Azazia
(Azazìa) [Nasehon’i Jehovah fa Mahery Kokoa Izy].
1. Iray tamin’ireo olona enina nitendry harpa, tamin’ilay filaharam-be nankany Jerosalema mba hanatitra ny Vata misy ny fifanekena.—1Ta 15:21.
2. Rain’ilay Hosea andrianan’ny fokon’i Efraima, tamin’ny andron’i Davida.—1Ta 27:16, 20, 22.
3. Levita iray, anisan’ireo mpiadidy folo notendren’i Hezekia Mpanjaka hitondra an’ireo fanomezana ho ao an-tranon’i Jehovah.—2Ta 31:12, 13.