Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Babylona Lehibe

Babylona Lehibe

Noresahin’i Jaona ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ny fanamelohana an’i “Babylona Lehibe” sy ny mombamomba azy io ary ny faharavany.​—Ap 14:8; 16:19; toko 17, 18; 19:1-3.

Resahin’ny Apokalypsy 17:3-5 ho toy ny vehivavy manao akanjo volomparasy sy mena midorehitra i Babylona Lehibe. Manao firavaka be dia be izy, ary mitaingina bibidia mena midorehitra manan-doha fito sy tandroka folo. Voasoratra eo amin’ny handriny izao anarana izao, “izay zava-miafina: ‘Babylona Lehibe, renin’ny mpivaro-tena sy ny zava-maharikoriko amin’ny tany.’” Mipetraka eo ambonin’ny “rano maro”, na “olona sy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny”, izy.​—Ap 17:1-15.

Tsy ilay tanànan’i Babylona fahiny tany Mezopotamia i Babylona Lehibe. Miaina ao anatin’ny renty sy manana fahefana lehibe mantsy izy. I Babylona fahiny kosa lasa tsy firenena natanjaka intsony rehefa resin’i Kyrosy Persianina tamin’ny 539 T.K. Nafahana koa ireo babony, anisan’izany ny Jiosy. Mbola nisy ilay tanàna tamin’ny andron’i Jaona sy taorian’ny andron’ireo apostoly. Tsy nalaza eran-tany intsony anefa izy io, ary lasa aolo tatỳ aoriana. Tanàna an’ohatra àry i Babylona Lehibe, izay mifanitsy amin’ilay Babylona fahiny. Tsara anefa ny handinihana ny nampiavaka an’ilay Babylona teo amoron’i Eofrata, mba hahafantarana hoe iza marina ilay tanàna an’ohatra noresahin’i Jaona.

Ny mombamomba an’i Babylona fahiny. Niara-naorina tamin’ny Tilikambon’i Babela teo amin’ny Lemak’i Sinara ny tanànan’i Babylona. (Ge 11:2-9) Ny ‘hampahalaza ny anarany’ no tanjon’ireo mpanorina, fa tsy ny hanandratra ny anaran’Andriamanitra. Toa nampiasaina tamin’ny fivavahana ilay tilikambo, na manao ahoana na manao ahoana bikany, rehefa jerena ireo tempoly nofongarina tao Babylona fahiny sy tany amin’ny faritra hafa tany Mezopotamia. Nampiasaina tamin’ny fivavahan-diso ilay izy, matoa natsahatr’i Jehovah Andriamanitra ilay tetikasa fanorenana. “Fisafotofotoana” no dikan’ny hoe Babela, izay anaran’ilay tanàna amin’ny teny hebreo. Samy midika hoe “Vavahadin’Andriamanitra” kosa ny anarany amin’ny teny somerianina (Ka-dingir-ra) sy akadianina (Bab-ilo). Novan’ny mponina sisa tavela tao ny anaran’ilay tanàna, mba tsy ho hita fa misy ifandraisany amin’ny hoe “Fisafotofotoana.” Mbola hita amin’ilay anarany vaovao ihany anefa hoe foiben’ny fivavahana tao.

I Babela no voatonona voalohany amin’ireo ‘niandohan’ny fanjakan’i Nimroda.’ (Ge 10:8-10) Fahavalon’i Jehovah Andriamanitra sy ny vahoakany foana i Babylona fahiny, araka ny Soratra Hebreo.

Lasa renivohi-panjakana i Babylona tamin’ny taonjato fahafito sy fahenina T.K. Foiben’ny fivavahana anefa no tena nampiavaka azy, ary niely hatraiza hatraiza ny fivavahana tao.

