Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Baiboly

Baiboly

Ny Soratra Masina na ny Tenin’i Jehovah azo avy amin’ny herin’ny fanahy masina. Tsy manan-tsahala izy io satria efa nisy hatry ny ela, boky miely patrana indrindra, voadika amin’ny fiteny maro be, sangan’asa faran’izay miavaka, ary tena mahasoa ny olona rehetra. Tsy mila boky hafa manamarina azy izy io, ary tsy naka tahaka boky hafa koa. Ny zavatra raketiny ihany no manaporofo fa marina ny voalaza ao, ka mahazo voninahitra ilay Mpanoratra azy. Miavaka koa ny Baiboly satria mbola misy foana izy io hatramin’izao, na dia be mpankahala sy be mpitsikera indrindra aza.

Anarany. Midika hoe “boky kely maro” ny teny grika hoe biblia, izay nahazoana ny teny latinina niavian’ny hoe “Baiboly.” Ny hoe biblia kosa dia avy amin’ny hoe biblôs, ilazana ny atin’ny zozoro nanaovana taratasy papyrus taloha. Ny fanamboarana an’io taratasy io no nampahalaza an’i Gebala, tanàna fenisianina antsoin’ny Grika hoe “Byblos.” (Js 13:5) Nilazana asa soratra, horonam-boky, boky, ary ny fitambaran’ireo boky kely ao amin’ny Baiboly ny hoe biblia, tatỳ aoriana. Nantsoin’i Jérôme hoe Bibliotheca Divina na Fitambaram-boky avy Amin’Andriamanitra ireo boky kely ireo.

Nantsoin’i Jesosy sy ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina hoe “Soratra Masina” ireny boky masina ireny. (Mt 21:42; Mr 14:49; Lk 24:32; Jn 5:39; As 18:24; Ro 1:2; 15:4; 2Ti 3:15, 16) Mirakitra ny hafatra nampitain’Andriamanitra izy ireny matoa voalaza fa hita ao ny ‘teny avy amin’ny vavan’i Jehovah’ (De 8:3), ‘teny nolazain’i Jehovah’ (Js 24:27), “didin’i Jehovah” (Ezr 7:11), “lalàn’i Jehovah”, “fampahatsiahivan’i Jehovah”, “fitsipik’i Jehovah” (Sl 19:7, 8), “tenin’i Jehovah” (Is 38:4; 1Te 4:15) ary ‘teny avy amin’i Jehovah’ (Mt 4:4). Matetika koa izy ireny no antsoina hoe “fanambarana masin’Andriamanitra.”​—Ro 3:2; As 7:38; He 5:12; 1Pe 4:11.

Fizarany. Fitambarana boky 66 ny Baiboly, dia ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy. Tsy hoe nampanoratra an’ireo boky ireo fotsiny Andriamanitra fa niaro tsara azy ireo koa, matoa izy ireo ihany no voafidy ho boky masina, fa ny maro hafa kosa tsy nekena ho anisany. (Jereo APOKRIFA; BOKY EKENA HO ANISAN’NY SORATRA MASINA.) Soratra Hebreo no iantsoana an’ireo boky 39 voalohany (telo ampahefatry ny Baiboly) satria nosoratana tamin’ny teny hebreo izy rehetra, afa-tsy ampahany kely natao tamin’ny teny aramianina. (Ezr 4:8–6:18; 7:12-26; Je 10:11; Da 2:4b–7:28) Natambatry ny Jiosy ny sasany tamin’ireo boky ireo, ka 22 na 24 monja ny azy ny ao amin’ny Soratra Hebreo. Fanaony koa ny nizara telo ny Soratra Masina, dia ny ‘lalàn’i Mosesy sy ny Mpaminany ary ny Salamo.’ (Lk 24:44; jereo SORATRA HEBREO.) Soratra Grika Kristianina kosa no iantsoana an’ireo boky 27 farany (ampahefatry ny Baiboly) nosoratana tamin’ny teny grika. Hita fa i Jehovah mihitsy no nanara-maso hatramin’ny farany ny asan’ireo nanoratra sy nanambatra ary nampiditra an’ireo boky ireo ho anisan’ny Soratra Masina.​—Jereo SORATRA GRIKA KRISTIANINA.

