Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bala

Bala

(Bàla) [1, 2: Tompo].

1. Zanakalahin’i Jeiela Benjamita ary ny anarany no voatonona fahefatra.​—1Ta 8:29, 30; 9:35, 36.

2. Robenita rain’i Bera, izay anisan’ny nataon’i Tiglato-pilesera III mpanjakan’i Asyria sesitany.​—1Ta 5:5, 6, 26.

[3-5: Toeran’ny Tompovavy].

3. Tanàna tany avaratry ny sisin-tanin’i Joda. Antsoina koa hoe Kiriata-bala izy io, nefa fantatra kokoa amin’ny hoe Kiriata-jearima. Mety ho i Deir el-ʽAzar (Tel Kiryat Yeʽarim) izay tokony ho 13 km andrefana avaratrandrefan’i Jerosalema izy io.​—Js 15:9, 10, 60; 18:14; 1Ta 13:6; jereo KIRIATA-JEARIMA.

4. Tendrombohitra any avaratrandrefan’i Joda, eo anelanelan’ny tanànan’i Sikerona sy Jabniela, ary anisan’ny sisin-tany avaratry ny faritanin’i Joda. (Js 15:11) Misy mihevitra azy io ho ny havoanan’i Mogara, avaratra kelin’ny lohasaha falehan-driakan’i Soreka, 3 km atsinanana atsimoatsinanan’i Jabniela (Yavne ankehitriny).

5. Tanàna tany Negeba tany Joda (Js 15:29), ary azo inoana fa ilay Bala ao amin’ny Josoa 19:3 sy Bilaha ao amin’ny 1 Tantara 4:29. Nomena ho an’ny fokon’i Simeona izy io tatỳ aoriana. Tsy fantatra hoe taiza marina no nisy azy, fa azo inoana hoe tany atsimoatsinanan’i Beri-sheba.

[6, 7: Tompo].

6. Tanànan’ny fokon’i Simeona tao amin’ny faritanin’i Joda. Toa io ihany ilay Baleta-bera na Rama tany atsimo (Negeba).​—Ampitahao 1Ta 4:32, 33 sy Js 19:7-9.

7. Ireto avy no nampiasana ny teny hebreo hoe baʽal ao amin’ny Baiboly: 1) Lehilahy tompom-bady (Ge 20:3); 2) olona manana tany (Js 24:11, f.a.p.); 3) “tompon’ireo firenena” (Is 16:8); 4) olona “nanao fifanekena” (a.b.t.: tompon’ny fifanekena) (Ge 14:13); 5) tompona biby na zavatra (Ek 21:28, 34; 22:8; 2Mp 1:8); 6) olona na zavatra manana toetra na fomba na asa mampiavaka azy, toy ny hoe mpandefa zana-tsipìka (a.b.t.: tompon’ny zana-tsipìka) (Ge 49:23), “tompon-trosa” (De 15:2), “olona mora tezitra” (a.b.t.: tompon’ny hatezerana) (Oh 22:24), olona ‘miady eo amin’ny fitsarana’ (a.b.t.: tompon’ny didim-pitsarana) (Is 50:8); 7) Jehovah (Ho 2:16); ary 8) andriamani-diso (Mpts 2:11, 13).

Ilazana an’i Bala andriamani-diso ny teny hoe hab·Baʽal. Ny hoe hab·Beʽalim (ireo Bala) kosa manondro an’ireo andriamanitra noheverina fa tompona toerana sasany, na nanana fahefana tamin’izy ireny.

Sarin’i Bala. Samy nanana an’izay Bala nivavahany ny faritra tsirairay

Ao amin’ny Romanina 11:4 ihany no misy hoe “Bala” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ary ialohavan’ny mpanoritra grika hoe he amin’ny endriny milaza vavy izy io. Toy izany koa ny ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Toy izao ny fanazavan’i John Newton momba ny fivavahana tamin’i Bala: “Amin’ny endriny milaza lahy [i Bala] amin’ny teny hebreo [hab·Baʽal], ilay tompo, nefa natao hoe [he Baal] = ilay vehivavy ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo; Hosea 2:8; Zef. 1:4; ary Romanina 11:4 ao amin’ny Testamenta Vaovao. Nanaram-po tamin’ny firaisana ny mpivavaka tamin’io andriamanitra sady lahy no vavy io. Nanao akanjom-behivavy indraindray ireo lehilahy, fa ny vehivavy kosa nanao akanjon-dehilahy sy nanambana fitaovam-piadiana.”​—Famantarana ny Mpanompo Sampy Fahiny sy ny Kristianina Ankehitriny, nataon’i T. Inman, 1875, p. 119.

