Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aviavy

Aviavy

[Heb.: teʼenah; gr.: syke, sykôn].

Anisan’ny zavamaniry voatonona be indrindra ao amin’ny Baiboly miaraka amin’ny oliva sy voaloboka ny aviavy (Ficus carica), izay voaresaka ao in-50 mahery. (Mpts 9:8-13; Ha 3:17) Avy any Azia atsimoandrefana, Israely, Syria, ary Ejipta ny aviavy, izay ela velona tokoa. Maniry ho azy ilay hazo, nefa mila ambolena raha tiana hamoa be. (Lk 13:6-9) Saika maniry amin’ny karazan-tany rehetra izy io, na dia ny tany be vato aza. Mety hahatratra 9 m eo ho eo ny haavony, 60 sm eo ho eo ny savaivony, ary misandrahaka be ny sampany. Ny voany no tena itiavan’ny olona azy, nefa manome alokaloka tsara koa izy io. (Jn 1:48-50) Lehibe ny raviny satria mahatratra 20 sm na mahery ny sakany. Ny ravin’aviavy nozairin’i Adama sy Eva mba hataony sikina no aviavy resahin’ny Baiboly voalohany. (Ge 3:7) Mbola misy manjaitra ravin’aviavy hamonosana voankazo na zavatra hafa any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane hatramin’izao.​—Jereo AVIAVIDIA.

Vokatra voalohany sy farany. Mamoa indroa isan-taona ny aviavy amin’ny ankapobeny: Ny vokatra voalohany (heb.: bikkorah), izay matoy rehefa Jona na voalohandohan’ny Jolay (Is 28:4; Je 24:2; Ho 9:10), ary ny vokatra farany (io no tena betsaka) izay maniry eny amin’ny sampany vaovao ka matoy manomboka amin’ny Aogositra. Mora mihintsana ny aviavy vokatra voalohany rehefa hozongozonina, ary be mpitia ny tsirony.​—Na 3:12.

Manomboka misy voany indray ny sampan’aviavy efa avy nisy voany rehefa Febroary eo ho eo. Roa volana eo ho eo aorian’izay kosa vao mitsiry ny raviny, any amin’ny faramparan’ny Aprily na amin’ny Mey. (Mt 24:32) Manomboka masaka ny aviavy vaovao (heb.: pag), rehefa manomboka mamony ny voaloboka amin’ny Aprily eo ho eo. (To 2:13) Tokony ho efa mamoa àry ny hazo iray efa feno ravina. Toa naniry aloha tsy toy ny mahazatra ny ravin’ilay aviavy nozonin’i Jesosy Kristy, satria vao 10 Nisana taona 33 tamin’izay. Nanantena àry izy fa hisy voany masaka alohan’ny fotoana koa ilay hazo, ka nanatona azy io izy na dia mbola “tsy fotoanan’ny aviavy [aza] tamin’izay”, izany hoe mbola tsy fotoam-piotazana. (Mr 11:12-14) Tsy nisy afa-tsy ravina anefa ilay hazo, ka fantatra hoe tsy hamoa intsony, tsy araka ny fahitana azy. Nozonin’i Jesosy àry ilay hazo tsy namoa, ka maina.​—Ampit. Mt 7:19; 21:43; Lk 13:6-9.

Sakafo sy fitsaboana. Foto-tsakafo ny aviavy fahiny, ary mbola toy izany ihany any Israely sy ny tany manodidina azy. Nisy ‘mofo vita tamin’ny aviavy noporetina’ (heb.: develim) mba ho mora entina. (1Sa 25:18; 30:12; 1Ta 12:40) Natao petagilasy teo amin’ny vain’i Hezekia Mpanjaka ny mofo toy izany, ary mbola fanao izany ankehitriny any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane.​—2Mp 20:7.

Heviny an’ohatra sy ara-paminaniana. Miara-voatonona ny aviavy sy voaloboka ao amin’ny andininy maro, ary nambolena aviavy tao an-tanimboaloboka matetika, araka ny Lioka 13:6. (2Mp 18:31; Jl 2:22) Miadana sy sambatra ary tsy manana ahiahy ny olona iray lazaina fa ‘mipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny.’​—1Mp 4:25; Mi 4:4; Za 3:10.

Sarobidy tamin’olona ny aviavy, ka tsy mahagaga raha noresahin’ny faminaniana matetika. Anisan’ny sakafo tena nilain’ny firenen’Israely izy io, ka loza ny vokany raha tsy nisy ny vokatra. Rehefa nisy faminaniana àry nanambara hoe ho rava sy lao ny tanin’izy ireo, dia voalaza koa fa halazo na ho ripaka ny aviavy.​—Je 5:17; 8:13; Ho 2:12; Jl 1:7, 12; Am 4:9; Ha 3:17.

Noharin’i Jehovah tamin’ny karazana aviavy roa ny firenen’Israely. (Je 24:1-10) Tsy hisy hioty “aviavy eny amin’ny tsilo”, hoy i Jesosy, rehefa nampianatra izy hoe fantatra amin’ny voa ratsy vokariny ny mpaminany sandoka. (Mt 7:15, 16; ampit. Jk 3:12.) Famantarana fotoana koa ny aviavy, noho izy “mandravina” eny antenatenan’ny lohataona. (Mt 24:32-34) Mora mihintsana ny ‘aviavy manta’ (gr.: ôlyntôs) rehefa hozongozonin’ny rivotra mahery, ka natao ohatra ao amin’ny Apokalypsy 6:13.