Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Baiboly Sora-tanana

Baiboly Sora-tanana

Avy amin’Andriamanitra ny Soratra Masina, fa olona kosa no nanoratra sy niaro azy io tsy hiova. I Mosesy no nasain’Andriamanitra nanomboka nanoratra azy io tamin’ny 1513 T.K., ary ny apostoly Jaona no namarana azy, 1 600 taona mahery taorian’izay. Tsy boky iray monja ny Baiboly tany am-boalohany, nefa nila natao dika mitovy ireo boky samihafa anisan’izy io tatỳ aoriana. Nisy tamin’ireo Jiosy nafahana avy tany Babylona mantsy tsy nody tany Joda taorian’ny sesitany, fa nanorim-ponenana tany an-toeran-kafa ka lasa nisy synagoga maro tany. Nataon’ny mpanora-dalàna dika mitovy àry ny Soratra Masina, mba hovakina amin’ny Jiosy tonga hihaino ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ireo synagoga. (As 15:21) Nisy mpianatr’i Kristy koa tatỳ aoriana niezaka mafy nanao dika mitovy azy io, ho an’ireo fiangonana kristianina tsy nitsaha-nitombo. Nifandimby namaky azy ireny ny fiangonana.​—Kl 4:16.

Natao sora-tanana ny Baiboly voalohany sy ireo dika mitovy aminy, talohan’ny fanaovana pirinty (nanomboka tamin’ny taonjato faha-15). Nantsoina hoe Baiboly sora-tanana (lat.: manu scriptus, “nosoratana tanana”) àry izy ireny. Mety ho ny Soratra Masina iray manontolo na ny ampahany aminy ilay izy, ary matetika no nosoratana teo amin’ny horonana na kôdeksa.

Fitaovana nanoratana. Hoditra sy taratasy papyrus ary hodi-biby malefaka no nampiasaina. Hoditra, ohatra, ilay Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia. Taratasy papyrus (namboarina avy amin’ny atin’ny zavamaniry anaty rano) kosa no nanoratana an’ireo Baiboly sora-tanana tamin’ny teny tany am-boalohany sy ireo Baiboly nadika amin’ny fiteny hafa, hatramin’ny taonjato fahefatra tany ho any. Nosoloana hodi-biby malefaka izany nanomboka teo, dia hoditra zanak’omby na zanak’ondry na zanak’osy, izay tsara kokoa noho ny hodi-biby nampiasaina taloha. Nosoratana teo amin’ny hodi-biby malefaka, ohatra, ireo sora-tanana malaza toy ny Kôdeksa Sinaiticus (Sora-tanana Sinaiticus) sy ny Kôdeksa Vaticanus (Sora-tanana Vaticanus No. 1209), izay natao tamin’ny taonjato fahefatra.

Nofafana na nokikisana ny soratra sasany mba hanoratana zavatra hafa indray. Nantsoina hoe palimpsestus (lat.) na palimpsestôs (gr.) ny sora-tanana nanaovana izany. Anisan’izy ireny ny Codex Ephraemi Syri rescriptus, kôdeksa malaza natao tamin’ny taonjato fahadimy. Raha zava-dehibe ilay soratra nofafana (na nokikisana), dia matetika no mampiasa teknika toy ny fakana sary na fampiasana zavatra simika ny manam-pahaizana, mba hahafahany mamaky an’ilay soratra. Andinin-teny notsongaina avy ao amin’ny Soratra Grika Kristianina mba hovakina mandritra ny fotoam-pivavahana ny sora-tanana sasany.

Fomba fanoratra. Nosokajina araka ny fomba nanoratana azy ny Baiboly sora-tanana grika (Soratra Hebreo nadika tamin’ny teny grika, na dika mitovy amin’ny Soratra Grika Kristianina, na izy roa). Izany no nahalalana hoe oviana izy ireny no nosoratana. Sora-baventy boribory miendrika sora-pirinty no nampiasaina taloha (indrindra fa hatramin’ny taonjato fahasivy), toy ny ao amin’ny Kôdeksa Sinaiticus. Tsy nisy elanelany ireo teny ary tsy nisy mari-piatoana sy tsindrimpeo. Niova anefa ny fomba fanoratra nanomboka tamin’ny taonjato fahenina, ka lasa kely kokoa ny litera nampiasaina sady nosoratana mitambatra ny ankamaroany (tamin’ny taonjato fahasivy). Ahitana litera mitambatra ny ankamaroan’ireo sora-tanana misy ny Soratra Grika Kristianina ananantsika. Io fomba fanoratra io no nalaza talohan’ny fanaovana pirinty.

Mpanao dika mitovy. Tsy ananantsika intsony ireo Baiboly sora-tanana voalohany. Tsy niova anefa ny Baiboly fa mbola marina sy azo itokisana foana, satria niezaka mafy nandika azy io tamin’ny fomba marina tsara ireo mpanao dika mitovy. Nino mantsy izy ireo fa Tenin’Andriamanitra izy io.