Tsy nozaraina ho toko sy andininy (misy toko 1188 sy andininy 31 141 ao amin’ny Prot.) ny Baiboly tany am-boalohany. Taonjato maro tatỳ aoriana vao nampidirina ireo toko sy andininy, ary hita hoe tena nilaina. Ny Masoreta no nitsinjara ny Soratra Hebreo ho andininy. Nozaraina ho toko koa ny Soratra Hebreo tamin’ny taonjato faha-13. Ny Baiboly frantsay nataon’i Robert Estienne tamin’ny 1553 no Baiboly voalohany misy toko sy andininy, toy ny hita ankehitriny.

Azo lazaina hoe boky iray ihany ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly. Marina fa nasiana toko sy andininy ny Baiboly ary nozaraina ho Soratra Hebreo sy Grika araka ny fiteny nanoratana azy tany am-boalohany. Natao hanamorana ny fianarana Baiboly fotsiny anefa izany, fa tsy hizarazarana azy akory. Nampiana hoe “Kristianina” ny Soratra Grika mba hanavahana azy amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Soratra Hebreo nadika ho amin’ny teny grika).

“Testamenta Taloha” sy “Testamenta Vaovao.” “Testamenta Taloha” no fiantsoan’ny olona ny ampahany amin’ny Soratra Masina nosoratana tamin’ny teny hebreo sy aramianina, satria izany no hita ao amin’ny 2 Korintianina 3:14, ao amin’ny Vulgate latinina sy ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques. Diso anefa ny nandikana an’ilay teny grika hoe diatekes amin’ny hoe “testamenta taloha” ao amin’io andininy io. “Fifanekena” mantsy no dikany eo, toy ny ao amin’ny andininy 32 hafa ao amin’ny Soratra Grika. Baiboly maoderina maro àry no manao hoe “fanekena taloha.” (Prot., Kat.) Tsy ny Soratra Hebreo sy Aramianina manontolo no noresahin’ny apostoly Paoly teo, ary tsy te hilaza izy hoe “testamenta (na fifanekena) vaovao” ireo boky nosoratan’ny Kristianina nahazo herin’ny fanahy masina. Ny fifaneken’ny Lalàna nosoratan’i Mosesy tao amin’ireo Boky Dimy Voalohany kosa no tiany horesahina. Ampahany kely monja amin’ny Soratra Masina nosoratana talohan’ny andro kristianina io fifanekena io. Izany no antony nilazan’i Paoly eo amin’ny andininy faha-15 hoe: “Isaky ny vakina izay nosoratan’i Mosesy.”

Tsy mitombina àry ny iantsoana ny Soratra Hebreo sy Aramianina hoe “Testamenta Taloha”, ary ny Soratra Grika Kristianina hoe “Testamenta Vaovao.” “Soratra Masina” no niantsoan’i Jesosy Kristy sy Paoly an’ireo boky masina ireo.​—Mt 21:42; Mr 14:49; Jn 5:39; Ro 1:2; 15:4; 2Ti 3:15.

Mpanoratra. Olona 40 teo ho eo no nampiasain’i Jehovah hanoratra ny Teniny, araka ny hita amin’io tabilao io. “Ny Soratra Masina iray manontolo”, anisan’izany ny Soratra Grika Kristianina sy “ny andininy hafa ao amin’ny Soratra Masina”, dia “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” (2Ti 3:16; 2Pe 3:15, 16) Ny teny grika hoe teôpneostôs, midika hoe “avy amin’ny fofonain’Andriamanitra”, no nadika hoe “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” Niasan’ny fanahin’Andriamanitra na ny hery ampiasainy àry ireo lehilahy tsy nivadika ireo, ka natorony azy ireo izay tokony hosoratana. “Tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana [tokoa] ny faminaniana, fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.”​—2Pe 1:21; Jn 20:21, 22; jereo FANAHY, AVY AMIN’NY.