Hoy ny Profesora Morris Jastrow, zanany: “Niely hatrany Ejipta sy Persa ary Gresy fahiny ny fivavahana babylonianina, talohan’ny niforonan’ny Fivavahana Kristianina. ... Tena nisy heriny teo amin’ny fivavahana tamin’i Mithra tany Persa ny zavatra ninoan’ny Babylonianina. Lasa nitana toerana lehibe teo amin’ny zavatra ninoan’ny Romanina ireo mistery nampianarin’io fivavahana io. Porofo koa izany fa avy tamin’ny kolontsaina iray fahiny no nipoiran’ny kolontsaina nanerana ny Lohasahan’i Eofrata.” Nanatsoaka hevitra izy hoe: “Nisy heriny lehibe teo amin’ny tontolo fahiny ny zavatra ninoana sy ny fivavahana tany Babylonia.”​—Ny Fivavahan’i Babylonia sy Asyria, 1898, p. 699-701.

Nilaza i V. Childe, mpikaroka ny any ambanin’ny tany, fa niely niantsinanana nankany India (Inde) ny fivavahana babylonianina. Hoy koa izy: “Marika nampiasain’ny fivavahana na ny mpanao asan’ny maizina tany Babylonia sy Elama fahiny ny lakroa nazia sy ny lakroa tsotra, fahita amin’ny tombo-kase sy takelaka eny amin’ny rindrina na tsangambato. Mbola ampiasaina toy izany foana ireny lakroa ireny any Inde sy any an-toeran-kafa ankehitriny.” (Fanazavana Vaovao Momba ny Atsinanana Fahiny, 1957, p. 185) Niely tany amin’ny firenena sy vahoaka maro àry ny fivavahan’i Babylona fahiny, ka nisy heriny lehibe sy naharitra kokoa noho ny fanjakana tao.

Azo lazaina hoe teo ambonin’ny rano maro koa i Babylona fahiny, satria nandalovan’ny Reniranon’i Eofrata, sady nisy lakandrano sy hadivory feno rano. (Je 51:1, 13; Ap 17:1, 15) Natao fiarovana an’ilay tanàna izy ireny, ary lalan’ireo sambo nitondra zava-tsarobidy avy tany amin’ny faritra maro. Voalaza fa ho ritra ny ranon’i Eofrata, rehefa hihatra amin’i Babylona Lehibe ny didim-pitsaran’Andriamanitra.​—Ap 16:12, 19.

Ny mampiavaka an’i Babylona Lehibe. ‘Tanàna lehibe mifehy an’ireo mpanjakan’ny tany’ i Babylona Lehibe, ka mipetraka eo ambonin’ny “rano maro” na “olona sy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny.” (Ap 17:1, 15, 18) Manandra-tena ho ambonin’ny mpanjaka eto an-tany izy, ary mitaingina bibidia manan-doha fito. Ilazana firenena matanjaka ny bibidia ao amin’ny Baiboly.​—Jereo BIBY AN’OHATRA.

Misy manam-pahaizana mihevitra fa firenena matanjaka i Babylona Lehibe, ka mety ho i Babylona na i Roma. Efa tsy firenena natanjaka intsony anefa i Babylona, tamin’i Jaona nahazo an’ilay fahitana. Ny rafi-pitondran’i Roma koa tsy mifanaraka amin’izay voalaza momba an’i Babylona Lehibe. Mpivaro-tena mantsy i Babylona Lehibe, ary mijangajanga amin’ireo mpanjakan’ny tany, ka ataony mamon’ny divain’ny fijangajangany izy ireo. Ny ‘filalaovany ody’ koa no amitahany an’ireo firenena. (Ap 17:1, 2; 18:3, 23) I Roma kosa lasa firenena nahery satria nanana tafika natanjaka toy ny vy, sady nampihatra ny lalàny tany amin’ireo faritaniny sy zanataniny. Hoy Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny: “Tsy azo lazaina hoe i Roma i Babylona. Tsy fanjakana na kolontsaina iray monja i Babylona. Tsy ny sisin-taniny na ny vanim-potoana no ahalalana hoe iza izy, fa ireo fanompoan-tsampy ataony. Amin’ny fotoana iray ihany no isian’i Babylona sy ilay bibidia mampahory sy manandevo ny olombelona. Tsy maintsy mandresy an’ilay bibidia ny Zanak’ondry (Ap 17:14) raha te hanafaka ny olombelona.”​—Nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky 1, p. 338.

