Azora
(Azòra).
[1-3: Ilay Manampy]
1. Rain’ilay mpaminany sandoka atao hoe Hanania avy any Gibeona.—Je 28:1.
2. Rain’i Jazania, ilay “andrianan’ny vahoaka” sady anisan’ireo 25 lahy ‘nitetika hanisy ratsy sy nanolo-kevi-dratsy hahavoa’ an’i Jerosalema, araka ny fahitana azon’i Ezekiela.—Ezk 11:1, 2.
3. Anisan’ireo “lohandohany teo amin’ny vahoaka”, ary ny taranany, na izy mihitsy, no nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” nataon’i Nehemia.—Ne 10:1, 14, 17; 9:38.
4. [avy amin’ny teny heb., ary midika hoe “Ilay Manampy”]. Razamben’i Josefa ray nitaiza an’i Jesosy, ary velona taorian’ny sesitany.—Mt 1:13, 14, 16.