Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azia

Azia

(Azìa).

Tsy ny kontinantan’i Azia no tian’ny Soratra Grika Kristianina holazaina amin’ny hoe “Azia”, fa ny faritany romanina eo amin’ny ilany andrefan’i Azia Minora.

SARITANY: Azia Minora, Anarana Faritra Fahiny

Faritany romanina. Anisan’ny faritanin’i Azia i Mysia, Lydia, Karia, ary indraindray koa i Frijia, sy ireo nosy manodidina. Ireto avy àry no nanodidina an’i Azia: Ny Ranomasina Égée, ny faritanin’i Bitynia sy Galatia (anisan’izy io ny ampahany amin’i Frijia), ary Lykia. Tsy tena voafaritra tsara anefa ny sisin-tanin’i Azia satria niovaova.

SARITANY: Azia Minora, Ireo Faritany Romanina

I Pergamosy, tany Mysia, no renivohitr’i Azia tamin’ny voalohany, fa lasa i Efesosy, tany atsimo kokoa, kosa izany nandritra ny fitondran’i Aogosto. Ny Antenimieran-doholona no nifehy ny faritanin’i Azia, tamin’ny taona 27 T.K., ka ny governoram-paritra no nitondra tao. (As 19:38) Nizara ho faritra 9 io faritany io, ary ireo indray nizara ho tanàna 44.

Nilaza i Lioka fa anisan’ireo Jiosy tonga tao Jerosalema, tamin’ny Pentekosta taona 33, ny avy any amin’ireo faritanin’i Azia sy Kapadokia, Ponto, ary Pamfylia. (As 2:9, 10; ampit. 1Pe 1:1.) Notononiny nitokana i Frijia fa tsy nampiarahiny tamin’i Azia eto sy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:6. Nanao toy izany koa i Pline Zokiny, Romanina mpanoratra tamin’ny taonjato voalohany. (Tantaran’ny Zavaboary, V, XXVIII, 102) Voalaza fa “tsy navelan’ny fanahy masina hitory ny teny tany amin’ny faritr’i Azia” i Paoly, tamin’izy niankandrefana, tamin’ny dia misionera faharoa nataony (t. 49-52). (As 16:6, 7) Nitodi-doha nianavaratra ho any amin’ny faritanin’i Bitynia àry izy ka namakivaky an’i Frijia sy Galatia. Nasaina niova lalana anefa izy ka niankandrefana namakivaky an’i Mysia mba ho any amin’ny seranan’i Troasy, izay toerana fakana sambo mankany Makedonia. Tao Troasy i Paoly no nahazo fahitana nisy an’izao fanasana izao: “Miampità mankatỳ Makedonia ka ampio izahay.” (As 16:9) Nandalo tany amin’ny ilany avaratra tamin’ny faritanin’i Azia i Paoly, fa tsy nijanona tao raha tsy efa tontosany ny anton-diany tany Makedonia sy Akaia. Nijanona kelikely tao Efesosy mantsy izy rehefa niverina, ary nitory tao amin’ny synagoga. Nampanantena ny hiverina izy rehefa hiainga.​—As 18:19-21.

Nijanona roa taona tao Efesosy i Paoly, tamin’ny dia misionera fahatelo nataony (t. 52-56), ka “nandre ny tenin’ny Tompo daholo ny mponina tany amin’ny faritr’i Azia, na Jiosy na Grika.” (As 19:1-10, 22) Azo inoana fa tamin’izay (t. 55) izy no nanoratra ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina, tamin’izy mbola tao Efesosy. Nilaza izy tamin’izay hoe mampamangy hoy ny “fiangonana atỳ Azia.” Asehon’izany fa nisy fandrosoana tsara tany Azia. (1Ko 16:19) Niresaka momba ny olana sy ny loza nanjo azy tany Azia izy tatỳ aoriana, rehefa nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’ny Korintianina, tamin’izy tany Makedonia. (As 19:23-41; 2Ko 1:8) Tamin’ny dian’i Paoly niverina nandeha sambo, dia nolalovany fotsiny i Efesosy. Tsy te hijanona ela tany Azia mantsy izy. Nijanona vetivety tao Samo izy, ary nidina tao Mileto any Karia, izay anisan’ny faritanin’i Azia, ka nampiantso an’ireo “anti-panahin’ny” fiangonan’i Efesosy.​—As 20:15-18.

Nentina hotsaraina voalohany tany Roma i Paoly (t. 60/61) rehefa nisahotaka ny vahoaka tao Jerosalema noho ny fampirisihan’ny “Jiosy avy any Azia.” (As 21:27, 28; 24:18, 19; ampit. 6:9.) Sambo nankany amin’ny “toerana maro nanaraka ny morontsirak’i Azia” aloha no nandehanan’i Paoly, fa nifindra sambo izy rehefa tonga tao Myra, tao amin’ny faritanin’i Lykia, izay nifanila tamin’ny faritanin’i Azia.​—As 27:2-6.

Asehon’ny tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Timoty 1:15 (nosoratana tany Roma tamin’ny taona 65 tany ho any) fa nampihatra fanenjehana nivaivay tamin’ny Kristianina ny mpitondra romanina, ka tsy nety nifandray tamin’i Paoly tany am-ponja ny Kristianina tany “amin’ny faritr’i Azia.” Nandao azy tao anatin’ny sarotra izy ireo. Marina fa “ireo rehetra any amin’ny faritr’i Azia” no voalaza eo. Tsy midika anefa izany hoe ny Kristianina rehetra tany no nandao an’i Paoly, satria avy any Efesosy i Onesiforosy izay noderain’i Paoly taorian’ny nilazany an’ilay teniny tetsy aloha.​—2Ti 1:16-18; 4:19.

Nisy Kristianina foana tany Azia, rehefa jerena ny bokin’ny Apokalypsy sy ny hafatra fito nalefan’i Jaona ho an’ny fiangonana fito tany amin’ireo tanàna lehibe tany Azia, dia i Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, ary Laodikia. Nahazo teny fiderana ny ankamaroan’ireo fiangonana tany noho izy ireo niaritra fahoriana. (Ap 1:4, 11; 2:2, 3, 9, 10, 13, 19; 3:10) Tany amin’ny nosy Patmo, akaikin’ny morontsiraky ny faritanin’i Azia i Jaona tamin’izay (t. 96). Maro no milaza fa tany Efesosy, na tany akaiky tany, no nanoratan’i Jaona ny Filazantsarany sy ireo taratasiny telo, satria taorian’ny nanafahana azy tany Patmo ireo no nosoratany.

Anisan’ny tanànan’ny faritanin’i Azia resahin’ny Soratra Masina koa i Kolosia, Hierapolia, Adramytena, ary Aso.