Mpanora-dalàna (heb.: sôhferim) no niantsoana an’ireo mpanao dika mitovy ny Soratra Hebreo, tamin’i Jesosy Kristy tetỳ an-tany sy ela be talohan’izay. Anisan’ireny i Ezra, izay ‘tena havanana tamin’ny fanaovana dika soratra.’ (Ezr 7:6) Nisy mpanora-dalàna tatỳ aoriana ninia nanova ny Soratra Hebreo. Hitan’ny Masoreta izay nandimby azy ireo anefa ireny fanovana ireny, ka nomarihiny. Antsoina hoe Masora ireo fanamarihana an-tsisim-pejy nataony tao amin’ny Soratra Hebreo nadikany.

Niezaka nanao tsara ny asany koa ireo mpanao dika mitovy ny Soratra Grika Kristianina.

Tena azo antoka ve fa tsy niova ny Baiboly?

Nisy diso kely sy zavatra niova ihany ny asa soratr’ireo mpanao dika mitovy ny Baiboly sora-tanana, na dia nitandrina be aza izy ireo. Kely ihany anefa izy ireny ka tsy nanova ny Baiboly. Nisy manam-pahaizana nahatsikaritra an’ireny fahadisoana ireny rehefa nampitaha sora-tanana sy dikan-teny fahiny maro, ka nanitsy azy ireny. Ny Soratra Hebreo no nanombohan’izy ireo izany, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-18. Namoaka boky misy sora-tanana 600 mahery mirakitra ny Soratra Hebreo nataon’ny Masoreta, ohatra, i Benjamin Kennicott tany Oxford (1776-1780). I Giambernardo De Rossi, manam-pahaizana italianina, kosa nampitaha sora-tanana 731 izay navoakany ho boky tany Parme (1784-1798). Namoaka ny Soratra Hebreo i Baer manam-pahaizana alemà, ary nanao toy izany koa i C. Ginsburg, taorian’izay. Ireo no soratra niaingan’ny mpandika Soratra Hebreo sasany. Namoaka ny Biblia Hebraica (Ny Baiboly Hebreo), fanontana voalohany, i Rudolf Kittel, manam-pahaizana momba ny teny hebreo, tamin’ny 1906. Ny Soratra Hebreo nataon’i Ben Chayyim no niaingany, ary nampiany fanamarihana ambany pejy mamakafaka sy mampitaha sora-tanana maro hafa mirakitra ny Soratra Hebreo nataon’ny Masoreta. Namoaka fanontana fahatelo vaovao tanteraka anefa i Kittel rehefa azony nampiasaina ny soratra nataon’ilay Masoreta Ben Asher, izay tranainy sy tsara kokoa. Ny mpiara-miasa taminy no namita azy io, rehefa maty izy.

Ny Biblia Hebraica fanontana faha-7 sy faha-8 ary faha-9 (1951-1955) no niaingan’ireo nandika ny Soratra Hebreo ao amin’ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (teny anglisy), navoaka tamin’ny 1950-1960. Natonta tamin’ny 1977 kosa ny Soratra Hebreo antsoina hoe Biblia Hebraica Stuttgartensia. Tao no nakana an’ireo fanazavana vaovao ao amin’ny fanamarihana ambany pejin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nivoaka tamin’ny 1984.

Ilay Soratra Grika Kristianina ao amin’ny Polyglotte de Complute (teny latinina sy grika) tamin’ny 1514-1517 no natao pirinty voalohany. Namoaka ny fanontana voalohany amin’ny Soratra Grika Kristianina i Didier Érasme, manam-pahaizana holandey, tamin’ny 1516, ary io no soratra niaingan’ny mpandika Soratra Grika sasany. Be diso ilay izy nefa nahitsy isaky ny fanontana vaovao (inefatra tamin’ny 1519-1535). Namoaka “Testamenta Vaovao” (fanontana maromaro) amin’ny teny grika i Robert Estienne na Stephanus, mpanao pirinty sy mpampanonta tany Paris. Ny asa soratr’i Érasme no niaingany, fa nasiany fanitsiana avy tao amin’ny Polyglotte de Complute sy ny sora-tanana 15 hafa hita tatỳ aoriana. Ny Soratra Grika fanontana fahatelo nataon’i Stephanus tamin’ny 1550 ary antsoina hoe “Soratra Voaray” (lat.: textus receptus) no nampiasain’ny ankamaroan’ny mpandika Baiboly anglisy, anisan’izany ireo nandika ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (1611).

