Azgada
(Azgàda) [Mahery i Gada].
Lohan’ny fianakaviambe avy amin’ny rainy. Nisy tamin’io fianakaviambe io niverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Zerobabela, tamin’ny 537 T.K. (Ezr 2:12; Ne 7:17), ary nisy koa niaraka tamin’i Ezra tamin’ny 468 T.K. (Ezr 8:12) Toa taranak’i Azgada ny iray tamin’ireo olona nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” nampanaovin’i Nehemia.—Ne 9:38; 10:1, 14, 15.