Matetika no misy firenena oharina amin’ny mpivaro-tena na mpijangajanga, ao amin’ny Soratra Hebreo. Nampitandremana, ohatra, ny firenen’Israely fa raha manao fifanekena amin’ireo firenena tany Kanana izy ireo, dia hanana “fifandraisana mamoafady amin’ny andriamaniny [“hijangajanga hanaraka ny andriamaniny”, Prot.].” (Ek 34:12-16) Niala tamin’ny fivavahana marina anefa ny Israely sy Joda, ka nivaro-tena tamin’ny firenen-kafa sy ny andriamanitr’ireny. Nomelohin’i Jehovah Andriamanitra àry izy ireo. (Is 1:21; Je 3:6-10, 13; Ezk 16:15-17, 28, 29, 38; Ho 6:10; 7:11; 8:9, 10) Tsy noho ny Israely sy Joda nifandray tamin’ny fanjakana hafa no nanamelohan’Andriamanitra azy ireo, fa noho izy ireo efa nanao fifanekena taminy ka vahoaka masina voatokana ho azy sy ho an’ny fivavahana madio.​—Je 2:1-3, 17-21.

Oharina amin’ny virjiny ho lasa vadin’i Kristy kosa ny fiangonana kristianina, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. I Kristy no Lohany sy Mpanjakany. (2Ko 11:2; Ef 5:22-27) Nampitandreman’i Jakoba mpianatr’i Jesosy àry ny Kristianina mba tsy hinamana amin’izao tontolo izao, sao ho lasa toy ny hoe manitsakitsa-bady. (Jk 4:4; ampit. Jn 15:19.) Mijangajanga na minamana amin’izao tontolo izao anefa i Babylona Lehibe sy ireo ‘zanany vavy.’ (Indraindray ilazana tanàna kely manodidina tanàn-dehibe ny hoe “zanakavavy” amin’ny teny hebreo, izay nadika hoe “tanàna miankina aminy.” Anisan’izany, ohatra, ireo tanàna niankina tamin’i Samaria sy Sodoma; jereo Ezk 16:46-48.)

Tsara homarihina koa izay hitranga rehefa avy tafihin’ny tandroka folon’ilay bibidia i Babylona Lehibe. Halahelo azy daholo ireo mpanjakan’ny tany nijangajanga taminy, sy ireo mpivaro-mandeha nivarotra zava-tsarobidy isan-karazany taminy. Mpitondra ara-politika sy mpivarotra ireo halahelo azy, fa tsy hisy mpitondra fivavahana na iray aza. (Ap 17:16, 17; 18:9-19) Hiharan’ny didim-pitsarana koa ireo mpanjakan’ny tany rehefa rava i Babylona Lehibe. Tsy ny “tandroka folo” anefa no handringana azy ireo, fa ny sabatr’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka na “Ny Tenin’Andriamanitra.”​—Ap 19:1, 2, 11-18.

Voalaza fa “mamon’ny ran’ny olona masina sy ny ran’ny vavolombelon’i Jesosy” koa i Babylona Lehibe. (Ap 17:4, 6; 18:24; 19:1, 2) Tena izy mihitsy no mifanitsy amin’ilay Babylona fahiny, satria mankahala ny vahoakan’Andriamanitra koa izy. Nilaza, ohatra, i Jesosy fa ireo mpitondra fivavahana no tompon’andraikitra tamin’ny fandatsahana ny ‘ran’ny olo-marina rehetra teto ambonin’ny tany, nanomboka tamin’ny ran’i Abela olo-marina ka hatramin’ny ran’i Zakaria.’ Ny mpitondra fivavahana jiosy tamin’ny androny ireo noresahin’i Jesosy ireo, ary nanenjika mafy ny mpianany izy ireo. Nisy olon-kafa koa anefa nanohitra ny Fivavahana Kristianina tatỳ aoriana (resahin’ny tantara fa nenjehina mafy koa ny Jiosy).​—Mt 23:29-35.

Ny fandinihana izany rehetra izany no manampy antsika hahafantatra ny mombamomba an’i Babylona Lehibe, sy hahafantatra hoe iza marina izy io.