Anisan’ny miavaka amin’ny Soratra Grika niaingan’ireo mpandika Baiboly ilay nataon’i J. Griesbach. Nampiasa an’ireo sora-tanana efa voangon’ny olon-kafa izy, sady nandinika an’ireo teny avy ao amin’ny Baiboly nampiasain’ny mpanoratra fahiny toa an’i Origène. Namakafaka dikan-teny samihafa koa izy, toy ny dikan-teny armenianina sy gôtika ary ilay nataon’i Philoxenus. Nosokajiny ho telo àry ireo sora-tanana: Byzantinina sy tandrefana ary aleksandrianina (ity farany ity no tiany kokoa). Nivoaka teo anelanelan’ny 1774 sy 1806 ireo Soratra Grika (fanontana maromaro) nataon’i Griesbach izay niaingan’ireo mpandika Baiboly, ary ilay nivoaka tamin’ny 1796 sy 1806 no tsara indrindra. Ny Soratra Grika nataony no niaingan’i Sharpe tamin’izy nandika Baiboly anglisy tamin’ny 1840, ary io no Soratra Grika ao amin’ny The Emphatic Diaglott nataon’i Benjamin Wilson, tamin’ny 1864.

Be mpitia ny Soratra Grika navoakan’i B. Westcott sy F. Hort tamin’ny 1881, ary io no niaingan’ny mpandika Baiboly sasany. Manam-pahaizana tao amin’ny Oniversiten’i Cambridge izy roa lahy, ary samy nanao ny fikarohany avy nandritra ny 28 taona. Nampitahainy foana anefa ny voka-pikarohany. Nosokajiny koa ireo sora-tanana, toy ny nataon’i Griesbach ihany. Ireo sora-tanana nolazain’i Westcott sy Hort hoe “soratra tsy niova”, toy ny Sora-tanana Sinaiticus malaza sy ny Sora-tanana Vaticanus No. 1209 (samy natao tamin’ny taonjato fahefatra), no tena nampiasainy. Izay voasoratra tao amin’ireo no noraisin’izy mirahalahy rehefa nitovy ny voalaza tao, sy rehefa nanamafy izany ny sora-tanana fahiny hafa miendrika sora-baventy boribory. Tsy hoe nanao an’izany foana anefa izy ireo. Nandinika an’izay mety ho antony nahatonga ny andinin-teny sasany tsy hitovy koa izy ireo, ary nomarihiny tao amin’ilay Soratra Grika rehefa samy mety ho marina ny voalazan’ny sora-tanana roa samy hafa. Io nataon’i Westcott sy Hort io no tena nampiasain’ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao, rehefa nandika ny Soratra Grika Kristianina tamin’ny teny anglisy izy ireo. Nampiasa Soratra Grika hafa tena tsara koa anefa izy ireo, toy ilay nataon’i Nestle (1948).

Hoy ny Profesora Kurt Aland momba ny Soratra Grika Kristianina sy ny voka-pikarohana hita tato ho ato: ‘Izao no azo ambara taorian’izay 40 taona nanaovana fikarohana izay, sy rehefa nodinihina ireo andininy 1200 tamin’ireo sora-tanana samy hafa: Marina tsara ny Testamenta Vaovao tonga hatratỳ amintsika; tsy misy asa soratra fahiny hafa voampita tsara toa azy io mihitsy. Tsy inoako hoe hahita sora-tanana hanova be an’izay voalaza ao isika, any aoriana any.’​—Das Neue Testament​—zuverlässig überliefert (Voampita Tsara ny Testamenta Vaovao), Stuttgart, 1986, p. 27, 28.

Misy tsy itovizany ireo sora-tanana mirakitra ny Soratra Grika Kristianina (amin’ny teny grika sy teny hafa) ananantsika. Tsy mahagaga izany satria tsy lavorary ny olona nanao azy ireny, sady imbetsaka natao dika mitovy izy ireny nefa maro tamin’ireo mpandika no tsy matihanina. Azo lazaina hoe anatin’ny sokajy iray ny sora-tanana maromaro mety hitovitovy, raha nadika avy amin’ny sora-tanana iray ihany (angamba soratra tranainy iray nohatsaraina) na natao tao amin’ny faritra iray ihany. Nozarain’ny manam-pahaizana ho sokajy maromaro àry ireo sora-tanana, ary tsy nitsaha-nitombo izany tatỳ aoriana. Ao, ohatra, ny atao hoe aleksandrianina, tandrefana, tatsinanana (syriàka sy kaisarianina), ary byzantinina. Mety ho sora-tanana samihafa no ahitana an’ireo sokajy ireo, na andininy samy hafa ao amin’ny sora-tanana maromaro. Mitovy amin’ilay Soratra Masina voalohany azo avy amin’ny herin’ny fanahy masina ihany anefa ny Soratra Masina tonga hatratỳ amintsika, na dia eo aza ny fahasamihafana hita ao amin’ireo sora-tanana ao anatin’ny sokajy iray na samy hafa. Tsy manova ny fampianaran’ny Baiboly ireny fahasamihafana ireny. Efa nahitsin’ny manam-pahaizana koa izay mety ho fahadisoana lehibe tafiditra, ka marina sy azo itokisana ny Baiboly tonga hatratỳ amintsika.

