofiara. Tamin’izay no nisy resaka voalohany momba ny avana. (Ge 9:8-17; Is 54:9, 10) Nampahery an-dry Noa mianakavy ny nahita an’ilay avana sady nampahatsiahy azy ireo fa hisy amin’izay ny fiadanana.
Maro no mihevitra fa tsy tamin’io no voalohany nahitan’ny olona avana. Milaza ny mpivaofy teny sasany fa efa nisy avana talohan’ny safodrano, fa tatỳ aoriana ilay izy vao nomen’Andriamanitra heviny manokana. Izany, hono, no tian’Andriamanitra hambara rehefa niteny izy hoe: “Apetrako eny amin’ny rahona ny avako.” Maro amin’ny olona mihevitra toy izany no mino fa teo amin’ny faritra nisy an-dry Noa ihany no nisy ny Safodrano, na mino fa tsy dia nanova ny habakabaka ilay izy.
Tsara homarihina fa eo ny Baiboly no miresaka voalohany momba ny avana. Raha efa nahatazana avana foana anefa ny olona talohan’izay, dia tsy ho marika miavaka hamantarana ny fifanekena nataon’Andriamanitra ilay izy, satria ho zavatra efa fahita ka tsy hanambara fiovana na zava-baovao.
Tsy lazain’ny Baiboly hoe nazava sa maloka ny habakabaka talohan’ny Safodrano. Azo inoana anefa fa tsy nisy olona talohan-dry Noa mianakavy afaka nahita avana. Nahoana? Ny toetrandro teny amin’ny habakabaka tamin’izay fotoana izay no nahatonga izany. Niova io habakabaka io tatỳ aoriana, rehefa “nisokatra ny vavahadin-dranon’ny lanitra.” (Ge 7:11) Na ankehitriny aza, dia mety tsy hahatazana avana ny olona, arakaraka ny toetrandro eny amin’ny habakabaka.
Tena mahatalanjona sy tsara tarehy ary mampitony ny avana miseho aorian’ny oram-baratra. Ampiasaina ao amin’ny Baiboly izany sarin-teny izany rehefa manazava momba an’Andriamanitra sy ny seza fiandrianany. Nahazo fahitana momba an’Andriamanitra i Ezekiela mpaminany. “Nahita zavatra hoatran’ny avana” izy, “dia avana miseho eny amin’ny rahona rehefa mirotsaka ny orana.” Ny voninahitra mahatalanjona ananan’i Jehovah no asongadina amin’izany. (Ezk 1:28) Nahita ny seza fiandrianana faran’izay kanto nipetrahan’i Jehovah koa i Jaona. ‘Nisy avana hoatran’ny emeraoda’ manodidina an’ilay izy. Miloko maitso mampitony ny emeraoda ary izany no lokon’ilay avana. Takatr’i Jaona àry fa misy fahatoniana sy fiadanana manodidina an’ilay seza fiandrianana. Marina izany satria mahafehy ny toe-javatra rehetra i Jehovah, ilay Mpitondra be voninahitra. (Ap 4:3) Nahita anjely koa i Jaona ary ‘nisy avana teo amin’ny lohan’izy io.’ (Ap 10:1) Mety hidika izany fa solontena manokana irahin’ilay “Andriamanitry ny fiadanana” izy io.—Fi 4:9.