Oharina amin’ny “rantsantanan’Andriamanitra” ny fanahy masina. Hoy àry ireo olona nahita ny fahagagana nataon’i Mosesy: “Rantsantanan’Andriamanitra ity!” (Ek 8:18, 19; ampitahao amin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Mt 12:22, 28; Lk 11:20.) Nampiasa ny heriny koa Andriamanitra rehefa nanomboka nosoratana ny Baiboly, satria ny ‘rantsantanany’ no nanoratany ny Didy Folo teo amin’ireo takela-bato. (Ek 31:18; De 9:10) Tsy sarotra taminy àry ny nampiasa olona hanoratra ny Teniny, na ‘tsy dia nahita fianarana sy olon-tsotra’ aza ny sasany. (As 4:13) Nisy koa mpiandry ondry, tantsaha, mpanao tranolay, mpanarato, mpamory hetra, dokotera, mpisorona, mpaminany, ary mpanjaka. Nampiasa ny fanahiny i Jehovah mba hampitana ny heviny tao an-tsain’ilay mpanoratra, ary navelany hitady an’izay teny hilazana azy ilay olona indraindray. Hita taratra tamin’izay nosoratan’ilay olona ny toetrany sy ny nampiavaka azy, nefa tsy nanova ny loha hevitra sy ny zava-kendren’ny Baiboly izany. Miresaka zavatra betsaka sy lalina kokoa noho ny ao amin’ny boky hafa rehetra àry ny Baiboly, satria ahitana ny fisainan’i Jehovah sy ny sitrapony. Nataon’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra izay hanoratana ny Baiboly amin’ny fiteny mora azo, sy izay hahamora ny fandikana azy io saika amin’ny fiteny rehetra.

Naharitra ela kokoa noho ny an’ny boky hafa ny fotoana nanoratana ny Baiboly satria naharitra 1 610 taona teo ho eo. Nanoratra ny boky voalohany i Mosesy tamin’ny 1513 T.K. Nisy boky hafa anisan’ny Soratra Masina koa nosoratana, ary vita taoriana kelin’ny 443 T.K. ny bokin’i Nehemia sy Malakia. Nitsahatra efa ho 500 taona avy eo ny fanoratana ny Baiboly. Nanomboka indray izany rehefa nanoratra ny bokiny ny apostoly Matio. Efa ho 60 taona taorian’izay i Jaona, ilay apostoly farany, no nanoratra ny Filazantsarany sy taratasy telo. Ireo no boky farany nekena ho anisan’ny Soratra Masina. Hebreo daholo ireo mpanoratra, izany hoe anisan’ilay vahoaka “nanankinana ny fanambarana masin’Andriamanitra.”​—Ro 3:2.

Tsy hoe boky samy hafa nosoratan’ny Jiosy sy ny Kristianina ary avy eo natambatambatra akory ny Baiboly. Boky mirindra tsara kosa izy io, iray ihany ny loha hevitra resahiny, ary misy ifandraisany ireo tapany samihafa amin’izy io. Hita hoe tia filaminana tokoa ilay Mpamorona izay nampanoratra azy io. Nanome lalàna ampy tsara ho an’ny Israely izy ary nanome fitsipika mifehy ny fiainana tao an-toby, hatramin’ny lafiny madinika indrindra. Mbola nisy fitsipika nifehy toy izany koa rehefa nanjaka ny taranak’i Davida ary niorina ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Vao mainka izany mampiharihary sy manasongadina fa mirindra tsara ny Baiboly.

Votoatiny. Mampahafantatra ny lasa sy manazava ny ankehitriny ary manambara ny hoavy io boky tsy manan-tsahala io. Ilay mahalala hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany ihany no nahavita nampanoratra boky toy izany. (Is 46:10) Voalaza ao ny namoronana ny lanitra sy ny tany, ary ny nanomanana ny tany mba ho azon’ny olona onenana. Hazavaina ao koa hoe ahoana no nampisy ny olona sy hoe avy amin’ilay Mpanome aina ihany ny aina. Ilay Mpamorona izay nampanoratra ny Baiboly ihany no afaka manome fanazavana marina tsara toy izany. (Ge 1:26-28; 2:7) Miresaka momba ny loha hevitry ny Baiboly ilay fitantarana momba ny antony mahatonga ny olona ho faty. Voafintina ao amin’ilay faminaniana voalohany momba ‘ny taranaky ny vehivavy’ io loha hevitra io: Hamarinina ny zon’i Jehovah hitondra ary ho tanteraka ny fikasany momba ny tany, amin’ny alalan’ilay Fanjakana hotantanan’i Kristy, ilay Taranaka nampanantenaina. (Ge 3:15) Maherin’ny 2 000 taona tatỳ aoriana vao nisy resaka momba an’io ‘taranaka’ io indray, rehefa nilaza tamin’i Abrahama Andriamanitra hoe: “Ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao.” (Ge 22:18) Nomena toky koa i Davida Mpanjaka, taranak’i Abrahama, 800 taona mahery taorian’izay, fa ho avy aminy ilay ‘taranaka.’ Niresaka momba azy io ireo mpaminanin’i Jehovah tatỳ aoriana mba ho velona ao am-pon’ny olona foana ilay fanantenana. (2Sa 7:12, 16; Is 9:6, 7) Tonga tokoa ilay Taranaka Nampanantenaina, dia i Jesosy Kristy, ilay manan-jo handova “ny seza fiandrianan’i Davida rainy”, 1 000 taona mahery taorian’ny nahafatesan’i Davida na 4 000 taona taorian’ny nilazana ilay faminaniana tany Edena. (Lk 1:31-33; Ga 3:16) Noratrain’ny taranaky ny “menarana” ilay “Zanaky ny Avo Indrindra” ka maty. Ny ain’io Zanaka io no natolotra ho vidim-panavotana, mba hahafahan’ny taranak’i Adama hanan-jo ho velona ka ho afaka hiaina mandrakizay. Nakarina tany an-danitra izy avy eo ary rehefa tonga ny fotoana voatondro, dia natsipiny tamin’ny tany ilay “menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana”, izay haringana mandrakizay. Ilay loha hevitry ny Baiboly resahin’ny Genesisy sy velabelarin’ireo boky samihafa ao amin’ny Baiboly àry no resahina farany ao amin’ireo toko farany amin’ny Apokalypsy: Hampiasa an’ilay Fanjakany i Jehovah mba hanatanterahana ny fikasany be voninahitra.​—Ap 11:15; 12:1-12, 17; 19:11-16; 20:1-3, 7-10; 21:1-5; 22:3-5.

