Babela
(Babèla) [Fisafotofotoana].
Iray tamin’ireo tanàna naorina voalohany taorian’ny Safodrano. Tao no nataon’Andriamanitra “nisafotofoto ny fitenin’ny tany manontolo.” (Ge 11:9) Avy amin’ilay matoanteny hoe balal, izay midika hoe “atao misafotofoto”, ilay anarana. Nihevitra anefa ny mponina tao fa foiben’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra ilay tanànany. Nolazainy àry fa avy amin’ny hoe Bab (Vavahady) sy hoe ilo (Andriamanitra) ilay anarana, ka midika hoe “Vavahadin’Andriamanitra.”
Tao Babela “tany amin’ny tany Sinara” no niandohan’ny fanjakan’i Nimroda ratsy fanahy, izay “mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah.” Naorin’i Nimroda teo amin’ny lemaka feno antsanga ilay tanàna. Ny fahatondrahan’ny Reniranon’i Eofrata sy Tigra no nampisy sy nampiangona an’ireny antsanga ireny. (Ge 10:9, 10) Tsy nisy vato teo amin’ilay toerana, ka tanimanga no nampiasain’ireo mpanorina. Hoy izy ireo: “Andao isika hanao biriky ka handoro izany ao anaty lafaoro.” Godorao no nataony solon-drihitra, satria tsy nisy ny sokay.—Ge 11:3.
Nanohitra an’Andriamanitra ireo nanorina tilikambo tao Babela. Tian’izy ireo ‘hahatakatra ny lanitra ny tampony’, satria te ‘hampahalaza ny anarany’ izy ireo. Tiany hampiasaina amin’ny fivavahan-diso koa ilay izy, fa tsy hivavahana amin’i Jehovah sy hiderana azy.—Ge 11:4.
Mety ho azo fantarina avy amin’ny fotoana nahaveloman’i Palega (2269-2030 T.K.) hoe tokotokony ho oviana no nanorenana an’ilay tilikambo. Midika hoe “Fizarana” mantsy ny anarany, satria “tamin’ny androny no voazarazara ny tany”, izany hoe ny mponina teto an-tany. “Naparitak’i Jehovah avy tao [Babela] izy ireo ka niely nanerana ny tany.” (Ge 10:25; 11:9) Nilaza koa i Sharkalisharri, mpanjakan’i Agadé (Akada) fahiny, fa nohavaoziny indray ny tilikambo iray natao tempoly tao Babylona. Midika izany fa efa nisy talohany ilay tilikambo.