Maromaro ny Soratra Grika Kristianina natonta, taorian’ny namoahan’i Westcott sy Hort an’ilay Soratra Grika nohatsaraina. Anisan’ny miavaka ilay Testamenta Vaovao Grika (fanontana fahefatra izao) navoakan’ny Vondron’ireo Fikambanana Mampiely Baiboly. Mitovy amin’izy io koa ny Soratra Grika nataon-dry Nestle-Aland, fanontana faha-27, navoaka tany Stuttgart any Alemaina, tamin’ny 1993.​—Jereo SORATRA GRIKA KRISTIANINA.

Soratra Hebreo. Misy 6000 eo ho eo angamba izao ny sora-tanana mirakitra ny Soratra Hebreo manontolo na ampahany aminy any amin’ireo tranomboky. Ahitana ny soratra nataon’ny Masoreta ny ankamaroany, ary natao tamin’ny taonjato fahafolo na taorian’izay. Niezaka ny tsy hanao diso na hanova teny tao amin’ny Soratra Hebreo ny Masoreta (nanomboka tamin’ny taonjato fahenina tany ho any), rehefa nanao dika mitovy azy io. Nampiasa teboka solona zanatsoratra sy tsindrimpeo anefa izy ireo mba tsy hiova ny fanononana an’ireo teny izay renisoratra daholo. Nosoratan’izy ireo tao amin’ny Masora (fanamarihana an-tsisim-pejy) koa izay nampiavaka ny sora-tanana sasany, ary nomeny ny andininy nasiana fanitsiana rehefa hitany hoe nilaina. Ny soratra nataon’ny Masoreta no hita ao amin’ireo Baiboly hebreo ankehitriny.

Nosoloana dika mitovy efa nohamarinina ireo sora-tanana simba mirakitra ny Soratra Hebreo nampiasain’ny Jiosy tany amin’ny synagoga. Natao tao amin’ny genizà (fitehirizana entan’ny synagoga) izy ireny, ary nalevina tany amin’ny toerana voatokana rehefa feno ilay genizà. Maro be ny sora-tanana fahiny natao toy izany ka levona. Voaro kosa ireo tao amin’ny synagogan’i Le Caire (tanàna tranainy) satria voahodidina rindrina ilay genizà, ka hadino nandritra ny taonjato maro angamba. Naorina indray ilay synagoga tamin’ny 1890, ka naverina nodinihina ireo sora-tanana sy sombina sora-tanana tao (efa tamin’ny taonjato fahenina, hono, ny sasany), ary nalefa tany amin’ny tranomboky samihafa. Saika ny Soratra Hebreo manontolo no hita tao amin’izy ireo.

Anisan’ny sombina sora-tanana tranainy indrindra misy andinin-teny ao amin’ny Baiboly ny Papyrus Nash, izay hita tany Ejipta ary tehirizina ao Cambridge, any Angletera. Natao tamin’ny taonjato faharoa na voalohany T.K. izy io, izany hoe talohan’ny andron’ny Masoreta, ary toa nampiasaina hampianarana ny Jiosy. Sombin-taratasy efatra misy andalana 24 monja izy io. Hita ao ny Didy Folo sy ny andininy sasany ao amin’ny Deoteronomia toko faha-5 sy 6.

Nisy horonam-boky maro (misy andinin-teny ny sasany) hita teo andrefan’ny Ranomasina Maty, nanomboka tamin’ny 1947. Antsoina hoe Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty izy ireny. Ireo sora-tanana hita tao amin’ireo lava-bato tao amin’ny Lohasaha Falehan-driaka Qoumrân (Nahal Qoumerân) sy teny akaikiny no miavaka indrindra. Antsoina koa hoe soratra tao Qoumrân izy ireny, ary toa fananan’ireo mpivavaka jiosy tany Kirbet Qoumrân (Horvat Qoumerân) teo akaiky teo. Arabo mpifindrafindra monina no nahita voalohany azy ireny tao anaty lava-bato, 15 km eo ho eo atsimon’i Jeriko. Hitany tao ny siny tany maromaro nahitana sora-tanana fahiny, anisan’ireny ilay sora-tanana malaza hoe Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia (1QIsa). Horonana hoditra mbola tsara izy io, ary saika hita ao ny bokin’i Isaia manontolo. (SARY, Boky 1, p. 322) Soratra hebreo natao talohan’ny andron’ny Masoreta izy io, ary nosoratana tany amin’ny faramparan’ny taonjato faharoa T.K. Vita 1 000 taona tany ho any talohan’ny sora-tanana tranainy indrindra nataon’ny Masoreta ananantsika àry izy io. Mitovy ihany anefa ny voalazan’izy io sy ireo soratra nataon’ny Masoreta, fa tsipelina sy fitsipi-pitenenana fotsiny no tsy itovizany. Hita tany Qoumrân koa ny sombina horonam-boky 170 mahery misy an’ireo boky rehetra ao amin’ny Soratra Hebreo, afa-tsy ny bokin’i Estera. Ahitana dika mitovy maromaro mihitsy aza ny boky sasany. Nosoratana nanomboka tamin’ny 250 T.K. ka hatrany antenatenan’ny taonjato voalohany A.K. tany ho any ireo horonana, izay ahitana an’ireo soratra voalohany nataon’ny Masoreta sy ny soratra niaingan’ireo nandika ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Mbola mitohy ny famakafakana an’ireo horonana ireo.