Hanamarina ny zon’i Jehovah hitondra sy hanamasina ny anarany ilay Fanjakana hotantanan’ilay Taranaka Nampanantenaina. Misongadina kokoa noho ny ao amin’ny boky hafa àry ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Miseho in-6979, ohatra, ilay anarana ao amin’ny Soratra Hebreo ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ankoatra ny fanafohezana hoe “Jah” sy ireo teny misy azy io, toy ilay anarana hoe “Josoa” midika hoe “I Jehovah dia Famonjena.” (Jereo JEHOVAH [Tena zava-dehibe ilay anarana].) Raha tsy nisy ny Baiboly, dia tsy ho fantatsika ny anaran’ilay Mpamorona sy ilay adihevitra nipoitra tany Edena, ary ny fikasany hanamasina ny anarany sy hanamarina ny zony hitondra.

Ahitana fanazavana maro hafa misy ifandraisany amin’ilay Fanjakana sy ny anaran’i Jehovah koa ao amin’ireo boky kely 66. Anisan’izany ny fambolena sy fiompiana, kintana, simia, varotra, fanorenana, fiandohan’ireo firazanana, fitondram-panjakana, fahadiovana, mozika, tononkalo, famakafakana haisoratra, ary fomba fiady. Tsy fakafakaina be toa an’ilay loha hevitry ny Baiboly izy ireo, nefa tena ilain’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany sy ny manam-pahaizana momba ny soratra fahiny.

Tsy manan-tsahala koa ny Baiboly noho izy marina tsara ara-tantara sy miresaka zava-nitranga taloha be. Ny faminaniana raketiny anefa no tena mampiavaka azy. Ilay Mpanjakan’ny Mandrakizay ihany mantsy no afaka mampahafantatra an’izay tena hitranga amin’ny hoavy. Efa ela be, ohatra, ny Baiboly no naminany momba ny fifandimbiasan’ireo firenena matanjaka, sy ny niandohan’ireo fikambanana misy ankehitriny ary ny hiafaran’izy ireo.

Manafaka ny olona amin’ny tsy fahalalana, finoanoam-poana, filozofia, ary fombafomba tsy misy dikany, ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Jn 8:32) “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.” (He 4:12) Raha tsy nisy ny Baiboly, dia tsy ho fantatsika i Jehovah, ireo soa azo avy amin’ny sorom-panavotan’i Kristy, ary izay tokony hatao mba hiainana mandrakizay ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra na eo ambany fitondrany.