Nantsoina hoe “Bala” indraindray i Jehovah teo amin’ny tantaran’ny Israely, satria i Jehovah no Tompon’ilay firenena na Vadiny. (Is 54:5) Mety ho nampitovin’ny Israelita tamin’i Bala koa anefa i Jehovah, rehefa nivadi-pinoana izy ireo. Toa manamarina izany ny faminanian’i Hosea hoe tsy hiantso an’i Jehovah hoe “Tompoko” (“Balako”, Ho 2:18, Prot.) intsony ireo Israelita nibebaka sy nody avy any an-tsesitany, fa hoe “Vadiko.” Midika angamba izany fa tsy hanonona intsony ny anaran’ilay andriamani-diso hoe “Bala” izy ireo. (Ho 2:9-17) Toa lasa nanana heviny ratsy ilay teny hebreo hoe baʽal, satria nampifandraisina tamin’ny fivavahana tamin’i Bala. Mety ho izany àry no nahatonga ny mpanoratra ny Samoela Faharoa hampiasa ny hoe “Isboseta” sy “Mefiboseta” (bôshet: henatra), fa tsy hoe “Esbala” sy “Meri-bala.”​—2Sa 2:8; 9:6; 1Ta 8:33, 34; jereo ISBOSETA.

Fivavahana tamin’i Bala. Tsy dia fantatra loatra taloha ny momba ny fivavahana tamin’i Bala, ankoatra an’izay voalazan’ny Baiboly. Nahita asa tanana tranainy sy takelaka tanimanga an-jatony nampiasaina tamin’ny fivavahana anefa ireo mpikaroka tany Ogarita (Ras Shamra ankehitriny, any amoron-tsirak’i Syria, ampitan’ny tendrony avaratratsinanan’ny nosy Sipra). Mety ho ny fombafomba nataon’ireo nankalaza fety ara-pivavahana na ny teny nolazainy no resahin’ny ankamaroan’ireny takelaka ireny, izay fantatra amin’ny hoe soratra Ras Shamra.

Antsoina hoe “Zabola [Andriana] Tompon’ny Tany” sy “ilay Mpitaingina Rahona” i Bala (na koa hoe Aliyan [ilay mandresy] Bala) ao amin’ny Ras Shamra. Mety tsara izany satria mitana kibay eny an-tanany havanana i Bala, ary tselatra be haingonkaingony misy lohalefona maranitra no eny an-tanany havia. Manao fiarovan-doha misy tandroka toy ny an’ny ombilahy (marika amantarana ny fahavokarana) koa izy.

Zara raha avy ny orana any Palestina, manomboka amin’ny faramparan’ny Aprily ka hatramin’ny Septambra. Oktobra kosa no manomboka ny orana ary mitohy mandritra ny ririnina hatramin’ny Aprily, ka lasa betsaka ny zavamaniry. Noheverina fa ny ady tsy nisy farany teo amin’ireo andriamanitra no nahatonga an’ireo fizaran-taona hifandimby sy ny vokatr’izany. Nitsahatra, hono, ny orana ary maty ny zavamaniry satria resin’i Mot (andriamanitry ny fahafatesana sy ny hain-tany) i Bala (andriamanitry ny orana sy ny fahavokarana), ka voatery nisitrika tany ambanin’ny tany. Velona indray, hono, izy matoa nanomboka ny fotoanan’ny orana. Resin’i Anata anabavin’i Bala mantsy, hono, i Mot, ka afaka nanjaka indray i Bala. Noheverina fa niantoka ny fahavokarana amin’ilay taona ho avy ny fanaovan’i Bala firaisana tamin’ny vadiny, izay i Astarta angamba.

Mpamboly sy mpiompy ny Kananita ary nino fa nandrisika an’ireo andriamanitra hanahaka an’izay ataony izy, raha nanaraka an’ireo fombafomba fanao amin’ny fety ara-pivavahana. Amin’izay, hono, dia ho be ny vokatra ary hiteraka maro ny biby fiompy mandritra ilay taona ho avy. Tsy hisy koa, hono, ny hain-tany sy ny andiam-balala ary ny loza hafa. Nanaram-po tamin’ny firaisana sy ny filibana àry ny Kananita, mba hankalazana ny fahaveloman’i Bala sy ny fahazoany fahefana indray ary ny firaisany tamin’ny vadiny.

