Babo
Olona fatorana, atao sesitany, gadraina, na gejaina, indrindra fa azo sambo-belona tany an’ady. (No 21:1) Matetika no babo an’ady ny mponin’ireo tanàna sy faritra resy fahiny, ary nobaboina koa ny biby fiompiny. (1Ta 5:21; 2Ta 14:14, 15; Am 4:10) Nobaboin’ny Filistinina ny Vata misy ny fifanekena, indray mandeha, ka nahitany loza. (1Sa 4:11–5:12) Efa nisy babo tamin’ny andron’ny loham-pianakaviana fahiny, ary i Lota no resahin’ny Baiboly voalohany ho toy izany. Nobaboin’ny miaramilan’i Kedorlaomera izy nefa novonjen’i Abrahama. (Ge 14:14; 31:26; 34:25-29) Tsy babo an’ady i Joba nefa toy ny hoe tany amin’ny ‘fahababoana’, mandra-panafak’i Jehovah azy tamin’ny fahoriany.—Jb 42:10, JM.
Naringan’ny Israelita tanteraka ny tanàna sasany sy ny mponina tao, toa an’i Jeriko izay resiny voalohany, rehefa haka ny Tany Nampanantenaina izy ireo. (Js 6:17, 21) Tsy toy ny firenena mpanompo sampy anefa izy ireo, satria tsy nahazo nametaveta vehivavy rehefa namabo tanàna tsy voatokana haringana. Nisy zavatra tsy maintsy nataon’ny lehilahy israelita kosa, raha te haka vehivavy babo ho vady izy.—Ft 5:11; No 31:9-19, 26, 27; De 21:10-14.
Navelan’i Jehovah hobaboin’ny fahavalo nanafika azy anefa ny Israelita indraindray, rehefa nivadika taminy. (2Ta 21:16, 17; 28:5, 17; 29:9) Nataon’ny Fanjakana Asyrianina sy Babylonianina sesitany, ohatra, ny Israelita an’arivony, tamin’ny taonjato fahavalo sy fahafito T.K., araka ny faminanian’i Ahia sy Jeremia. (1Mp 14:15; Je 15:2; jereo FAHABABOANA.) Efa nampitandrina koa i Mosesy fa “ho lasa babo” ny zanakalahin’izy ireo sy ny zanany vavy raha tsy mankatò izy ireo. Hampodina anefa ireo babo raha mibebaka. (De 28:41; 30:3) Fantatr’i Solomona koa fa ho lasa babo ny Israelita raha mivadika, ary nivavaka izy mba hafahan’i Jehovah izy ireo raha mibebaka.—1Mp 8:46-52; 2Ta 6:36-39; jereo koa 2Ta 30:9; Ezr 9:7.
Niovaova arakaraka ny toe-javatra ny natao tamin’ireo babo. Nisy navela hijanona tao amin’ny taniny raha nandoa hetra sy tsy nikomy. (Ge 14:1-4; 2Sa 8:5, 6; 2Mp 17:1-4) Nisy mpanjaka resy navela hitondra ihany raha nanaiky hofehezin’ilay mpandresy, ary nisy nosoloana. (2Mp 23:34; 24:1, 17) Babo maro be kosa indraindray no niara-novonoina ho faty, toy ireo 10 000 navarina avy teny an-tampon’ny harambato ka “montsamontsana avokoa.” (2Ta 25:12) Lozabe ny mpandresy sasany ary tia nampijaly, ka nisy babo “nahantona tamin’ny tanany” iray (Ft 5:12), notapahina ny orony sy ny sofiny (Ezk 23:25), nopetahana vy mahamay ny masony ka lasa jamba na nopotsirina tamin’ny lefona na sabatra (Mpts 16:21; 1Sa 11:2; Je 52:11), na ‘notatahana ny kibon’ny vehivavy bevohoka.’ (Am 1:13) Ny Asyrianina no tena nalaza hoe lozabe. Nisy babo nofatorany, avy eo nendahany ny hodiny, araka ny sary eo amin’ny tsangambato.
Matetika ireo babo no nentina hanao asa an-terivozona (2Sa 12:29-31; 1Ta 20:3), natao andevo, na namidy (1Sa 30:1, 2; 2Mp 5:2; Is 14:3, 4). Ny mpandresy kosa matetika finaritra erỳ nahita an’ireo babo niara-nafatotra tamin’ny vozony na lohany (ampit. Is 52:2) na tamin’ny gadra varahina (2Mp 25:7), ka nitondra azy ‘nitanjaka sy tsy nanao kapa ary niseho fitombenana’ mba ho menatra sy afa-baraka.—Is 20:4.
Vaovao mahafaly resahin’ny faminaniana maro ny hoe hafahana sy hampodina ireo Jiosy babo. (Is 49:24, 25; Je 29:14; 46:27; Ezk 39:28; Ho 6:11; Jl 3:1; Am 9:14; Ze 3:20) Tsy andrin’ny mpanao salamo koa ny fotoana “ampodin’i Jehovah ireo olony babo.” (Sl 14:7; 53:6; 85:1; 126:1, 4) Maro tamin’ireny faminaniana ireny no tanteraka nanomboka tamin’ny 537 T.K. Nisy sisa tamin’ireo babo nofehezin’ny Fanjakana Persianina mantsy niverina tany Jerosalema, ka nanorina indray an’ilay tanàna sy ny tempoliny. (Ezr 2:1; 3:8; 8:35; Ne 1:2, 3; 7:6; 8:17) Voalazan’ny faminaniana fa ho lasa babo koa ny fahavalon’ny vahoakan’i Jehovah, toy ny Babylonianina (Is 46:1, 2; Je 50:1, 2), Ejipsianina (Je 43:11, 12; Ezk 30:17, 18), ary Moabita (Je 48:46).
Naka teny tao amin’ny Isaia 61:1, 2 i Jesosy, ary nilaza fa izy ilay nirahin’i Jehovah “hitory fanafahana amin’ny babo sy fampahiratana amin’ny jamba.” (Lk 4:16-21) Nataon’ny apostoly Paoly fanoharana ny mpandresy fahiny nitondra babo. (Ef 4:8; 2Ko 10:5) Marina àry izao voalazan’ny Apokalypsy 13:10 izao: “Raha misy natao ho amin’ny fahababoana, dia ho lasa babo izy.”