Tena mahasoa ny Kristianina koa ny torohevitry ny Baiboly hoe ahoana no tokony hitondrany ny fiainany, ny fomba anatanterahany ny fanompoany, ary izay tokony hataony mba tsy ho faty rehefa horavana ity tontolo tsy tia an’Andriamanitra sy tia fahafinaretana ity. ‘Tsy tokony hanaiky intsony hovolavolain’ity tontolo ity’ izy ireo, fa hanavao ny sainy. Ilainy àry ny manetry tena na manana an’ilay toe-tsaina “izay tao amin’i Kristy Jesosy”, sy ny manala ny toetra taloha ka mitafy ny toetra vaovao. (Ro 12:2; Fi 2:5-8; Ef 4:23, 24; Kl 3:5-10) Ilainy koa ny maneho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra, dia ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.” Resahina betsaka ao amin’ny Baiboly ireo toetra ireo.​—Ga 5:22, 23; Kl 3:12-14.

Marina. Maro no manakiana ny Baiboly hoe tsy milaza ny marina, nefa tsy mampihen-danja azy izany.

Tantara raketiny. Hoy Atoa Isaac Newton: “Be lavitra ny tantara marina hitako ao amin’ny Baiboly noho ny ao amin’ny tantara tsy ara-pivavahana.” (Fanamarinana Roa, nataon’i R. Watson, Londres, 1820, p. 57) Marina foana izay lazain’ny Baiboly rehefa nohamarinina. Marina sy azo itokisana ny tantara raketiny. Tsy nisy nahavita nanaporofo, ohatra, hoe diso izay nolazainy momba ny nandresen’ny Medianina sy Persianina an’i Babylona (Je 51:11, 12, 28; Da 5:28), momba an’i Nebokadnezara mpanjaka babylonianina (Je 27:20; Da 1:1), Sisaka mpanjaka ejipsianina (1Mp 14:25; 2Ta 12:2), Tiglato-pilesera III sy Sankeriba mpanjaka asyrianina (2Mp 15:29; 16:7; 18:13), Aogosto sy Tiberio sy Klaodio mpanjaka romanina (Lk 2:1; 3:1; As 18:2), Pilato, Feliksa, Festosy (As 4:27; 23:26; 24:27), ary momba ny tempolin’i Artemisy tany Efesosy sy ny Areopago any Atena (As 19:35; 17:19-34). Marina daholo izay nolazain’ny Baiboly momba azy ireo sy momba ny toerana sy olona ary trangan-javatra hafa.​—Jereo ARKEOLOJIA.

Firazanana sy fiteny. Marina koa izay lazain’ny Baiboly momba ny firazanana sy ny fiteny. Anisan’ny fianakavian’olombelona daholo ny firenena rehetra, na lava na fohy ary na inona na inona kolontsainy, volon-kodiny, ary fiteniny. Tsy nisy nahavita nanaporofo fa diso ilay hoe avy amin’i Adama razamben’i Noa ny olombelona ary misampana telo: Taranak’i Jafeta sy Hama ary Sema. (Ge 9:18, 19; As 17:26) Hoy Atoa Henry Rawlinson: “Raha ny fiandohan’ireo fiteny fotsiny no ifantohana, fa tsy ny voalazan’ny Soratra Masina, dia mbola hanatsoaka hevitra ihany isika fa avy teo amin’ny lemak’i Sinara no niparitahan’ireo fiteny samihafa.”​—Porofo Ara-tantara Manamarina ny Soratra Masina, nataon’i G. Rawlinson, 1862, p. 287; Ge 11:2-9.

Azo ampiharina. Mahasoa antsika ankehitriny ny fampianarana sy ohatra ao amin’ny Baiboly. Faran’izay tsara ny toro lalana sy fitsipi-pitondran-tena hita ao. Mamaly fanontaniana lehibe ny Baiboly sady manome soso-kevitra maro mahasalama ny vatana sy ny saina, raha arahina. Misy toro lalana koa ao momba ny raharaham-barotra (Mt 7:12; Le 19:35, 36; Oh 20:10; 22:22, 23), fahazotoana miasa (Ef 4:28; Kl 3:23; 1Te 4:11, 12; 2Te 3:10-12), fitondran-tena madio (Ga 5:19-23; 1Te 4:3-8; Ek 20:14-17; Le 20:10-16), namana tsara (1Ko 15:33; He 10:24, 25; Oh 5:3-11; 13:20), ary fifandraisana amin’ny mpianakavy (Ef 5:21-33; 6:1-4; Kl 3:18-21; De 6:4-9; Oh 13:24). Hoy i William Phelps, mpanabe: “Amiko dia sarobidy kokoa ny hoe mahay Baiboly nefa tsy nianatra tany amin’ny oniversite, noho ny hoe nianatra tany amin’ny oniversite nefa tsy mahay Baiboly.” (Diksionera Vaovao Momba ny Fomba Fisainana, p. 46) Hoy koa i John Adams momba ny Baiboly: “Io no hany boky eran-tany tena manampy ny olona hihatsara sy ho hendry ary ho sambatra.”​—Taratasin’i John Quincy Adams ho An-janany, 1849, p. 9.