Anisan’ny miavaka amin’ireo sora-tanana mirakitra ny Soratra Hebreo natao tamin’ny hodi-biby malefaka ny Kôdeksa Cairo Misy ny Bokin’ireo Mpaminany (nampiasain’ny Karahita). Misy Masora sy teboka solon’ny zanatsoratra ny Soratra Hebreo ao, ary misy soratra any amin’ny farany hoe i Moses ben Asher, Masoreta nalaza avy any Tiberiasy, no namita azy io tamin’ny 895 tany ho any. Miavaka koa ny Kôdeksa Pétersbourg Misy An’ireo Asa Soratry ny Mpaminany Tatỳ Aoriana (taona 916). Ny Kôdeksa Aleppo (nampiasain’ny Jiosy sefardika) ihany no nisy ny Soratra Hebreo manontolo hatramin’ny 1947, ary tsy nisy afa-tsy renisoratra izy io. Tany Alep any Syria izy io, fa any Israely izao. Nahitsin’i Aaron ben Asher, zanak’i Moses ben Asher, izy io ary nasiany teboka solon’ny zanatsoratra sy Masora, tamin’ny 930 tany ho any. Ny Sora-tanana Leningrad No. B 19A (ao amin’ny Tranombokim-pirenena any Saint-Pétersbourg any Rosia) no sora-tanana tranainy indrindra misy ny Soratra Hebreo manontolo amin’ny teny hebreo, sady fantatra ny daty nanoratana azy. Dika mitovy amin’ireo “boky nahitsin’ilay mpampianatra hoe Aaron ben Moses ben Asher sy nasiany fanamarihana” izy io, ary vita tamin’ny 1008. Miavaka koa ilay kôdeksa amin’ny teny hebreo misy ny Boky Dimy Voalohany (Kôdeksa Tatsinanana 4445, ao amin’ny Tranomboky Britanika), izay mety ho natao tamin’ny taonjato fahafolo. Hita ao ny Genesisy 39:20 ka hatramin’ny Deoteronomia 1:33 (afa-tsy ny No 7:46-73 sy 9:12–10:18, tsy nisy mihitsy na nampiana tatỳ aoriana).

Maro amin’ireo sora-tanana mirakitra ny Soratra Hebreo no amin’ny teny grika. Anisan’ny miavaka ny Papyrus Fouad (Nomerao 266, an’ny Fikambanana Ejipsianina Momba ny Papyrus, Le Caire). Hita ao ny ampahany amin’ny Genesisy sy ny tapany farany amin’ny Deoteronomia avy tao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Natao tamin’ny taonjato voalohany T.K. izy io, ary misy andininy ahitana ny anaran’Andriamanitra (Litera Hebreo Efatra). Ny Papyrus Rylands III. 458 (any Manchester any Angletera) kosa natao tamin’ny taonjato faharoa T.K., ary misy ampahany amin’ny Deoteronomia toko faha-23-28. Miavaka koa ilay Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sora-tanana misy ampahany amin’ny Jona, Mika, Habakoka, Zefania, ary Zakaria. Ahitana ny anaran’Andriamanitra (Litera Efatra) amin’ny soratra hebreo tranainy io horonana hoditra io, izay natao tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany.​—Jereo Fanazavana Fanampiny (TV), p. 1854-1857.

Soratra Grika Kristianina. Nosoratana tamin’ny teny koine ny Soratra Grika Kristianina. Tsy misy intsony ny sora-tanana voalohany, fa dika mitovy 5000 eo ho eo no ananantsika (manontolo na ampahany).

Natao tamin’ny taratasy “papyrus.” Anisan’ny miavaka ireo kôdeksa taratasy papyrus hita tany Ejipta tamin’ny 1930 tany ho any, ary namidy tamin’ny 1931. Misy amin’ireo kôdeksa amin’ny teny grika ireo (taonjato faharoa-fahefatra) ahitana ampahany amin’ny boky valo ao amin’ny Soratra Hebreo (Genesisy, Nomery, Deoteronomia, Isaia, Jeremia, Ezekiela, Daniela, Estera), ary ny telo kosa mirakitra ampahany amin’ny boky 15 ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Novidin’i Chester Beatty, Amerikanina mpanangona sora-tanana, ny ankamaroan’ireo taratasy papyrus ireo, ary voatahiry any Dublin any Irlandy. Ny ambiny kosa novidin’ny Oniversiten’i Michigan sy ny olona ary ny fikambanana hafa.