Samy nanorina toerana hanomezam-boninahitra an’ilay Bala mpiaro azy, ny tanàna tsirairay tany Kanana. Nisy mpisorona notendrena hitarika fotoam-pivavahana tao amin’izy ireny, sy teny amin’ireo toerana masina maro teny amin’ny havoana na toerana avo teny akaiky. (Ampit. 2Mp 17:32.) Nety ho nisy sarin’i Bala tao amin’ireny toerana ireny. Tsangambato (azo inoana fa sarina filahiana famantarana an’i Bala) sy tsato-kazo masina nampiseho an’i Aseraha andriamanibavy ary fandoroana emboka manitra kosa no teo akaikin’ny alitara, teo ivelany. (Ampit. 2Ta 34:4-7; jereo TSATO-KAZO MASINA.) Nisy mpivaro-tena lahy sy vavy nanompo sy nanaovana firaisana teny amin’ny toerana avo, ary nisy ankizy natao sorona mihitsy aza. (Ampit. 1Mp 14:23, 24; Ho 4:13, 14; Is 57:5; Je 7:31; 19:5.) Nivavaka tamin’i Bala teny an-tampon-tranony kosa ny olona sasany, ka matetika no tazana niakatra avy teny ny setroka ho sorona ho an’ilay andriamanitra.​—Je 32:29.

Nampifandraisin’ny Kananita tamin’ireo zavatra teny amin’ny lanitra i Bala sy ireo andriamanitra ary andriamanibavy maro be nivavahany. Resahin’ny iray amin’ireo soratra Ras Shamra, ohatra, fa nisy fanatitra natolotra ho an’ny “Mpanjakavavy Shapash (ny Masoandro) sy ho an’ny kintana.” Nisy koa natolotra ho “an’ny tafiky ny masoandro sy ny andro”, hoy ny soratra iray hafa.

Tsy mahagaga àry raha ampifandraisin’ny Baiboly matetika amin’ny zavatra eny amin’ny lanitra ny fivavahana amin’i Bala. Hoy izy io momba ny fanjakan’ny Israely nikomy: “Niala tamin’ny didy rehetra nomen’i Jehovah Andriamaniny izy ireo, ... sady niankohoka tamin’izay rehetra eny amin’ny lanitra, ary nanompo an’i Bala.” (2Mp 17:16) Nahitana ‘fitaovana natao ho an’i Bala sy ho an’ny tsato-kazo masina ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra’ mihitsy aza tao amin’ny tempolin’i Jehovah, tany Joda. “Nanolotra setroka ho sorona ho an’i Bala, sy ho an’ny masoandro sy ny volana sy ireo antokon-kintana fijerena tononandro, ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra” koa ny olona nanerana an’i Joda.​—2Mp 23:4, 5; 2Ta 33:3; jereo koa Ze 1:4, 5.

Samy nanana an’izay Bala nivavahany ny faritra tsirairay, ary nampitondraina ny anaran’ilay faritra izy io matetika. Avy amin’ny hoe Tendrombohitra Peora, ohatra, no niavian’ilay hoe Balan’i Peora, izay nivavahan’ny Moabita sy Midianita. (No 25:1-3, 6) Lasa anaran’ireo faritra ireo tatỳ aoriana ny anaran’ireo Bala notompoina tao, toy ny hoe Bala-hermona, Bala-hazora, Bala-zefona, ary Bamota-bala. Na dia samy nanana an’izay Bala nivavahany aza anefa ny faritra tsirairay, dia andriamanitra iray ihany izy ireny tamin’ireo Kananita.

Inona no vokatry ny fivavahana tamin’i Bala teo amin’ny Israely?

Resahin’ny Baiboly an-kolaka fa efa nisy ny fivavahana tamin’i Bala tamin’ny andron’ireo loham-pianakaviana, na dia toa mbola tsy nikororosy be toy ny tamin’ny fotoana nidiran’ny Israelita tany Kanana aza. (Ampit. Ge 15:16; 1Mp 21:26.) Nety ho avy tamin’ny anaran’ny vadin’i Bala hoe Astarta, ohatra, ilay anaran-tanàna hoe Astarta-karnaima. (Ge 14:5) Nisy toerana natao hoe Bala-zefona koa tany an-tany efitra, talohan’ny niampitan’ny Israelita ny Ranomasina Mena. (Ek 14:2, 9) Nilazana i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay fa tokony harodana ny alitaran’ny Kananita, hotorotoroina ny tsangambatony masina, ary hokapaina ny tsato-kazony masina. (Ek 34:12-14) Tokony hofoanana tanteraka tao amin’ny Tany Nampanantenaina àry ny fivavahana tamin’i Bala.