Ara-tsiansa. Mifanaraka amin’ny siansa koa ny Baiboly. Marina, ohatra, izay lazainy momba an’ireo dingana nanomanana ny tany mba ho azo onenana (Ge 1:1-31), sy ny hoe boribory ny tany sady mihantona amin’ny “tsy misy” (Jb 26:7; Is 40:22), mandinika ny bitrodia (Le 11:6), ary “ao amin’ny ra ny ain’ny nofo.”​—Le 17:11-14.

Kolontsaina sy fombafomba. Tsy diso izay lazain’ny Baiboly momba ny kolontsaina sy fombafomba. Ny anaram-boninahitra fiantsoana an’ireo mpitondra tamin’ny fotoana nanoratana azy mihitsy no ampiasainy, toy ny hoe ‘lehibem-paritra’ i Heroda Antipasy sy Lysania, mpanjaka i Heroda Agripa (II), ary governoram-paritra i Galio. (Lk 3:1; As 25:13; 18:12) Fanaon’ny miaramila romanina ny nanao filaharam-be niaraka tamin’ireo azony babo, rehefa avy nandresy. (2Ko 2:14) Marina daholo koa izay lazain’ny Baiboly momba ny fitiavana mandray vahiny, ny fomba fiainan’ny olona tatsinanana, ny fanao rehefa mividy tany, ny fanaovana fifanekena ara-dalàna, ary ny famorana izay fanaon’ny Hebreo sy ny firenen-kafa.​—Ge 18:1-8; 23:7-18; 17:10-14; Je 9:25, 26.

Fahatsoran’ny mpanoratra. Tsy hoatran’ny mpanoratra fahiny ireo mpanoratra Baiboly fa feno fahatsorana. Nitantara ny fahotany sy ny an’ny fireneny, ohatra, i Mosesy, izay nanoratra ny boky voalohandohany ao amin’ny Baiboly. Nanao toy izany koa ireo mpanoratra hebreo hafa. (Ek 14:11, 12; 32:1-6; No 14:1-9; 20:9-12; 27:12-14; De 4:21) Tsy nafenimpenina ny fahotan’ireo olo-malaza, toa an’i Davida sy Solomona. (2Sa 11:2-27; 1Mp 11:1-13) I Jona mihitsy no nilaza fa tsy nankatò ny tenany. (Jo 1:1-3; 4:1) Feno fahatsorana toy izany koa ny mpaminany hafa. Nilaza ny marina toa an’ireo mpanoratra ny Soratra Hebreo ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina. Nitantara ny fahotany taloha, ohatra, i Paoly. (As 22:19, 20) Voaresaka koa hoe niala tsy ho misionera i Marka, ary nanao fahadisoana ny apostoly Petera. (As 15:37-39; Ga 2:11-14) Vao mainka àry isika matoky hoe marina ny voalazan’ny Baiboly.

Azo itokisana. Tena azo itokisana ny Baiboly. Misy ifandraisany amin’izay nitranga teo amin’ny tantara mantsy izay voalaza ao. Mivantana sy marina nefa tsotra ny toromarika hita ao. Olona tsy nihatsaravelatsihy, tsy nivadika, tia ny fahamarinana, ary niezaka nilaza ny marina tamin’ny an-tsipiriany no nanoratra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary izany rahateo no ampoizintsika.​—Jn 17:17.

Faminaniana. Ny faminaniana raketin’ny Baiboly fotsiny dia efa manaporofo fa Tenin’i Jehovah izy io. Faminaniana maro no efa tanteraka. Jereo, ohatra, Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”, p. 343-346.

Narovana. Tsy ananantsika intsony ny sora-tanana voalohany amin’ny Soratra Masina. Nataon’i Jehovah anefa izay hanaovana dika mitovy amin’izy ireny. Vao mainka nilaina izy ireny rehefa nihamaro ny Jiosy nonina tany ivelan’i Palestina, nanomboka tamin’izy ireo natao sesitany tany Babylona. Nisy mpanao dika soratra matihanina àry niezaka mafy nandika tanana ny Soratra Masina tamin’ny fomba marina tsara. Anisan’izy ireo i Ezra, lehilahy ‘tena havanana tamin’ny fanaovana dika soratra ny lalàn’i Mosesy, izay nomen’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.’​—Ezr 7:6.