Ny litera “P” arahina isa mihantona no amantarana an’ireo taratasy papyrus misy boky ao amin’ny Baiboly. Ravin-taratasy 30 avy amin’ny kôdeksa iray nisy ravin-taratasy 220 teo ho eo angamba ny Papyrus Chester Beatty No. 1 (P45). Hita ao ny ampahany amin’ireo Filazantsara efatra sy ny Asan’ny Apostoly. Ny Papyrus Chester Beatty No. 3 (P47) izay ravin-taratasy folo efa simbasimba kosa ampahana kôdeksa misy ny Apokalypsy. Mety ho natao tamin’ny taonjato fahatelo na taorian’izay ireo taratasy papyrus roa ireo. Miavaka ny Papyrus Chester Beatty No. 2 (P46) izay mety ho natao tamin’ny taona 200 tany ho any na taorian’izay. Ravin-taratasy 86 efa simbasimba izy io, ary mety ho avy tamin’ny kôdeksa iray nisy ravin-taratasy 104. Hita ao ny sivy amin’ireo taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly: Romanina, Hebreo, Korintianina Voalohany sy Faharoa, Efesianina, Galatianina, Filipianina, Kolosianina, ary Tesalonianina Voalohany. Mahaliana fa ao ny taratasy ho an’ny Hebreo. Maro mantsy no milaza fa tsy i Paoly no nanoratra azy io satria tsy hita ao amin’izy io ny anarany. Neken’ny Kristianina tamin’ny taona 200 tany ho any anefa hoe nosoratan’i Paoly izy io, matoa nampiarahina tamin’ireo taratasy nosoratany ao amin’io P46 io. Ao koa ny taratasy ho an’ny Efesianina. Diso hevitra àry ireo milaza fa tsy i Paoly no nanoratra azy io.

Misy sombina taratasy papyrus mirakitra ny Filazantsaran’i Jaona (andininy vitsivitsy amin’ny toko faha-18) ao amin’ny Tranomboky John Rylands ao Manchester, any Angletera. Papyrus Rylands 457 na P52 no iantsoana azy io. Io no ampahana sora-tanana tranainy indrindra mirakitra ny Soratra Grika Kristianina ananantsika. Nosoratana tamin’ny taona 125 tany ho any angamba izy io, 25 taona teo ho eo monja taorian’ny nahafatesan’i Jaona. Nosoratana tamin’ny taonjato voalohany tokoa àry ny Filazantsaran’i Jaona, matoa efa niely tany Ejipta (toerana nahitana an’ilay ampahana sora-tanana) tamin’izany ny dika mitovy aminy. I Jaona koa no nanoratra azy io, fa tsy olona tsy fantatra anarana tamin’ny taonjato faharoa, taorian’ny nahafatesany, araka ny lazain’ny mpitsikera sasany.

Ankoatra ny Papyrus Chester Beatty, dia tena sarobidy koa ny Papyrus Bodmer natonta teo anelanelan’ny 1956 sy 1961. Miavaka ny Papyrus Bodmer 2 (P66) sy ny Papyrus Bodmer 14, 15 (P75), izay samy nosoratana tamin’ny taona 200 tany ho any. Saika ny Filazantsaran’i Jaona manontolo no hita ao amin’ny Papyrus Bodmer 2. Saika ny bokin’i Lioka sy Jaona manontolo kosa no ao amin’ny Papyrus Bodmer 14, 15, ary mitovy be amin’ny Sora-tanana Vaticanus No. 1209 izy io.

Natao tamin’ny hodi-biby malefaka. Misy amin’ireny sora-tanana ireny mirakitra ny Soratra Hebreo sy Grika, na ny Soratra Grika Kristianina fotsiny.

Tena sarobidy ny Kôdeksa Bezae fantatra amin’ny litera “D”, izay natao tamin’ny taonjato fahadimy. Tsy fantatra hoe taiza marina izy io no nosoratana, fa tany Frantsa no nahazoana azy tamin’ny 1562. Hita ao ireo Filazantsara, ny Asan’ny Apostoly, ary andininy vitsivitsy hafa ao amin’ny taratasy fahatelo nosoratan’i Jaona. Sora-baventy boribory ilay sora-tanana, ary teny grika ny eo amin’ny pejy ankavia fa teny latinina kosa ny eo ankavanana. Natolotr’i Théodore de Bèze ho an’ny Oniversiten’i Cambridge any Angletera izy io tamin’ny 1581, ary mbola ao.