Nentin’i Balaka Mpanjaka niakatra teny Bamota-bala (“Toerana Avon’i Bala”) i Balama, mba hitazana an’ireo Israelita maro be nitoby teo amin’ny Lemak’i Moaba. (No 22:41) Tsy nahavita nanozona ny Israelita anefa i Balama. Nanoro hevitra an’i Balaka àry izy mba hitaona an’ireo Israelita hanompo sampy sy hijangajanga amin’ireo vehivavy mpivavaka tamin’i Balan’i Peora. Israelita an’arivony no voataona ka maty.​—No 22:1–25:18; Ap 2:14.

Na teo aza iny zava-nitranga iny sy ny fampitandreman’i Mosesy sy Josoa (De 7:25, 26; Js 24:15, 19, 20), dia nanahaka ny fanaon’ny Kananita sisa tavela tany Kanana ny Israelita rehefa tonga tany. Tiany hahavokatra angamba ny taniny ary hihamaro ny biby fiompiny. Mody nanompo an’i Jehovah koa izy ireo. Niely nanerana an’ilay tany àry ny fivadiham-pinoana rehefa maty i Josoa. (Mpts 2:11-13; 3:5-8) Navelan’ny Israelita tao amin’ny sahany ireo alitara sy tsato-kazo ary zavatra hafa nampiasaina tamin’ny fivavahana tamin’i Bala. Toa narahin’izy ireo koa ny tenin’ireo Kananita niara-nonina taminy, ka niezaka nampifaly an’i Bala na ny ‘tompon’ny’ sombin-tany tsirairay izy ireo. Nanahaka ny fitondran-tena ratsin’ireo mpivavaka tamin’i Bala koa izy ireo, ka navelan’i Jehovah ho resin’ny fahavalony.

Namindra fo tamin’ny vahoakany anefa i Jehovah rehefa nibebaka izy ireo, ka nanendry mpitsara toa an’i Gideona (novana anarana hoe Jerobala [“Aoka i Bala Hiaro (Hiady) any Amin’ny Fitsarana”]) izy mba hamonjy azy ireo. (Mpts 6:25-32; 1Sa 12:9-11) Tsy naharitra anefa ny fiovan’ny Israelita. (Mpts 8:33; 10:6) Mbola nisy ihany nivavaka tamin’i Bala taorian’ny nahafatesan’i Samoela, na dia nesorin’ilay vahoaka aza ireo Bala sy sarin’i Astarta, ka nanompo an’i Jehovah irery ihany izy ireo, noho ny fampirisihan’i Samoela.​—1Sa 7:3, 4.

Mety ho mbola nisy ihany ny fivavahana tamin’i Bala, na dia tsy voaresaka intsony aza izany raha tsy rehefa nifarana ny fanjakan’i Solomona. Nampiditra endriny maro samihafa tamin’io fivavahana io ireo vehivavy mpanompo sampy vadin’i Solomona. Nampirisihin’izy ireo izy sy ny zanany hanompo andriamanitra sy andriamanibavy hafa, toa an’i Astarta sy Moleka, izay misy ifandraisany amin’i Bala.​—1Mp 11:4, 5, 33; Je 32:35.

Nanao zanak’omby hivavahana i Jeroboama tao Dana sy Betela tany amin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, rehefa nizara roa ilay fanjakana tamin’ny 997 T.K. Sady nivavaka tamin’i Bala ny mponina tany no nivavaka tamin’ny zanak’omby. Ahoana kosa ny amin’ny fanjakan’ny Joda? Toy ny hoe mbola nisy fivavahana marina tao Jerosalema, nefa niely nanerana an’ilay tany ny fivavahana tamin’i Bala.​—1Mp 14:22-24.

Tafiditra tany Israely ny fivavahana tamin’i Melkart, Balan’i Tyro, tamin’ny andron’i Ahaba Mpanjaka (t. 940-920 T.K.). (SARY, Boky Faha-2, p. 532) Nalainy ho vady mantsy i Jezebela, zanakavavin’i Etibala (“Miaraka Amin’i Bala”), mpanjakan’i Tyro. I Jezebela no nampiditra ny fivavahana tamin’io Bala io, izay nanana mpisorona sy mpivavaka maro nafana fo. (1Mp 16:31-33) Niafara tamin’ilay adin’i Jehovah sy Bala teo an-tendrombohitra Karmela izany.