Mbola natao dika soratra foana ny Soratra Masina nandritra ny taonjato maro sy tamin’ny fotoana nanoratana ny Soratra Grika Kristianina. Nadika tamin’ny fiteny hafa koa ny Soratra Masina, ka ny Soratra Hebreo no boky malaza nadika voalohany toy izany. An’arivony amin’ireny Baiboly sora-tanana sy dikan-teny ireny no mbola misy hatramin’izao.​—Jereo BAIBOLY SORA-TANANA; DIKAN-TENY.

Ny Baibolin’i Gutenberg no Baiboly voalohany natao pirinty tamin’ny 1456. Dimy arivo tapitrisa mahery izao ny Baiboly natonta (izy manontolo na ny ampahany), amin’ny fiteny maherin’ny 3000. Maro anefa no nanohitra mafy ny fielezan’izy io. Be fahavalo kokoa noho ny boky hafa mantsy ny Baiboly, ary nisy aza papa sy konsily nilaza fa horoahina tsy ho anisan’ny Eglizy izay tratra namaky azy io. Olona an’arivony tia namaky Baiboly no novonoina, ary an’arivony ny Baiboly nodorana. Anisan’ireo novonoina ilay mpandika teny hoe William Tyndale, izay niady mafy mba hielezan’ny Baiboly. Hoy izy tamin’ny mpitondra fivavahana iray: “Raha tsimbinin’Andriamanitra ny aiko ka ataony ela velona aho, dia hataoko mahay Soratra Masina kokoa noho ianao ny ankizilahy mitarika angadinomby.”​—Tantaran’ny Zava-misy, nataon’i John Foxe, Londres, 1563, p. 514.

I Jehovah no Mpiaro ny Teniny, ka mendrika ny hoderaina sy hisaorana izy satria mbola misy hatramin’izao ny Baiboly na dia notoherina mafy aza. Marina tokoa ny tenin’i Petera (nalainy avy tao amin’ny Isaia) hoe: “Tahaka ny ahitra ny nofo rehetra, ary tahaka ny vonin’ny ahitra ny voninahiny rehetra. Malazo ny ahitra, ary mihintsana ny voniny, fa ny tenin’i Jehovah kosa maharitra mandrakizay.” (1Pe 1:24, 25; Is 40:6-8) Tokony ‘handinika azy io, toy ny fandinika jiro mamirapiratra ao amin’ny toerana maizina’ àry isika. (2Pe 1:19; Sl 119:105) Hahomby sy ho sambatra ny olona iray raha “ny lalàn’i Jehovah no mahafinaritra azy, eny, ny lalàny no vakiny moramora andro aman’alina” sy ampihariny. (Sl 1:1, 2; Js 1:8) Aminy dia “mamy noho ny tantely” ny lalàn’i Jehovah, ny fampahatsiahivany, ny fitsipiny, ny didiny, ary ny didim-pitsarany ao amin’ny Baiboly. “Faniry noho ny volamena” ny fahendrena azo avy amin’ireny, “eny, noho ny volamena voadio be dia be” aza, satria hahazoana fiainana.​—Sl 19:7-10; Oh 3:13, 16-18; jereo BOKY EKENA HO ANISAN’NY SORATRA MASINA.

[Tabilao, pejy 247]

FILAHARAN’IREO BOKY ARAKA NY FOTOANA NANORATANA AZY

(Tsy fantatra marina ny filaharan’ireo boky, ary tsy tena azo antoka ny daty [sy toerana] sasany. “Aoriana” no dikan’ny a., “aloha” no dikan’ny al., ary “tany ho any” no dikan’ny t.)

Soratra Hebreo (T.K.)