Amin’ny teny grika sy latinina koa ny Kôdeksa Claromontanus (D2), ka teny grika ny eo amin’ny pejy ankavia ary teny latinina ny eo ankavanana. Hita ao ireo taratasy nosoratan’i Paoly, anisan’izany ny Hebreo, ary mety ho tamin’ny taonjato fahenina izy io. Tao amin’ny monasiteran’i Clermont any Frantsa, hono, no nahitana azy io, ary avy eo novidin’i Théodore de Bèze. Ao amin’ny Tranombokim-pirenena any Paris izy io izao.

Anisan’ny Soratra Grika Kristianina natao sora-tanana tamin’ny hodi-biby malefaka ny Kôdeksa Washingtonianus I, izay hita vao haingana. Hita ao ny Filazantsara amin’ny teny grika (araka ny filaharana mahazatra ny Tandrefana: Matio, Jaona, Lioka, ary Marka). Tany Ejipta izy io no azo tamin’ny 1906, ary voatahiry ao amin’ny Trano Fampirantiana Naorin’i Freer, any Washington. Mety ho nosoratana tamin’ny taonjato fahadimy io kôdeksa fantatra amin’ny litera “W” io, fa ny ampahany amin’ny Filazantsaran’i Jaona fotsiny no nosoloana tamin’ny taonjato fahafito satria simba angamba. Nananan’i Freer koa ny Kôdeksa Washingtonianus II, izay fantatra amin’ny litera “I.” Hita ao ny ampahany amin’ireo taratasy nosoratan’i Paoly, anisan’izany ny Hebreo. Nosoratana tamin’ny taonjato fahadimy angamba izy io.

Soratra Hebreo sy Grika. Natao sora-baventy boribory teo amin’ny hodi-biby malefaka ireo sora-tanana grika ananantsika. Tena ilaina izy ireny satria saika ny Baiboly manontolo no ao.

Sora-tanana Vaticanus No. 1209. Kôdeksa misy sora-baventy boribory ny Sora-tanana Vaticanus No. 1209 (Kôdeksa Vaticanus), izay fantatra amin’ny litera “B.” Mety ho natao tamin’ny taonjato fahefatra tany Aleksandria izy io, ary nisy ny Baiboly manontolo amin’ny teny grika tamin’ny voalohany. Lasa matimaty angamba ny soratra tamin’ilay izy, ka nisy olona namerina nanoratra azy io indray mba ho mora vakina. Tsy nataony toy izany anefa ireo litera na teny noheveriny fa diso. Nisy 820 tany ho any angamba ny ravin-taratasy tamin’io kôdeksa io, fa 759 sisa tavela. Tsy ao intsony ny ankamaroan’ny Genesisy, ny ampahany amin’ny Salamo, ny Hebreo 9:14 ka hatramin’ny 13:25, ny Timoty Voalohany sy Faharoa, Titosy, Filemona, ary Apokalypsy. Efa hatramin’ny taonjato faha-15 izy io no ao amin’ny Fitehirizam-bokin’i Vatikana any Roma, any Italia. Tsy mora tamin’ny manam-pahaizana anefa ny nandinika azy satria sarotiny be ireo mpiandraikitra an’ilay fitehirizam-boky. Tsy namoaka ny sarin’ilay izy manontolo koa izy ireo raha tsy tamin’ny 1889-1890.

Sora-tanana Sinaiticus. Natao tamin’ny taonjato fahefatra koa ny Sora-tanana Sinaiticus (Kôdeksa Sinaiticus), fa mety ho taoriana kelin’ny Kôdeksa Vaticanus. א (alefa, litera voalohany amin’ny abidy hebreo) no amantarana azy. Nisy ny Baiboly manontolo amin’ny teny grika izy io, saingy very ny ampahany amin’ny Soratra Hebreo. Mbola ao daholo kosa ny Soratra Grika Kristianina. Toa 730, fara fahakeliny, ny ravin-taratasy tamin’io kôdeksa io, na dia 393 (manontolo na ampahany) aza sisa no ananantsika. I Konstantin von Tischendorf, manam-pahaizana momba ny Baiboly, no nahita ampahany iray tamin’ny 1844 ary ampahany iray hafa tamin’ny 1859 tao amin’ny Monasiteran’ny Mb. Catherine any an-tendrombohitra Sinay. Voatahiry any Leipzig ny ravin-taratasy 43, any Saint-Pétersbourg any Rosia ny ampahany amin’ny ravin-taratasy 3, ary ao amin’ny Tranomboky Britanika any Londres ny 347. Nahitana ravin-taratasy 8 na 14 fanampiny, hono, tao amin’ilay monasitera tamin’ny 1975.

