Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aviavidia

Aviavidia

[Heb.: shikmah].

Mitovitovy amin’ny an’ny aviavy mahazatra ny voan’ny aviavidia (Ficus sycomorus), saingy toy ny an’ny voaroihazo ny raviny. Mafy ilay hazo, mety ho velona taonjato maro, ary 10 ka hatramin’ny 15 m ny haavony. Maitsoririnina izy io fa tsy toy ny aviavy mahazatra, ary kely kokoa sy miendrika fo ny raviny. Mandrobona ilay hazo, ka manome alokaloka tsara. Nambolena teny amoron-dalana àry izy io matetika. Fohy vaventy ny vatany ary iva ireo sampany ambany, ka mora tamin’ny olona fohy toa an’i Zakaiosy ny nianika an’ilay hazo teo amoron-dalana mba hahitana an’i Jesosy. (Lk 19:2-4) Araka ny anarany amin’ny teny grika hoe sykômôrea, dia toy ny an’ny voaroihazo (gr.: môrea) ny raviny, fa toy ny hazo aviavy (gr.: syke) kosa ny vatany. Fianakaviambe iray ihany ny voaroihazo sy aviavy, ary toa hoatran’ilay “aviavidia” (Ficus sycomorus) resahin’ny Soratra Hebreo ihany ilay resahin’ny Lioka 19:4.​—1Mp 10:27.

Misy voany maromaro ny tahony iray, ary kely kokoa sady tsy dia tsara raha oharina amin’ny voan’aviavy. Fanaon’ny mpamboly any Ejipta sy Chypre ny manindrona amin’ny fantsika na zava-maranitra hafa an’ireo voa manomboka ho matoy, mba ho azo hanina. Mihalehibe sy masaka haingana kokoa (avo telo ka hatramin’ny valo heny) mantsy izy ireny rehefa tsindronina, satria mitombo be ny gazy etilenina avoakany. Raha tsy atao toy izany ireo voa, dia tsy hitombo tsara ary ho mafy na ho simba satria hidiran’ny bibikely (karazana fanenitra) izay manatody ao anatiny. Mazava kokoa amintsika àry hoe inona no asan’i Amosa mpaminany, izay “mpiandry ondry sady mpanindrona aviavidia.”​—Am 7:14.

Nisy aviavidia tany amin’ny Lohasahan’i Jordana (Lk 19:1, 4) sy teny akaikin’i Tekoa (Am 1:1; 7:14), ary indrindra fa teny amin’ny lemaka iva tany Sefela (1Mp 10:27; 2Ta 1:15; 9:27). Hitan’i Davida Mpanjaka hoe nilaina ihany izy ireny na dia tsy tsara hoatran’ny an’ny aviavy aza ny voany, matoa nanendry olona hiandraikitra ny tao Sefela izy. (1Ta 27:28) Azo inoana fa be aviavidia tany Ejipta tamin’ny fotoana nisian’ny Loza Folo, ary mbola fihinan’ny olona any ny voan’izy ireny hatramin’izao. (Sl 78:47) Tsy dia mafy sy misy lavadavaka kely ary tsy tsara hoatran’ny hazo sedera ny aviavidia, saingy tena mateza ary ampiasaina be amin’ny fanorenana. (Is 9:10) Nahitana vatam-paty mbola tsara vita tamin’ny aviavidia tao amin’ny fasana ejipsianina, nefa efa 3 000 taona teo ho eo izy ireny.