Boky

Mpanoratra

Vita tamin’ny

Fotoana voaresaka

Toerana nanoratana

Genesisy

Mosesy

1513

“Tany am-piandohana” ka hatramin’ny 1657

Tany efitra

Eksodosy

Mosesy

1512

1657-1512

Tany efitra

Levitikosy

Mosesy

1512

1 volana (1512)

Tany efitra

Joba

Mosesy

t. 1473

140 taona mahery teo anelanelan’ny 1657 sy 1473

Tany efitra

Nomery

Mosesy

1473

1512-1473

Tany efitra/Lemak’i Moaba

Deoteronomia

Mosesy

1473

2 volana (1473)

Lemak’i Moaba

Josoa

Josoa

t. 1450

1473–t. 1450

Kanana

Mpitsara

Samoela

t. 1100

t. 1450–t. 1120

Israely

Rota

Samoela

t. 1090

11 taona nitondran’ny mpitsara

Israely

1 Samoela

Samoela; Gada; Natana

t. 1078

t. 1180-1078

Israely

2 Samoela

Gada; Natana

t. 1040

1077–t. 1040

Israely

Tononkiran’i Solomona

Solomona

t. 1020

Jerosalema

Mpitoriteny

Solomona

al. 1000

Jerosalema

Jona

Jona

t. 844

Joela

Joela

t. 820 (?)

Joda

Amosa

Amosa

t. 804

Joda

Hosea

Hosea

a. 745

al. 804–a. 745

Faritr’i Samaria

Isaia

Isaia

a. 732

t. 778–a. 732

Jerosalema

Mika

Mika

al. 717

t. 777-717

Joda

Ohabolana

Solomona; Agora; Lemoela

t. 717

Jerosalema

Zefania

Zefania

al. 648

Joda

Nahoma

Nahoma

al. 632

Joda

Habakoka

Habakoka

t. 628 (?)

Joda

Fitomaniana

Jeremia

607

Akaikin’i Jerosalema

Obadia

Obadia

t. 607

Ezekiela

Ezekiela

t. 591

613–t. 591

Babylona

1 sy 2 Mpanjaka

Jeremia

580

t. 1040-580

Joda/Ejipta

Jeremia

Jeremia

580

647-580

Joda/Ejipta

Daniela

Daniela

t. 536

618–t. 536

Babylona

Hagay

Hagay

520

112 andro (520)

Jerosalema

Zakaria

Zakaria

518

520-518

Jerosalema

Estera

Mordekay

t. 475

493–t. 475

Sosana, Elama

1 sy 2 Tantara

Ezra

t. 460

Aorian’ny 1 Tantara 9:44, 1077-537

Jerosalema (?)

Ezra

Ezra

t. 460

537–t. 467

Jerosalema

Salamo

Davida sy olon-kafa

t. 460

Nehemia

Nehemia

a. 443

456–a. 443

Jerosalema

Malakia

Malakia

a. 443

Jerosalema

[Tabilao, pejy 248]

Soratra Grika Kristianina (A.K.)

Boky

Mpanoratra

Vita tamin’ny

Fotoana voaresaka

Toerana nanoratana

Matio

Matio

t. 41

2 T.K.–33 A.K.

Palestina

1 Tesalonianina

Paoly

t. 50

Korinto

2 Tesalonianina

Paoly

t. 51

Korinto

Galatianina

Paoly

t. 50-52

Korinto na Antiokia any Syria

1 Korintianina

Paoly

t. 55

Efesosy

2 Korintianina

Paoly

t. 55

Makedonia

Romanina

Paoly

t. 56

Korinto

Lioka

Lioka

t. 56-58

3 T.K.–33 A.K.

Kaisaria

Efesianina

Paoly

t. 60-61

Roma

Kolosianina

Paoly

t. 60-61

Roma

Filemona

Paoly

t. 60-61

Roma

Filipianina

Paoly

t. 60-61

Roma

Hebreo

Paoly

t. 61

Roma

Asan’ny Apostoly

Lioka

t. 61

33–t. 61 A.K.

Roma

Jakoba

Jakoba

al. 62

Jerosalema

Marka

Marka

t. 60-65

29-33 A.K.

Roma

1 Timoty

Paoly

t. 61-64

Makedonia

Titosy

Paoly

t. 61-64

Makedonia (?)

1 Petera

Petera

t. 62-64

Babylona

2 Petera

Petera

t. 64

Babylona (?)

2 Timoty

Paoly

t. 65

Roma

Joda

Joda

t. 65

Palestina (?)

Apokalypsy

Jaona

t. 96

Patmo

Jaona

Jaona

t. 98

Aorian’ny sasin-teny, 29-33 A.K.

Efesosy, na tany akaikiny

1 Jaona

Jaona

t. 98

Efesosy, na tany akaikiny

2 Jaona

Jaona

t. 98

Efesosy, na tany akaikiny

3 Jaona

Jaona

t. 98

Efesosy, na tany akaikiny