Sora-tanana Sinaiticus tamin’ny taonjato fahefatra. Saika hita ao ny Baiboly manontolo amin’ny teny grika

Sora-tanana Alexandrinus. Ny litera “A” no amantarana ny Sora-tanana Alexandrinus (Kôdeksa Alexandrinus). Sora-baventy boribory io sora-tanana grika io ary saika ny Baiboly manontolo no ao, anisan’izany ny Apokalypsy. Mety ho nisy ravin-taratasy 820 izy io, saingy 773 sisa voatahiry. Nosoratana tany am-piandohan’ny taonjato fahadimy angamba izy io, ary voatahiry ao amin’ny Tranomboky Britanika.​—SARY, Boky Faha-2, p. 336.

Kôdeksa Ephraemi Syri rescriptus. Mety ho natao tamin’ny taonjato fahadimy io kôdeksa io (Kôdeksa Ephraemi), izay fantatra amin’ny litera “C.” Sora-baventy boribory amin’ny teny grika no eo amin’ilay hodi-biby malefaka. Nisy namafa ny soratra voalohany, ka nasiana ny toritenin’i Éphrem avy any Syria amin’ny teny grika ny ravin-taratasy maromaro tamin’ny taonjato faha-12 angamba. Vitsy mantsy ny hodi-biby malefaka tamin’izany. Voavaky ihany anefa ilay soratra voalohany. Tao amin’io kôdeksa “C” io ny Baiboly manontolo amin’ny teny grika, saingy ravin-taratasy 209 sisa tavela ka 145 no misy ny Soratra Grika Kristianina. Ampahany amin’ny Soratra Hebreo àry sisa no ao, ary ampahany amin’ny boky rehetra ao amin’ny Soratra Grika Kristianina afa-tsy ny Tesalonianina Faharoa sy Jaona Faharoa. Voatahiry ao amin’ny Tranombokim-pirenena any Paris izy io.

Tsy niova ny Baiboly. Vitsy kely ny sora-tanana misy ny asa soratr’ireo mpanoratra fahiny ananantsika, ary tsy ny soratra tany am-boalohany izy ireny fa efa dika mitovy daholo. Natao taonjato maro taorian’ny nahafatesan’ny mpanoratra izy ireny, nefa eken’ny manam-pahaizana ankehitriny fa marina. Tsy vao mainka ve izany mahatonga antsika hatoky fa tsy niova ny Baiboly?

Nitandrina be ireo nanao ny Baiboly sora-tanana hebreo ananantsika. Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe W. Green momba ny Soratra Hebreo: “Tsy diso isika raha milaza fa tsy misy asa soratra tranainy nampitaina tamin’ny fomba marina toy izany.” (Ny Arkeolojia sy ny Tantara ao Amin’ny Baiboly, nataon’i J. Free, 1964, p. 5) Hoy koa Atoa Frederic Kenyon, manam-pahaizana momba ny Baiboly, ao amin’ny sasin-tenin’ireo bokiny fito hoe Papyrus Ara-baiboly Chester Beatty: “Ny zava-dehibe indrindra azo tsoahana rehefa nodinihina [ireo horonana], dia hoe marina tsara ny Baiboly ananantsika ankehitriny. Tsy misy fiovana firy na ny Testamenta Taloha na ny Vaovao. Tsy misy hevi-dehibe niampy na latsaka, ary tsy manova ... foto-pinoana ireo fahasamihafana kely. Zavatra kely fotsiny no tsy mitovy, toy ny filahatry ny teny sy ny teny nampiasaina ... Tena zava-dehibe ireny horonana tranainy kokoa ireny, satria manamarina fa tsy niova ny Baiboly. Zava-nisongadina teo amin’ny tantara àry ny fahazoana azy ireny.”​—Londres, 1933, Fizarana I, p. 15.

Hoy koa izy momba ny Soratra Grika Kristianina: “Tena nifanakaiky ny fotoana nanoratana ny Soratra Masina tany am-boalohany sy ny datin’ireo horonam-boky hitan’ny arkeology. Tsy isalasalana intsony àry fa mitovy amin’izay nosoratana fahiny ny Soratra Masina ananantsika ankehitriny. Ela ny ela ka voaporofo fa marina sady tsy niova amin’ny ankapobeny ireo boky ao amin’ny Testamenta Vaovao.”​—Ny Baiboly sy ny Arkeolojia, 1940, p. 288, 289.

Namerimberina sy nanasongadina i Jesosy Kristy, “ilay vavolombelona mendri-pitokisana sy marina” (Ap 3:14), sy ny apostoliny fa marina ny Soratra Hebreo. (Lk 24:27, 44; Ro 15:4) Manamafy an’izany ireo dikan-teny tranainy ananantsika. Porofoin’ireo sora-tanana sy dikan-teny koa fa voaro tsara sy tsy novaovana ny Soratra Grika Kristianina. Marina sy tsy niova mihitsy àry ny Baiboly ananantsika. Voaro tsara izy io rehefa dinihina ny Soratra Masina sora-tanana voatahiry hatramin’izao. “Maina ny ahitra ary malazo ny voninkazo, fa ny tenin’Andriamanitsika kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”​—Is 40:8; 1Pe 1:24, 25.