Nino ny mpivavaka tamin’i Bala fa i Bala no tompon’ny lanitra, ka izy no nandatsaka orana sy nampahavokatra ny tany. Izany angamba no nahatonga an’i Elia hanome baiko tamin’ny anaran’i Jehovah hoe hisy hain-tany. (1Mp 17:1) Tsy vitan’i Bala ny namarana an’ilay hain-tany naharitra telo taona sy tapany, na dia niangavy azy imbetsaka aza ny mpisorony sy ny mpivavaka taminy. Nandidy ny vahoaka rehetra ho any an-tendrombohitra Karmela àry i Elia, mba hahitan’izy ireo hoe iza no tena Andriamanitra. Afa-baraka ireo mpivavaka tamin’i Bala tamin’izay, ary novonoina ho faty ireo mpaminaniny 450. I Jehovah, fa tsy i Bala, avy eo no nandatsaka orana ka namarana an’ilay hain-tany.​—1Mp 18:18-46; Jk 5:17.

Nanompo an’i Bala koa i Ahazia, zanak’i Ahaba nandimby azy. (1Mp 22:51-53) I Jorama kosa no nandimby an’i Ahazia rahalahiny. Nesoriny ilay tsangambato masin’i Bala nataon-drainy, saingy mbola nivavaka tamin’ny zanak’omby ihany izy.​—2Mp 3:1-3.

Nohosorana ho mpanjaka i Jeho tatỳ aoriana (t. 905 T.K.). Novonoiny ho faty i Jezebela sy ny ankohonan’i Ahaba ho valin’ny namonoana ny mpaminanin’i Jehovah. Nodidiany ho any Samaria avy eo ny mpivavaka rehetra tamin’i Bala, satria “hisy fivoriambe manetriketrika ho an’i Bala”, hono. Nasainy novonoina anefa izy rehetra. Nodorana ireo tsato-kazo masina, noravana ireo tsangambato masina, ary narodana ny tranon’i Bala ka natao kabine. “Toy izany no namongoran’i Jeho an’i Bala tsy ho eo amin’ny Israely.” (2Mp 10:18-28) Navelan’i Jehovah hatao sesitany anefa ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely tatỳ aoriana, noho izy ireo nivavaka tamin’i Bala indray.​—2Mp 17:16-18.

Mbola be mpanaraka ny fivavahana tamin’i Bala tany Joda, na dia niezaka nanafoana izany aza i Asa Mpanjaka. (2Ta 14:2-5) Nanjary nivavaka tamin’i Balan’i Tyro ny fianakavian’ny mpanjakan’ny Joda rehefa lasa vadin’i Jorama, mpanjaka fahafito tany, i Atalia zanak’i Ahaba sy Jezebela. Niezaka nanafoana ny fivavahana tamin’i Bala i Joasy Mpanjaka, zafikelin’i Atalia, raha vao nanomboka nanjaka, sy Hezekia Mpanjaka tatỳ aoriana, saingy tsy nahomby. (2Mp 11:18; 18:4) Naorin’i Manase zanak’i Hezekia indray ireo toerana avo noravan-drainy. (2Mp 21:3) Toa nivavaka tamin’i Bala ny ankamaroan’ny mpanjakan’ny Joda, nefa tafahoatra ny fanarahan’i Manase an’io fivavahana maharikoriko io. (2Mp 21:9-11) Tatỳ aoriana, dia niezaka namongotra ny fivavahana tamin’i Bala izy sy Josia Mpanjaka zafikeliny. Vetivety ihany anefa ny olona no nanaraka ny fivavahana marina. Natao sesitany àry izy ireo, ary lasa lao ilay tany.​—2Ta 33:10-17; 2Mp 23:4-27; Je 32:29.

Naminany nanomboka tamin’ny andron’i Josia ka hatramin’ny sesitany tany Babylona i Jeremia. Nomelohiny ny Israelita nivavaka tamin’i Bala sy nanala baraka tena. Nohariny tamin’ny vehivavy nivaro-tena teny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra sy nanerana ny toerana avo rehetra izy ireo. Nanitsakitsa-bady izy ireo satria nanompo vato aman-kazo, ary nanadino an’i Jehovah izay ‘vadiny sy tompony.’ (Je 2:20-27; 3:9, 14) Tsy resahin’ny Baiboly intsony hoe nivavaka tamin’i Bala ny Israelita avy natao sesitany tany Babylona sy nody tany Palestina.