Azeka
(Azèka) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mangady”].
Tanàna tany amin’ny faritr’i Sefela, teo amin’ny fiandohan’ny Lohasahan’i Elaha. Maro no milaza azy io ho i Tell Zakariyeh (Tel ʽAzeka), tokony ho 26 km any avaratrandrefan’i Hebrona.
Voaresaka voalohany izy io ao amin’ny Josoa 10:5-11, izay mitantara ny ady nataon’ireo mpanjaka kananita dimy nivondrona hanafika an’i Gibeona. Tonga nanavotra an’i Gibeona i Josoa sy ny tafiny, ary nenjehin’izy ireo ny Kananita, “hatrany Azeka sy Makeda” (halaviran-dalana tokony ho 30 km). Nomena ny fokon’i Joda ilay tanàna avy eo.—Js 15:20, 35.
Tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka (1117-1078 T.K.), dia niangona teo anelanelan’i Soko sy Azeka ny tafiky ny Filistinina, ka i Goliata no nisolo tena azy ireo. Rehefa tonga ny Israely, dia nifanatrika teo amin’ny andaniny roa tamin’ny Lohasahan’i Elaha ny tafiky ny Israely sy ny an’ny Filistinina. Tsy nampoizina ny fandresen’i Davida an’i Goliata ka vaky nandositra ny Filistinina.—1Sa 17:1-53.
Rehefa nizara ny fanjakana, taorian’ny nahafatesan’i Solomona (t. 998 T.K.), dia nataon’i Rehoboama mpanjakan’ny Joda lasa tanàna voaro mafy i Azeka sy Lakisy ary ny tanàna hafa. (2Ta 11:5-10) Hita tamin’ireo manda sy tilikambo nofongarina tao Tell Zakariyeh fa tena voaro mafy ilay tanàna fahiny teo an-tampon-kavoana, saingy efa rava.
Rehefa notafihin’ny Babylonianina notarihin’i Nebokadnezara (609-607 T.K.) ny fanjakan’ny Joda, dia i Azeka sy Lakisy sisa no tanàna voaro mafy mbola tsy azon’izy ireo talohan’i Jerosalema. (Je 34:6, 7) Manamafy an’izany ny soratra hita tamin’ny vakin-tanimanga iray anisan’ny Vakin-tanimanga Tany Lakisy. Toa miaramila tao amin’ny tobin’ny mpitily no nanoratra ny Vakin-tanimanga laharana faha-4 ho an’ny mpitari-tafika tao Lakisy. Toy izao no voalaza ao: “Miandry ny famantarana avy eny Lakisy izahay izao, araka izay famantarana rehetra nomen’ny tompoko, satria tsy tazanay intsony ny avy eny Azeka.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 322) Raha toa izy io nosoratana tamin’ny fotoana nanafihan’ny Babylonianina (ary toa izany no izy), dia mety hidika izany fa efa resy i Azeka ka tsy nisy famantarana voaray intsony avy tamin’io tanàna voaro mafy io.
Anisan’ny tanàna nonenan’ny Jiosy nody avy tany an-tsesitany i Azeka, taorian’ny 70 taona nahalao ny tanin’i Joda.—Ne 11:25, 30.